Isaià

Toko faha-31

1 Lozan'izay midina any Ejipta mba hitady famonjena! Ny soavaly no ianteherany; ny kalesy no itokiany satria maro ireny; ary ny mpitaingin-tsoavaly no antenainy, satria mahery tokoa ireny; fa tsy andrandrainy akory ilay Masin'i Israely ary tsy anontaniany mihitsy ny TOMPO.

2 Izy koa anefa mahay zavatra, afaka mahatonga loza ary tsy mitsoaka amin'izay nolazainy. Eny, ny TOMPO efa nitsangan-kamely ny antokon'ny olon-dratsy ary koa ireo mpanao heloka izay fitadiavam-pamonjena.

3 Olombelona ihany ny Ejiptianina fa tsy Andriamanitra akory; nofo ihany ny soavaliny fa tsy fanahy; koa vao maninji-tanana ny TOMPO, dia ho solafaka izany mpamonjy izany, hianjera koa ilay natao harovany ary hiara-devona izy roa tonta.

4 Izao no nolazain'ny TOMPO tamiko: "Rehefa ny liona na ny liona tanora no mierona hiambina ny remby azony eo anoloan'andiana mpiandry ondry izay tafangona hamely azy, dia tsy matahotra ny antsoantson'ireo izy na lasa mitsoaka noho ny tabatabany. Ho tahaka izany koa Aho, hoy ny TOMPOn'izao rehetra izao, rehefa midina hiady eo an-tendrombohitra Tsiona na eo amin'ilay havoany."

5 Tahaka ny vorona mamelatra ny elany no hamelaran'ny TOMPOn'izao rehetra izao ny fiarovany amin'i Jerosalema; ka sady hiaro no hanafaka azy ny Tompo, eny, sady hitsimbina no hamonjy azy.

6 Ry Israelita o, miverena amin'Ilay efa niodinanareo lavitra.

7 Amin'izany andro izany, dia samy hanary ny sampy volafotsy sy volamena ianareo tsirairay avy, dia ireo sampy namboarin'ny tananareo feno heloka.

8 Tsy sabatra nataon'ny olona ilay sabatra handavo ny Asirianina; ary tsy sabatra an'olombelona ilay sabatra handringana azy. Handositra eo anoloan'io sabatra io ny Asirianina; ary ny miaramila voafantiny dia hampanaovina asa an-terivozona.

9 Ny mpanjakany handositra noho ny tahotra, ary ny manamboninahiny ho kivy ka hitsoaka hamela ny fanevany. Izany no teny hentitry ny TOMPO izay manana ny fatana fandoroany aoTsiona sy ny lafaorony miredareda ao Jerosalema.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0776