Isaià

Toko faha-54

1 Miravoravoa ianao, ry Jerosalema izay momba tsy niteraka; ianao izay tsy nihetsi-jaza akory, manaova horakora-pifaliana ka mihobia satria hoy ny TOMPO aminao: "Ry ilay mpitondratena, maro ny zanakao noho ny zanaky ny manam-bady."

2 Halalaho ny faritry ny lay fonenanao, asio fanitarana ny ambain'ny lainao, ka aza anaovana fitsitsiana. Halavao ny tadin-dainao ka hamafiso ny tsatoka,

3 satria miely miankavanana sy miankavia ianao: ny taranakao hahazo indray ny tanin'ny firenen-kafa, ary koa hipetraka indray amin'ireo tanananao efa aolo.

4 Aza matahotra satria tsy ho menatra intsony ianao; aza mivoara mena fa tsy ho afa-baraka intsony ianao; eny, hohadinoinao ny henatra tamin'ny fahatanoranao, ary tsy hotsarovanao intsony ny fahafaham-baraka tamin'ny naha mpitondra tena anao.

5 Fa ilay mpanao anao no ho vadinao; ny TOMPOn'izao rehetra izao no anarany. Ilay Masin'i Israely no mpanavotra anao, dia ilay antsoina hoe "Andriamanitry ny tany tontolo."

6 Fa tahaka ny vady nariana ka ory am-panahy ianao nefa nampodin'ny TOMPO indray. Fa hoy ny Andriamanitrao aminao: "Ahoana no hanariana tanteraka ny vadin'ny fahatanorana?

7 Vetivety foana no nanariako anao, fa amin'ny indrafo lehibe no hampodiko anao.

8 Tamin'ny firongatry ny hatezerako no nandavako vetivety tsy hijery anao; fa amin'ny fitiavana mandrakizay kosa no anehoako indrafo aminao. Izaho TOMPO mpanavotra anao no milaza izany.

9 "Tamin'ny andron'i Noa, dia nianiana Aho fa tsy hanafotra ny tany intsony ny rano ; mianiana toy izany koa Aho ankehitriny fa tsy hisafoaka aminao na handrahona anao intsony.

10 Fa na dia hifindra hiala aza ny tendrombohitra ary na dia hihozongozona aza ny havoana, dia tsy hiala aminao ny fitiavako ary tsy hihozongozona ny fanekem-pihavanako mikendry ny hampiadam-pinaritra anao. Izaho TOMPO mpamindra fo aminao no milaza izany."

11 Ry ilay Jerosalema ory o, nasafotofoton'ny tafio-drivotra ianao saingy tsy nisy olona nampahery! Ka hoy ny teny hentitry ny TOMPO aminao: "Indro Aho hanangana anao amin'ny vato miloko, ary hamboatra ny fanorenanao amin'ny vato safira.

12 Hataoko vato robisa ny tilikambo madinika eny an-tampon'ny mandanao, hataoko vato kristaly ny vavahadinao ary hataoko vatosoa ny manda izay manodidina anao manontolo.

13 Izaho TOMPO no hahatonga ny zanakao rehetra ho mpianatro , ka hiadam-pinaritra fatratra ireo.

14 Hitombina mafy amin'ny fahamarinana ianao: hampanalaviriko anao ny famoretana, ka tsy hatahotra na inona na inona intsony ianao; hampanalaviriko anao ny fampihorohoroana, ka tsy hananontanona anao intsony.

15 Na dia misy miara-mioko aza, dia tsy avy amiko izany; sady na iza na iza miara-mioko hamely anao, dia ho lavo eo anoloanao izy.

16 Jereo fa Izaho ihany no nahary ny mpanefy izay mifofotra ny afon'arina ka mahavita fitaovam-piadiana hampiasaina amin'izay ilana azy; nefa Izaho ihany koa no nahary ny mpandrava izay hamotika izany fitaovam-piadiana izany.

17 Ny fiadiana isan-karazany tefena hamelezana anao dia tsy hahomby mihitsy; ary ny olona rehetra izay miampanga anao eo anoloan'ny fitsarana dia horesenao lahatra. Izany no ho anjaran'ireo mpanompoko, ary izany no rariny hananany avy amiko."

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0562