Isaià
Toko faha-61
1 Ny Fanahin'ny TOMPO ANDRIANANAHARY no ato amiko, satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin'ny malahelo, hanasitrana ny olona torotoro fo, hanambara fanafahana ho an'ireo babo sy famoahana ireo gadra avy ao am-ponja,2 hanambara ny taona hanehoan'ny TOMPO fanambinana sy ny andro hanafaizan'Andriamanitra ny fahavalony ary hitondra fampaherezana ho an'ny misaona rehetra.
3 Manao fisaonana an'i Tsiona ireo, kanefa hirahina aho hanome azy riba fehiloha ho solon'ny lavenona amin'ny lohany, hanome diloilo manitra ho solon'ny alahelo sy fitafiana fitondra amin'ny fety ho solon'ny toetra manjoretra. Amin'izay no hiantsoana azy ireo hoe: "Hazo vokatry ny fitahiana, saha nambolen'ny TOMPO mba hanehoany ny famirapiratany."
4 Haorina indray ireo zavatra rava fahiny, hatsangana indray ny trano nirodana taloha; ho havaozina ny tanana rava, dia ireo efa simba hatry ny ela be.
5 Vahiny no hitsangana hiandry ny ondry aman'osinareo, olona avy any an-kafa no hiasa ny tany sy hamboly voaloboka ho anareo.
6 Ianareo kosa dia hantsoina hoe: " Mpisorona ho an'ny TOMPO", na holazaina koa hoe: "Mpanao fanompoam-pivavahana ho an'ny Andriamanitsika. "Hanasoavana anareo ny fananan'ny firenen-kafa; ary ianareo no higalabona amin'ny voninahiny.
7 Efa nizaka henatra indroa heny ianareo sady afa-baraka sy nandroran'ny olona. Ka ho solon'izany, dia hoy IzahoTompo hoe: Handova anjara indroa heny eo amin'ny taniny ianareo ary hanana fifaliana maharitra mandrakizay.
8 Satria Izaho TOMPO dia tia rariny ka mankahala ny fandrobana an-kafetsena; homeko onitra ara-pahamarinana ianareo ary hanaovako fanekem-pihavanana mandrakizay."
9 Ho fantatra any amin'ny firenen-kafa ny taranakareo, ary eo anivon'ireo vahoaka ny solofonareo; izay rehetra mahita azy dia hiaiky fa taranaka tahin'ny TOMPO izy.
10 Hifaly dia hifaly amin'ny TOMPO aho; eny, hiravoravo amin'ny Andriamanitro satria ny famonjena no toa akanjo nampiakanjoany ahy ary ny fahamarinana no toa lamba nampitafiany ahy; ka faly toy ny mpampakatra misatroka fehiloha aho na toy ny ampakarina miraratra ny firavany.
11 Fa tahaka ny tany mampitrebona ny tsimoka eo aminy na tahaka ny zaridaina mampitsimoka ny voa nafafy no hampitsimohan'ny Tompo ANDRIANANAHARY ny fahamarinana sy ny fiderana eo anatrehan'ny firenena rehetra.