Isaià

Toko faha-22

1 Hafatra momba ny lohasahan'ny fahitana. Fa inona ity mahazo anareo no miakatra eny an-tampon-trano, ry mponin'i Jerosalema?

2 Nahoana no maresaka be ny tanana ary feno antsoantso sy tabataba?Tsy matin-tsabatra anefa ireo maty eo aminao ary tsy maty novonoina tamin'ny ady.

3 Nitsoaka nandositra ireo mpitari-tafikao, azo babo noho ny tifitra tsipika izy. Nataon'ny fahavalo sambo-belona avokoa izay hitany, hatramin'ireo efa nitsoaka nandositra lavitra aza.

4 Izany no itenenako aminareo hoe: "Aza mijery ahy intsony fa aleo aho hitomany mafy. Aza misahirana mampionona ahy akory noho ny fandringanana nanjo ny fireneko.

5 Satria amin'ity andro anio ity ny Tompo ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao no mandefa fisavoritahana sy faharesena ary fahaverezan-kevitra ho antsika. "Rava ny manda eo amin'ny lohasahan'ny fahitana ary manako hatrany an-tendrombohitra ny antso vonjy!

6 Mitondra tsipika sy zana-tsipika ny Helamita, sady mitaingina kalesy sy soavaly; ary mamelatra ampinga ny mpiady avy any Kira.

7 Feno kalesy sy soavaly, ry Jerosalema, ny lohasahanao tsara indrindra; milahatra eo am-bavahadinao ireny,

8 ka tsy misy fiarovana ho an'i Joda intsony. Tamin'izany andro izany, dia nojerenareo ny fitaovam-piadiana napetraka hitoby tao amin'ilay trano antsoina hoe "Lapan'ny Ala ",

9 ary hitanareo ny banga maro amin'ny mandan'ny tananan'i Davida. Tao amin'ny fitobian-drano ambany no namorianareo rano.

10 Nisainareo ny trano tao Jerosalema ka noravanareo ny sasany mba hahamora ny hiarovana ny manda.

11 Nanamboatra dobon-drano teo anelanelan'ny manda roa ianareo mba halehan'ny rano mihoatra avy amin'ny fitobian-drano taloha. Nefa tsy mba nojerenareo akory Ilay nanao izao toe-javatra izao; efa nanomana izao hatry ny ela Izy saingy tsy hitanareo.

12 Tamin'izany andro izany dia niantso anareo ny Tompo ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao mba hitomany sy hitoloko, hanaratra volon-doha sy hitondra lamba fisaonana.

13 Kanjo fifaliam-be no nataonareo: novonoina ny omby sy ny ondry ka fihinanan-kena sy fisotroan-divay moa izao! "Andeha isika hihinana sy hisotro fa rahampitso dia ho faty, hoy ianareo."

14 Koa ny TOMPOn'izao rehetra izao dia mampandre ahy ny hafatra hoe: "Mianiana Aho fa mandra-pahafatinareo dia tsy havelako mihitsy izany helokareo izany. Izaho Tompo ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao no efa niteny. "

15 Izao no voalazan'ny TOMPO ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao: "Ndeha mankany amin'i Sebna, mpanolotsain'ny mpanjaka sady lehiben'ny lapa ka mitenena aminy hoe:

16 -Inona no anao aty ary inonao no aty, no mampandoaka ny fasana hilevenanao ety amin'ny havoana ety ianao ary mandavaka ny fonenanao rahatrizay ety amin'ny harambato ety?

17 Indro ny TOMPO hamely anao indray mipaoka monja, rangahy, dia hataony an-kitapo ianao

18 sy hahorony toy ny bolabolan-javatra ka hakodiadiany ho any amin'ny tany anankiray izay misy faritra malalaka. Any no hahafaty ny tenanao mbamin'ny kalesim-boninahitrao, ry ilay manala baraka ny ao an-tranon'ny tomponao.

19 Horoahiko hiala amin'ny toeranao ianao ary hoesoriko amin'ny andraikitrao.

20 Amin'izany andro izany, dia hantsoiko i Eliakima, zanakalahin'i Hilkia mpanompoko,

21 ka hampitafiako ny akanjonao, sy hampietrako ny fehikibonao ary hotolorako ny fahefanao. Ho an'ny mponin'i Jerosalema sy ny fanjakan'i Joda dia hanjary ray i Eliakima.

22 Hapetrako eo an-tsorony ny fanalahidin'ny lapan'i Davida; ka raha hamoha varavarana izy dia tsy hisy hanidy, ary raha hanidy izy dia tsy hisy hamoha.

23 Halentiko toy ny tsatoka eo amin'ny toerana mafy izy, ka ho tonga anaram-boninahitra ho an'ny fianakavian-drainy."

24 Kanefa hihantona hitambesatra eo amin'i Eliakima avokoa ny sampan'ny fianakavian-drainy na ny lehibe na ny kely, ka tahaka ny fanaka madinika isan-karazany, hatramin'ny lovia ka hatramin'ny siny, mihantona amina tsatoka anankiray.

25 Amin'izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPOn'izao rehetra izao, dia hiletsy ilay tsatoka natsatoka teo amin'ny toerana mafy; hiala izy ka hianjera, ary ho vaky avokoa ireo entana rehetra nahantona teo. Izany no nambaran'ny TOMPO.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.055