Isaià

Toko faha-12

1 Amin'izany andro izany, ry olona voaavotra, dia hiteny ianao ka hanao hoe: "Midera Anao aho, TOMPO o; fa na tezitra tamiko aza Ianao, dia afaka ny fahatezeranao ka nampionona ahy Ianao.

2 Indro Andriamanitra namonjy ahy, matoky Azy aho ka tsy mangovitra intsony. Ny TOMPO no heriko sy fiderako, fa Izy no mpamonjy ahy."

3 Amim-pifaliana no hantsakanareo eo amin'ny loharanom-pamonjena.

4 Amin'izany andro izany dia hiteny ianareo ka hanao hoe: "Midera ny TOMPO, antsoy ny anarany, ambarao amin'ny vahoaka rehetra ny asany, ampahatsiarovy azy fa tsy hay takarina ny anarany.

5 Ankalazao an-kira ny TOMPO fa asa lehibe no nataony; ary aoka hampahafantarina eran-tany izany!"

6 Mifalia sy miravoravoa, ry mponina ao Tsiona, fa lehibe Ilay eo anivonareo, dia Ilay Masin'i Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0554