Isaià

Toko faha-57

1 Levona ny olo-marina nefa tsy misy miraharaha izany; alaina an-keriny ny olom-banona nefa tsy misy miraika amin'izany. Eny, ny famelezan'ny mpisompatra no akana an-keriny ny olo-marina.

2 Nefa ho tonga ny fandriampahalemana, ka hatory milamina eo am-pandriany avy izay mizotra amin'ny hitsiny.

3 Fa ianareo kosa manatona eto, ry zanaky ny mpamosavy, taranaky ny lehilahy mpanitsakitsa-bady sy ny vehivavy janga !

4 Iza moa no esoesoinareo? Iza no isanasananareo vava sy itrangatranganareo lela? Tsy ianareo ve no zanaka mpikomy sy taranaka mpandainga?

5 Maimay ery ianareo teny akaikin'ny hazo terebinta sy ny hazo maitso rehetra matevin-dravina. Nanao sorona zaza ianareo teny amoron'ny lohasahan-driaka sy teny an-tsefatsefaky ny harambato.

6 Koa ny vato kilonjy eny amin'ny lohasahan-driaka no indreo zavatra ifikiranao, ry Israely; eny, ireny tokoa no zavatra ifikiranao! Fa ireny no andrarahanao fanatitra divay sy anoloranao fanatitra ho hanina; ka dia hahatsindry fo ve IzahoTompo amin'izany toe-javatra izany?

7 Teny an-tendrombohitra avo manerinerina no nametrahanao ny fandrianao; teny koa no niakaranao hanolotra sorona.

8 Tao ambadiky ny tolam-baravarana no nametrahanao ny ody fampahatsiarovana anao. Fa lavitra Ahy kosa no nitanjahanao sy niakaranao hankeo am-pandrianao ary nanalalahanao ny toerana teo. Dia nividy sakaiza maro ianao, ka finaritra matory miaraka aminy; ary nobanjininao ilay rantsam-batany.

9 Nivezivezy nankany amin'i Moloka ianao ka nitondra diloilo sy zava-manitra betsaka; nandefa solotena hatrany lavitra any ianao, ka moa va tsy hatrany amin'ny toeran'ny maty no nampietrenao ny tenanao.

10 Sasatra ianao tamin'ny lalan-davitra nalehanao, kanefa tsy loa-bolana hoe: "Kivy aho izany! "Nahazo hery indray aza ianao, ka tsy nahatsiaro reraka.

11 Fa iza no nahinao sy natahoranao no dia namadika Ahy ianao, ka tsy nahatsiaro Ahy intsony sy nandroaka Ahy tao am-ponao? Efa nangina hatry ny ela Aho, ka izany angaha no tsy anajanao Ahy?

12 Kanefa hovakiko bantsilana ny fihamboanao ho marina sy ny asanao; ka tsy hahasoa anao akory ireny.

13 Rehefa miantso vonjy ianao, dia aoka ireo sampinao no hamonjy anao, dia ireo sampy maro voaangonao. Kanefa hopaohin'ny rivotra ireny; tsio-drivotra mihelina dia hahalasa azy! Fa izay mialoka amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masina.

14 Ny TOMPO efa niteny hoe: "Ataovy mitovy tantana ny lalana, ataovy mitovy tantana ny lalana ka sokafy, esory ny sakantsakana amin'ny lalan'ny vahoakako."

15 Fa ankehitriny ilay Avo manerinerina, ilay mandrakizay ny fonenany sady masina ny anarany, dia manao izao teny izao: "Any amin'ny toerana avo sy masina no onenako, nefa koa ao amin'ny torotoro fo sy manetry tena mba hamelombelona ny fanahin'ireo manetry tena sy hamelombelona ny fon'ireo torotoro fo.

16 Fa tsy hanakiana lava Aho na ho tezitra hatrany; raha tsy izany dia ho faty eo anatrehako ny manam-pofonaina noariko.

17 Ny fahadisoan'ny vahoakako no nahatezitra Ahy vetivety. Noho Izaho tezitra no nikapohako azy sady tsy netezako hijery azy. Nefa nikomy hatrany izy ka nanaraka ny ditran'ny fony,

18 ary hitako ny fitondrantenany. Saingy izao no lazaiko: Hanasitrana ny vahoakako Aho, ka hitari-dalana sy hampahery azy. Ary ho an'ireo olony misaona kosa,

19 dia horakora-pifaliana no hataoko eo amin'ny molony. Ka hoy AHO hoe: Fiadanana hoan'izay lavitra, fiadanana ho an'izay akaiky ! Eny, hanasitrana ny vahoakako Aho."

20 Fa ny olon-dratsy kosa dia toy ny ranomasina misamboaravoara sady tsy afaka mitoetra milamina; fa mamoaka loto sy fotaka ny ranony.

21 Tsy misy fiadanana ho an'ny olon-dratsy, hoy ilay Andriamanitro.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.055