IsaiĆ 

Toko 1 Fanambaran'i Isaia, zanakalahin'i Amotsa, ny amin'i Joda sy i Jerosalema. Nanafaran'ny TOMPO azy izany, tamin'ny andron'i Hozia sy i Jotama ary i Ahaza sy i Hezekia mpanjakan'i Joda.
Toko 2 Ny toe-javatra hitan'i Isaia, zanakalahin'i Amotsa, momba ny fanjakan'i Jodasy ny tananan'i Jerosalema.
Toko 3 Fa indro ny TOMPO ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao manaisotra amin'i Jerosalema sy amin'i Joda ny andry aman-tohana isan-karazany iankinany: dia ny mofo sy ny rano izay tohan'aina,
Toko 4 Amin'izany andro izany, dia vehivavy fito no indray hihazona lehilahy iray ka hanao hoe:"Tsy hiantohanao na sakafo na fitafiana izahay, fa aoka izahay mba hahazo mitondra ny anaranao, ka afaho amin'ny fahafaham-barakanay."
Toko 5 Avelao aho hihira ho an'ny sakaizako, dia ny hiran'ny sakaizako momba ny voalobony: Nanana voaloboka iray ity sakaizako teo amin'izay tanety lonaka izay.
Toko 6 Tamin'ny taona nahafatesan'i Hozia mpanjaka no nahitako ny TOMPO nipetraka teo amin'ny sezafiandrianana avo dia avo; ary nahafeno ny tempoly ny rebareban'akanjony.
Toko 7 Tamin'ny andro nanjakan'i Ahaza, zanakalahin'i Jotama sady zafikelin'i Hozia mpanjakan'i Joda, dia niakatra i Retsina mpanjakan'i Siria sy i Peka, zanakalahin'i Remalia sady mpanjakan'i Israely, mba hanafika an'i Jerosalema, kinanjo tsy nahazo azy.
Toko 8 Ary hoy ny TOMPO tamiko:-Mandraisa takela-tanimanga iray lehibe, dia soraty araka ny fanaon'ny olona izao: "Ho an'i Mahera-Salala-Hasy-Baza" na hoe "Ho an'i Faingana hamabo-Dodona handroba."
Toko 9 Ny vahoaka mandeha ao anatin'ny haizina dia hahita hazavana lehibe; ary ny olona mipetraka ao amin'ny tany izay tandindomin'ny fahafatesana dia hiposahan'ny hazavana.
Toko 10 Lozan'ireo olona mamoaka didy tsy marina ary maika hampanoratra lalana mampahory.
Toko 11 Misy rantsana misandrahaka avy amin'ny fototr'i Jisay; misy solofo mipoitra avy amin'ny fakany.
Toko 12 Amin'izany andro izany, ry olona voaavotra, dia hiteny ianao ka hanao hoe: "Midera Anao aho, TOMPO o; fa na tezitra tamiko aza Ianao, dia afaka ny fahatezeranao ka nampionona ahy Ianao.
Toko 13 Hafatra momba an'i Babilona araka ny fahitan'i Isaia, zanakalahin'i Amotsa.
Toko 14 Fa hamindra fo amin'ny taranak'i Jakoba ny TOMPO; eny, mbola hifidy an'i Israely ihany Izy, ka hampiorina azy indray eo amin'ny taniny. Hikambana amin'ireo ny vahiny mpifindra monina ka hitambatra amin'ny ankohonan'i Jakoba.
Toko 15 Hafatra momba an'i Moaba. Indray alina monja dia rava tsy nisy niangana ny tanana Hara-Moaba, indray alina monja dia rava tsy nisy niangana ny tanana Kira-Moaba.
Toko 16 Avy ao Sela any an-taniefitra no alefaso ny ondrilahin'ilay mpifehy ny tany ho any amin'ny tendrombohitraTsiona.
Toko 17 Hafatra momba an'i Damasy. Hitsahatra tsy ho tanana intsony i Damasy , fa ho tonga korontam-bato sisa.
Toko 18 Lozanao, ry tany misy ireo lakana manana elatra izay manara-morona ny onin'i Etiopia!
