Isaià
Toko faha-24
1 Indro ny TOMPO fa hanimba ny tany ka handrava azy; havadiny ambony ambany izy ary haeliny ny mponina eo aminy.2 Koa hitovy ihany ny hanjo ny mpisorona sy ny vahoaka, ny tompolahy sy ny mpanompolahiny, ny tompovavy sy ny mpanompovaviny, ny mpivarotra sy ny mpividy, ny mpampindrana sy ny mpindrana ny mpampisambo-bola sy ny mpisambo-bola.
3 Ho simba sy ho rava tanteraka ny tany. Fa izao teny izao no nambaran'ny TOMPO:
4 Misaona sy malazo ny tany, milofika sy malazo izao tontolo izao, milofika miaraka amin'ny tany koa ny habakabaka any ambony any.
5 Ny tany dia voaloton'ny mponina ao aminy fa nandika ny lalanan'ny Tompo ireny, tsy nanaraka ny fitsipika fa nivadika tamin'ny fanekem-pihavanana izay maharitra mandrakizay.
6 Koa levon'ny ozon'Andriamanitra ny tany; ary mitondra fahoriana ny mponina eo aminy noho ny heloka nataony; hihena ireo ka vitsy dia vitsy no hotavela.
7 Misaona ny divay vaovao fa milofika ny rantsam-boaloboka, misento avokoa ireo mpifalifaly am-po.
8 Nitsahatra ny gadona firavoana amin'amponga, nijanona ny horakorak'ireo mpanao korana, nitsahatra koa ny feo fifaliana amin-dokanga.
9 Tsy misy divay ho sotroina intsony ka foana ny hirahira; mangidy mbamin'ny toaka eo am-bavan'ny mpisotro.
10 Rava ilay tanana feno zava-poana; mihidy ny trano rehetra ka tsy azo idirana.
11 Mitaraina ny olona eny an-dalambe fa tsy misy intsony ny divay; nanjavona ny firavoravoana rehetra ary tsy nisy fifaliana intsony teo amin'ny tany.
12 Zava-mampahonena sisa no tao an-tanana, rava sy montsamontsana ny vavahady!
13 Ny eto ambonin'ny tany sy eo anivon'ireo firenena dia ho tahaka ny oliva avy nahintsana sy ho tahaka ny voaloboka avy notazana ka tsy ahitana zavatra firy intsony.
14 Izay sisa velona no manandratra ny feony ka mihoby ny fahalehibiazan'ny TOMPO; avy any andrefana any izy ireo no manao horakora-pifaliana hoe:
15 Aoka homem-boninahitra ny TOMPO any amin'ny faritra atsinanana! Ilay TOMPO Andriamanitr'i Israely, aoka homem-boninahitra ny anarany eny amin'ny tany amoron-dranomasina!
16 Hatrany am-paran'ny tany no andrenesanay hira hoe: "Voninahitra anie ho an'Ilay Marina!" Fa hoy kosa aho anakampoko hoe: "Vita ny amiko, vita ny amiko." Lozan'ireo mpamadika! Mamadika tokoa ny mpamadika; eny, mamadika hatrany izy.
17 Fampihorohoroana sy longoa ary fandrika harato no miandry anareo, ry mponina eto an-tany.
18 Koa izay mandositra ny kiakiaka vokatry ny fampihorohoroana, dia ho latsaka ao anatin'ny longoa; ary izay tafakatra avy ao amin'ny longoa dia ho voan'ny fandrika harato. Misokatra ny hidin-drano any ambony , ka mihozongozona ny fanorenan'ny tany.
19 Vakivaky ny tany ary tena mitresaka; voadona mafy izy ka mihotsaka.
20 Mivembena toy ny mamo ny tany ary mihevingevina toy ny trano bongo, fa mitambesatra aminy ny heloka vitany ka potraka izy ary tsy afa-miarina intsony.
21 Amin'izany andro izany, dia hirotsaka an-tsehatra any ambony any ny TOMPO ka hamely ny andian'ireo planeta aman-kintana; ary hirotsaka an-tsehatra ety an-tany koa Izy ka hamely ny mpanjakan'ny tany.
22 Hangonina ho ao an-davaka toy ny gadra avokoa ireny, ka hohidiana an-trano maizina; ary rehefa ela ny ela, dia hiseho fitsarana izy rehetra.
23 Amin'izay noho ny henatra dia hivoaramena ny volana ary hivaloarika ny masoandro; fa ny TOMPOn'izao rehetra izao no hanjaka ao Jerosalema, eo an-tendrombohitra Tsiona, sady hamirapira-boninahitra eo anatrehan'ireo loholony.