Isaià
Toko faha-36
1 Tamin'ny taona faha-14 nanjakan'i Hezekia no nahatongavan'i Saneheriba mpanjakan'i Asiria hanafika ny tanana mimanda rehetra tany Joda ka nahazoany ireny.2 Ary ny mpanjakan'i Asiria izay tao Lakisy, dia naniraka ny dekany notronin'ny miaramila marobe hankany amin'i Hezekia mpanjaka, any Jerosalema. Nijanona takaikin'ny lakan-drano mankany amin'ny dobo ambony ilay iraka, teo amin'ny lalana mankamin'ny sahan'ny Mpanasa lamba.
3 Dia i Eliakima, zanakalahin'i Hilkia sady mpiandraikitra ny lapa, no niainga hitsena azy niaraka tamin'i Sebna mpitantsoratra ary i Joa, zanakalahin'i Asafa sady mpitondra tenin'ny mpanjaka.
4 Dia hoy ilay deka tamin'izy telo lahy: "Ndeha lazaonareo amin'i Hezekia ny hafatry ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asiria, manao hoe: -Mba inona moa izao toky ianteheranao izao?
5 Noheveriko fa vitan'ny kobaka am-bava ny anao ny tetika sy herim-po hoenti-miady! Koa iza no itokianao no mba sahy mikomy amiko izato ianao?
6 I Ejipta ve? Io volotara vaky manindrona sy mandrobaka ny tanan'izay mitehina aminy io ve ? Fa toy izany ny Farao mpanjakan'i Ejipta amin'izay rehetra matoky azy.
7 Angamba ianao hamaly ahy fa ny TOMPO Andriamanitrareo no itokianareo. Kanefa dia ianao indrindra, ry Hezekia, no nanafoana ny toeram-pisoronana aman' alitarany ka nandidy ny mponin'i Joda sy Jerosalema mba tsy hiankohoka afa-tsy eo anoloan'ny alitaran'i Jerosalema ihany?"
8 "Koa aoka hifanamby amin'ny andriamanjakan'i Asiria izay tompoiko ianao, fa homeko soavaly roa arivo ianao raha manana olona afaka hitaingina ireo.
9 Hataonao ahoana moa no hampandositra ny komandy iray amin'ireo manamboninahitry ny tompoko ireo, na dia izay bitika indrindra aza, raha tahiny ka i Ejipta no itokianao hahazoana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly?
10 Ary ankehitriny, moa hamely sy handrava ity tany ity ve ilay mpanjaka tompoiko raha tsy sitraky ny TOMPO izany? Tsia, fa ny TOMPO mihitsy no nanome baiko azy hamely sy handrava ity tany ity."
11 Dia hoy i Eliakima sy i Sebna ary Joa tamin'ilay deka asirianina: "Mba teny aramianina re atao aminay , satria azonay ihany izany; fa aza itenenana hebreo izahay noho ny amin'ireo olona eny ambony manda mihaino antsika."
12 Fa hoy ny navalin'ilay deka hoe: "Moa ho an'ny tomponao sy ho anao ihany va no nanirahan'ny Tompoko ahy hilaza izany teny izany fa tsy ho an'ny olona izay mipetraka eny ambony manda koa? Fa ho voatery tahaka anareo izy atsy ho atsy hihinana ny dikiny sy hisotro ny fivalanan-dranony."
13 Dia nijaridina ilay deka, ka nihiaka mafy tamin'ny teny hebreo hoe: "Henoy ny tenin'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asiria,
14 fa izao no lazainy:"Aza mety ho fitahin'i Hezekia ianareo, fa tsy afaka hamonjy anareo izy tsy akory.
15 Ary aza mety hotarihiny hitoky amin'ny TOMPO raha ilazany fa ny TOMPO no hamonjy anareo ka hisakana ahy tsy haka ity tanana ity.
16 Aza mihaino an'i Hezekia ianareo, fa izaho mpanjakan'i Asiria kosa miteny aminareo hoe: Manaova fanekem-pihavanana amiko ianareo ary samia mibaboka aty amiko; dia samy hihinana ny voalobony sy ny aviaviny ary samy hisotro ny rano avy ao amin'ny lava-pantsakany avy,
17 Ho avy aho atsy ho atsy hitondra anareo ho any amin'ny tany tahaka ny anareo, dia tany be varim-bazaha hanaova-mofo sy tany be voaloboka hanaovan-divay.
18 Koa aza mety ho voafitak'i Hezekia fotsiny ianareo amin'ny hoe hamonjy anareo ny TOMPO. Moa nisy nahavonjy ny taniny tsy hiharan'ny fahefako ve ireo andriamanitry ny firenen-kafa?
19 Aiza ny andriamanitr'i Hamata sy i Arpada? Aiza ny andriamanitr'i Sefarvaima? Moa nisy nahavonjy an'i Samaria tsy ho azoko ve ireo andriamaniny ?
20 Tsy nisy tamin'ny andriamanitr'ireo tany ireo nahavonjy ny taniny tsy hiharan'ny fahefako; koa ahoana no hahafahan'ny TOMPO hamonjy an'i Jerosalema tsy hiharan'ny fahefako?"
21 Fa nangina ny vahoaka teo ary tsy nisy namaly na dia teny indraim-bava aza, satria izany no baikon'i Hezekia mpanjaka.
22 Ary i Eliakima zanakalahin'i Hilkia sady lehiben'ny lapa sy i Sebna mpitantsoratra ary i Joa zanakalahin'i Asafa sady mpitondra tenin'ny mpanjaka dia niverina nankany amin'i Hezekia, rehefa avy nandriatra fitafiana, ka nitatitra taminy ny tenin'ilay deka asirianina.