Toko 19 Hafatra momba an'i Ejipta. Indro tonga any Ejipta ny TOMPO nitaingina rahona haingam-pandeha. Mangorohoro ny andriamani-tsiizy eo anatrehany ka nihaketraka anakampo ny Ejiptianina.
Toko 20 Tamin'izay no taona nanirahan'i Sargona mpanjakan'i Asiria ilay jeneralin'ny tafiny hanafika an'i Asdoda; dia namely ny tanana izy ka nahazo azy.
Toko 21 Hafatra momba ny taniefitra amoron-dranomasina. Tahaka ny tadio mamakivaky an'i Negeba no fiavin'ny fahavalo avy any an-taniefitra, avy any amin'ny tany anankiray mahatahotra.
Toko 22 Hafatra momba ny lohasahan'ny fahitana. Fa inona ity mahazo anareo no miakatra eny an-tampon-trano, ry mponin'i Jerosalema?
Toko 23 Hafatra momba an'i Tiro. "Midradradradra mafy ianareo, ry sambon'i Tarsisy o, satria rava ny serananareo. "Fony izy tonga avy any amin'ny nosy Siprano nandrenesany izany vaovao izany.
Toko 24 Indro ny TOMPO fa hanimba ny tany ka handrava azy; havadiny ambony ambany izy ary haeliny ny mponina eo aminy.
Toko 25 TOMPO o, Ianao no Andriamanitro. Hanandratra Anao sy hankalaza ny anaranao aho, satria notanterahinao ny zava-mahagaga izay efa nokasainao hatry ny elabe sady mafy orina sy azo itokiana.
Toko 26 Amin'izany andro izany, ao amin'ny tanin'i Joda dia hihirana izao hira izao: "Manan-tanana mafy isika. Manda roa sosona no nataon'ny TOMPO mba ho fiarovana azy.
Toko 27 Amin'izany andro izany, dia hirotsaka an-tsehatra ny TOMPO ka handray sabatra mafy sady lehibe no mahery hamelezana ny Leviatana, ilay bibilava mitsoriaka sy mihorongorona; ary hovonoin'ny TOMPO ho faty izany dragona an-dranomasina izany.
Toko 28 Lozan'i Samaria, tanana izay satroboninahitra sady reharehan'ny mpidoroka ao Efraima! Ery an-tendron'ny lohasaha lonaka izy, ka ny haingony marevaka dia voninkazo mihamalazo eny an-dohan'ireo lehilahy mamon-divay.
Toko 29 "Indrisy, ry Ariela ! Ry Ariela, tananan'i Jerosalema, nataon'i Davida fahirano fahiny! Na hiverina isan-taona isan-taona aza ny fitsingeringerenan'ny andro fety,
Toko 30 Lozanareo zanaka maditra, hoy ny teny hentitry ny TOMPO! Manao tetikasa ianareo, nefa tsy avy amiko ireny; manao fifanekena, nefa tsy araka ny Fanahiko. Heloka ampiana heloka izany.
Toko 31 Lozan'izay midina any Ejipta mba hitady famonjena! Ny soavaly no ianteherany; ny kalesy no itokiany satria maro ireny; ary ny mpitaingin-tsoavaly no antenainy, satria mahery tokoa ireny; fa tsy andrandrainy akory ilay Masin'i Israely ary tsy anontaniany mihitsy ny TOMPO.
Toko 32 Indro hisy mpanjaka iray hanjaka araka ny rariny; ary ny mpanapaka hanapaka araka ny hitsiny.
Toko 33 Lozanao , ry ilay tsy norobaina nefa mandroba sy ry ilay tsy nofitahina nefa mamitaka. Rehefa mitsahatra mandrava ianao, dia mba horavana koa; ary rehefa mitsahatra mamitaka, dia mba hofitahina koa.
Toko 34 Manatona handre, ry firenen-kafa, ary mihainoa, ry vahoaka isan-tokony. Aoka handre ny tany sy izay rehetra mameno azy; aoka handre izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy!
Toko 35 Aoka hiravoravo ny taniefitra sy ny tany karankaina! Aoka hifaly ny tany ngazana ka hamony voninkazo meva toy ny lisy.
