Isaià
Toko faha-52
1 Mifohaza ianao, ry Tsiona o, mifohaza ka tafio indray ny herinao; tafio indray ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema tanana masina! Satria tsy hiditra ao aminao intsony ny tsy mifora sy ny olona maloto ara-pivavahana.2 Ahintsano ny vovoka nandrakotra anao, ka mitsangana; dia aoka ho amin'ny sezafiandriananao indray no hipetrahanao, ry Jerosalema o! Ny fatorana mangeja ny tendanao dia aoka ho vahanao, ry Tsiona babo!
3 Fa izao no lazain'ny TOMPO amin'ny vahoakany: "Maimaimpoana no nanolorana anareo handevozina, ka tsy handaniana vola ny hanavotana anareo."
4 Izao koa no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Tamin'ny voalohany dia nidina tany Ejipta ny vahoakako mba hivahiny; avy teo dia ny Asirianina no nampahory azy tsy amin'antony.
5 Ary amin'izao toe-javatra ankehitriny eto izao, inona no tombony azoko? "Ka hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: "Natao babo maimaimpoana ny vahoakako. Mirehaka manakora ny mpanjakazaka mampahory azy; ary hamavoina isan'androny anarako.
6 Noho izany, dia ho avy ny andro hahalalan'ny vahoakako ny anarako; ka amin'izay no hahafantarany fa Izaho mihitsy no Ilay miteny hoe: Inty Aho. "
7 Endrey tsara tokoa ery an-tendrombohitra ny famindran'ilay mpitondra hafatra , izay manambara fiadanana sy mampita hafatra mahasambatra ary manambara famonjena,ka manao amin'i Tsiona hoe: "Mpanjaka ny Andriamanitrao."
8 Injany ny feon'ireo napetrakao ho mpitily! Manandra-peo izy ka miara-mihorakoraka-pifaliana, satria mahita maso ny fiverenan'ny TOMPO ao Tsiona.
9 Manaova horakora-pifaliana ka redony ny hiram-pihobiana, ry toerana rava ao Jerosalema, satria efa nampahery ny vahoakany ny TOMPO sady efa nanavotra an'i Jerosalema!
10 Nahariharin'ny TOMPO teo imason'ny firenen-kafa rehetra ny hery maneho ny fahamasinany ka hahita ny famonjen'Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra.
11 Miala ianareo mpitondra ny fanaky ny TOMPO, miala, mivoaha avy ao Babilona. Aza mikasika izay maloto , fa aoka hadio ianareo no mivoaka tao!
12 Satria tsy hikoropaka ianareo raha miainga hivoaka ny tanana, ary tsy hihorohoro raha miala teto; fa ny TOMPO no hialoha lalana anareo ary ny Andriamanitr'i Israely no hovodilalanareo.
13 Indro fa hahomby ny Mpanompoko; hisandratra ho avo izy ka hapetraka eo amin'ny toeram-boninahitra ambony indrindra.
14 Marobe ny olona no tsiravina raha nijery azy satria niova loatra ny endriny ka tsy toy ny endrik'olona akory; ary ny tarehiny tsy toy ny tarehin'olombelona intsony.
15 Firenen-kafa maro kosa no ho talanjona ny aminy; ka hitampim-bava eo anatrehany aza ireo mpanjaka, satria izay tsy mbola notantaraina taminy no hitany ary izay tsy mbola reny akory nosaintsaininy.