Isaià
Toko faha-38
1 Tamin'izany andro izany, dia narary efa ho faty i Hezekia. Tonga nitsidika azy i Isaia mpaminany, zanakalahin'i Amotsa, ary nilaza taminy ny tenin'ny TOMPO hoe: "Ataovy ny fara hafatrao amin'ny ankohonanao, satria efa ho faty ianao fa tsy ho velona."2 Dia nitodika tany amin'ny rindrina i Hezekia ka nivavaka tamin'ny TOMPO,
3 ary nanao hoe: "TOMPO o, tsarovy fa nitondra tena tamim-pahamarinana sy tamin-kitsimpo teo anatrehanao aho ary nanao izay tsara eo imasonao! " Dia nitomany nanao ranomaso havozona i Hezekia.
4 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Isaia nandidy
5 handeha hilaza amin'i Hezekia hoe: "Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Davida razambenao: Reko ny vavakao ary hitako ny ranomasonao, ka hampiako15 taona ny andro hiainanao.
6 Ny tenanao sy i Jerosalema dia hafahako eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asiria; ary ity tanana ity dia harovako noho ny amin'ny tenako sy i Davida mpanompoko."
7 Dia novaliany hoe: "Izao no famantarana omen'ny TOMPO anao mba hahalalanao fa hotanterahiny tokoa izay nolazainy.
8 Ny tohatr'i Ahaza , izay azon'ny masoandro anikeheo, dia efa nidinan'ny aloka; indro fa hampihemorin'ny TOMPO ambaratonga folo izany aloka izany. "Dia azon'ny masoandro indray ny ambaratonga folo izay efa nidinan'ny aloka teo.
9 Ity tononkalo ity dia nosoratan'i Hezekia mpanjakan'i Joda, rehefa avy narary izy ka sitrana tamin'ny aretiny:
10 Hoy aho anakampo hoe: Amin'izao andro mbola iadanako izao no tsy maintsy hahalasanako! Eo am-baravaran'ny fonenan'ny maty no hamaranako ny taonako sisa rehetra.
11 Hoy koa aho hoe: Tsy hahita ny TOMPO intsony aho eto amin'ny tanin'ny velona; ary any amin'ny fiafaran'ny zavatra rehetra dia tsy hahita endrik'olona intsony aho.
12 Fa nongotanao ny fonenako ka nafindranao lavitra ahy toy ny lain'ny mpiandry ondry. Ahoronao toy ny tenona ny fiainako ka efa ho tapaka ny haraka. -Indray andro monja, TOMPO o no anaperanao ny aiko;
13 ka alohan'ny maraina, dia ho vita ny amiko.-Toy ny liona mihitsy ny TOMPO nanapatapaka ny taolako rehetra. -Indray andro monja, TOMPO o, no anaperanao ny aiko.-
14 Koa mikiakiaka toa sidintsidina aho ary mitoloko toa voromahailala. Tsy mahajery lanitra intsony ny masoko,-Tompo o, tena trotraka aho, ka aoka mba hiantohanao.-
15 Inona ary no holazaiko sy hoteneniko amin'ny TOMPO? Eny, Izy no nanao an'izao. Handeha mijoretra aho amin'ny taonako sisa rehetra fa mangidy amiko loatra izao.
16 -TOMPO o, fantatrao izay nanjo ahy ka namelona ahy indray Ianao; naverinao ny heriko ary notahirizinao ny aiko.
17 Indro niova ho fahasambarana ilay fahoriako nangidy dia nangidy. Fatra-pitia ahy Ianao ka tsy namela ahy ho faty; fa narianao any ivohonao ny heloko rehetra.
18 Any amin'ny toeran'ny maty tokoa dia tsy misy afaka midera Anao; ireo nindaosin'ny fahafatesana tsy mba afaka mankalaza Anao; izay tafidina any am-pasana tsy hanantena ny toetranao mahatoky.
19 Ny velona ihany no afaka hidera Anao, dia tahaka ahy izao anio izao sy tahaka ireo ray aman-dreny izay hampahalala ny zanany fa tena mahatoky tokoa Ianao.
20 TOMPO o, efa namonjy ahy Ianao. Koa hankalaza Anao izahay miaraka amin'ny feon-dokanga ao an-tranonao, TOMPO o , amin'ny androm-piainanay rehetra.