Isaià

Toko faha-25

1 TOMPO o, Ianao no Andriamanitro. Hanandratra Anao sy hankalaza ny anaranao aho, satria notanterahinao ny zava-mahagaga izay efa nokasainao hatry ny elabe sady mafy orina sy azo itokiana.

2 Nataonao lasa antontam-bato ny tanana, noravanao tokoa ny tanana mimanda; tsy vanon-ko tanana intsony ny lapan'ny mpiavonavona sady tsy hatsangana intsony na oviana na oviana.

3 Noho izany, dia hisy firenena matanjaka hanome voninahitra Anao; ary ny tananan'ireo firenena lozabe dia haneho fanajana Anao.

4 Fa Ianao tokoa no fiarovana mafy ho an'ny osa; eny, fiarovana mafy ho an'ny malahelo Ianao amin'ny andro mampahory azy ireny. Fialofana amin'ny orana Ianao sady alokaloka amin'ny hainandro, satria ny fisafoaky ny mpanjakazaka dia toy ny oram-batravatra hamely tamboho

5 na toy ny hainandro mitarika tany karakaina. Resenao ny tabataban'ny mpiavonavona; eny, toy ny andrakofan-drahona ny hainandro no ampanginana tsy ho re intsony ny hiram-pandresen'ny mpanjakazaka.

6 Eto amin'ity tendrombohitra Tsiona ity, ny TOMPOn'izao rehetra izao dia hanao fanasana ho an'ny firenena rehetra, fanasana amin'ny hena matavy omban-divay niotrika ela, dia hena matavy be sy feno tsoka ary divay niotrika ela sady voadio tsara.

7 Eto Izy no hanafoana ny voalim-pisaonana izay nanarona ny vahoaka rehetra, hanafoana ny lambam-pahoriana izay nandrakotra ny firenena rehetra.

8 Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana. Hofafan'ny Tompo ANDRIANANAHARY ny ranomaso amin'ny tava rehetra , ary ho esoriny ny fahafaham-baraka nahazo ny vahoakany manerana ny tany. Izany no nampanantenain'ny TOMPO.

9 Amin'izany andro izany no hilazana hoe: "Indro ny Andriamanitsika. Nanantena Azy isika, hany ka novonjeny. Eny, Izy no TOMPO nantenaintsika, koa mifalia sy miravoa isika fa novonjeny!

10 Fa hipetraka amin'ity tendrombohitra ity ny tanam-piarovan'ny TOMPO! "Fa i Moaba kosa ho hosihosena eo amin'ny toerany toy ny fanosihosy mololo ao am-pahitra tondra-drano.

11 Ao izy no hitsiparaoka tanana toy ny fanaon'ny mpilomano; nefa hampietry ny avonavon'i Moaba ny TOMPO na dia eo aza ny hamailaky ny tanany.

12 Ary ny mandanao mafy sy sarotra iakarana, ry Moaba, dia efa nazeran'ny TOMPO sy narodany ka nilamaka an-tany hiafara am-bovoka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0759