Toko 36 Tamin'ny taona faha-14 nanjakan'i Hezekia no nahatongavan'i Saneheriba mpanjakan'i Asiria hanafika ny tanana mimanda rehetra tany Joda ka nahazoany ireny.
Toko 37 Raha vao nandre izany tatitra izany i Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany ka nitafy gony ary lasa niditra tao an-tranon'ny TOMPO.
Toko 38 Tamin'izany andro izany, dia narary efa ho faty i Hezekia. Tonga nitsidika azy i Isaia mpaminany, zanakalahin'i Amotsa, ary nilaza taminy ny tenin'ny TOMPO hoe: "Ataovy ny fara hafatrao amin'ny ankohonanao, satria efa ho faty ianao fa tsy ho velona."
Toko 39 Tamin'izany fotoana izany i Merodaky-Baladana, zanakalahin'i Baladana sady mpanjakan'i Babilona, no nandre fa narary i Hezekia ary efa sitrana. Dia nandefa iraka hitondra taratasy sy fanomezana ho azy izy.
Toko 40 Ampaherezo, ampaherezo ny vahoakako, hoy ilay Andriamanitrareo.
Toko 41 Ry mponina any amin'ny nosy lavitra, mangina ka henoy Aho, hoy ny TOMPO. Ary ianareo firenena, misikina herim-po. Misehoa aloha vao miteny ary andeha isika hiara-kiatrika fitsarana.
Toko 42 Indro ny mpanompoko izay tohanako, ilay voafidiko sady ankasitrahiko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko mba hamoahany ny lamina ara-drariny ho an'ny firenena.
Toko 43 Ankehitriny kosa izao no lazain'ny TOMPO Izay nahary anao, ry firenen'i Jakoba sy namorona anao, ry vahoaka Israely: "Aza matahotra ianao, fa efa navotako; ny anaranao no efa niantsoako anao, ka Ahy ianao.
Toko 44 Fa ankehitriny kosa mihainoa, ry firenen'i Jakoba mpanompoko, ry vahoaka Israely izay nofidiko.
Toko 45 Izao no lazain'ny TOMPO amin'ilay nohosorany , dia i Kirosa: "Tohanako ianao mba handresy ny firenen-kafa sy hanaisotra ny fahefan'ny mpanjaka ka hivoha eo anatrehanao ireo vavahadin'ny tanana nihidy.
Toko 46 Nihareraka i Bela, niletsy i Nebao. Napetraka teo ambony biby mpitondra entana ny sarivongan'ireo andriamanitr'i Babilona ireo; izay filanja tamin'ny laharam-pihobiana dia toy ny enta-mifatratra no fitondra azy, ka mavesatra amin'ireto biby efa reraka.
Toko 47 Midina ambany ka mipetraha amin'ny vovoka, ry vahoaka mponin'i Babilona, hoy ny TOMPO; mipetraha amin'ny tany, ry renivohitry ny Kaldeanina fa tsy misy sezafiandrianana ho anao intsony, satria ianao tsy hantsoina intsony hoe: "Babilona tsara tarehy" na "Babilona mirenty".
Toko 48 Henoy izao, ry firenen'i Jakoba, dia ianareo izay mitonon-tena ho Israely sy taranaka nipoitra avy tamin'i Joda, ianareo izay mianiana amin'ny anaran'ny TOMPO ka miantso ny anaran'Andriamanitr'i Israely nefa tsy araka ny fahamarinana sy ny fahitsiana.
Toko 49 Mihainoa ahy ianareo, ry mponina any amin'ny nosy any; ary atongilano ny sofinareo, ry firenena any lavitra. Ny TOMPO no niantso ahy hatrany am-bohoka; vao teraka aho, dia nantsoiny tamin'ny anarako.
Toko 50 Izao no fanontaniana ataon'ny TOMPO: "Aiza izay taratasy fisaoram-bady manaporofo fa noroahiko i Jerosalema reninareo? Sa iza no nivarotako anareo ho andevo mba ho fanefana ny trosako aminy? Indro ny helokareo ihany no nivarotana anareo ary ny fikomianareo ihany no nandroahana an-dreninareo.
