Isaià
Toko faha-39
1 Tamin'izany fotoana izany i Merodaky-Baladana, zanakalahin'i Baladana sady mpanjakan'i Babilona, no nandre fa narary i Hezekia ary efa sitrana. Dia nandefa iraka hitondra taratasy sy fanomezana ho azy izy.2 Ary faly i Hezekia tamin'ny fahatongavan'ireto iraka; dia nasehony azy ny trano fitahirizana zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena ary zava-manitra sy menaka mamerovero; nasehony azy koa ny trano fitobian'ny fitaovam-piadiana rehetra mbamin'ny zavatra hafa isan-karazany tao amin'ny fitoeran-drakiny. Tsy nisy zavatra nafeniny azy na ny tao an-dapany na ny tao amin'ny fanjakany manontolo.
3 Taorian'izany dia nankany amin'i Hezekia mpanjaka i Isaia mpaminany ka nanontany azy hoe:-Inona no nolazain'ireny olona ireny? Avy aiza hono izy no nankaty aminao? Dia novalian'i Hezekia hoe:-Avy any Babilona lavitra any izy no nankaty amiko.
4 Ka hoy indray i Isaia:-Inona avy anefa no hitany tato an-dapanao? Dia hoy ny navalin'i Hezekia:-Izay rehetra ato an-dapako dia hitany avokoa. Tsy nisy zavatra nafeniko azy ny tao amin'ny fitoeran-drakitro manontolo.
5 Dia hoy i Isaia tamin'i Hezekia: "Henoy ny tenin'ny TOMPOn'izao rehetra izao:
6 Indro ho avy ny andro hitondrana any Babilona izay rehetra ato an-dapanao sy izay rehetra nangonin'ireo razanao hatramin'izao.Tsy hisy tavela eto na inona na inona, hoy Izaho TOMPO.
7 Ary na dia ny sasany amin'ireo taranakao aza dia ho entina any koa ho mpanompo hanao raharaha ao an-dapan'ny mpanjakan'i Babilona ".
8 Ary hoy i Hezekia tamin'i Isaia: "Tsara ny tenin'ny TOMPO izay nambaranao." Fa hoy izy manko anakampo hoe: "Hisy fiadanana sy fandriampahalemana izany amin'ny androko."