Toko 51 "Mihainoa Ahy ianareo mikatsa-panafahana, dia ianareo mitady Ahy, hoy ny TOMPO: Jereo ny vatolampy izay nangalana anareo sy ny ati-lavaka nisintonana anareo:
Toko 52 Mifohaza ianao, ry Tsiona o, mifohaza ka tafio indray ny herinao; tafio indray ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema tanana masina! Satria tsy hiditra ao aminao intsony ny tsy mifora sy ny olona maloto ara-pivavahana.
Toko 53 Iza no nino ny fanambarana natao taminay? Ary iza no nampisehoana ny herin'ny TOMPO ?
Toko 54 Miravoravoa ianao, ry Jerosalema izay momba tsy niteraka; ianao izay tsy nihetsi-jaza akory, manaova horakora-pifaliana ka mihobia satria hoy ny TOMPO aminao: "Ry ilay mpitondratena, maro ny zanakao noho ny zanaky ny manam-bady."
Toko 55 He! Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin'ny rano omeko! Na dia tsy manam-bola aza ianareo, avia maka sakafo, dia mihinana fa tsy ialam-bola izany ; avia maka divay na ronono, fa tsy vidina izany.
Toko 56 Izao no lazain'ny TOMPO: "Tandremo ny rariny ka manaova ny marina, satria akaiky ho tonga ny famonjeko ary efa hiharihary ny fanafahako.
Toko 57 Levona ny olo-marina nefa tsy misy miraharaha izany; alaina an-keriny ny olom-banona nefa tsy misy miraika amin'izany. Eny, ny famelezan'ny mpisompatra no akana an-keriny ny olo-marina.
Toko 58 Miantsoa mafy, fa aza atao malemy. Ataovy avo toy ny trompetra ny feonao. Vakio bantsilana amin'ny vahoakako ny fikomiany ary amin'ny taranak'i Jakoba ny fahotany.
Toko 59 Tsia, tsy fohy ny tanan'ny TOMPO fa mahavonjy, tsy lalodalovana ny sofiny fa mahare.
Toko 60 Mitsangana, ry Jerosalema o, mamirapirata, satria tonga ny famirapiratanao: ny voninahitry ny TOMPO no manazava anao toy ny masoandro miposaka.
Toko 61 Ny Fanahin'ny TOMPO ANDRIANANAHARY no ato amiko, satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin'ny malahelo, hanasitrana ny olona torotoro fo, hanambara fanafahana ho an'ireo babo sy famoahana ireo gadra avy ao am-ponja,
Toko 62 Tsy hangina aho noho ny fitiavako anao, ry Tsiona o, ary tsy hitsaha-miteny aho noho ny fitiavako anao, ry Jerosalema, mandra-piposaky ny fanafahana anao ho tahaka ny masoandro mamiratra, ary mandra-pibaliaky ny famonjena anao ho tahaka ny fanilo mirehitra.
Toko 63 Iza ary ity tonga avy any Edoma, avy any Botsera renivohiny, ka manao fitafiana miloko mena? Izato izy miraratra amin'akanjo marevaka, mijaridina amin'ny haben'ny heriny!-Izaho izany, hoy ny Tompo, dia Izaho izay mitory ny fanafahana sady manan-kery hamonjy !
Toko 64 Ho toy ny afo mampirehitra kitay rantsan-kazo na mampangotraka rano anie Ianao; ka ho fantatry ny fahavalonao ny lazanao ary hangovitra eo anatrehanao ny firenen-kafa,
Toko 65 Dia hoy ny TOMPO hoe: Efa vonona hamaly Aho saingy tsy nisy nanontany; efa niandry Aho, saingy tsy nisy nitady fanampiana tamiko; koa firenena izay tsy niantso Ahy akory no nanambarako hoe: " Inty Aho! Inty Aho !"
Toko 66 Izao no lazain'ny TOMPO: "Ny lanitra no seza fiandrianako ary ny tany no fitoeran-tongotro. Koa trano toa inona moa no hataonareo ho Ahy? Ary toerana toa inona no hialako sasatra?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0552