Isaià
Toko faha-6
1 Tamin'ny taona nahafatesan'i Hozia mpanjaka no nahitako ny TOMPO nipetraka teo amin'ny sezafiandrianana avo dia avo; ary nahafeno ny tempoly ny rebareban'akanjony.2 Nisy serafima nitsangana teo amboniny, izay samy manana elatra enina avy: ka ny roa nanakona ny endrika, ny roa nanakona ny vatana, ary ny roa nanidinany.
3 Ary niantso mafy ireo ka nifamaly hoe:"Masina, masina, masina ny TOMPOn'izao rehetra izao! Feno ny voninahiny ny tany manontolo!"
4 Nipararetra ny fanambanin'ny tokonana noho ny hamafin'ny feon'ireo serafima ireo, sady feno setroka ny trano.
5 Dia hoy aho hoe: "Lozako, very aho satria olona maloto molotra sady eto amin'ny firenena maloto molotra no itoerako; kanefa ny Mpanjaka, ilay TOMPOn'izao rehetra izao, no hitan'ny masoko!"
6 Kinanjo nanidina nanatona ahy ny iray tamin'ireo serafima, nitondra vainafo teny an-tanany, dia vainafo avy nalainy tamin'ny tandra teo amin'ny alitara.
7 Natehiny tamin'ny vavako izany, ary hoy izy tamiko:"Indro efa nitehika ny molotrao ity; koa afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao."
8 Dia reko ny feon'ny TOMPO nanontany hoe:-Iza no hirahiko, ary iza no ho mpitondrateninay? Dia namaly aho hoe:-Inty aho, iraho aho.
9 Dia hoy indray Izy hoe:-Ndeha lazao amin'ity firenena ity hoe:"Mihainoa ihany ianareo fa tsy handre, mijere ihany fa tsy hahita."
10 Ataovy tonga mafy fo ity firenena ity, ataovy tonga mafy sofina izy ary ataovy tonga jamba ny masony, fandrao ny masony hahita, ny sofiny handre ary ny fony hahafantatra ka hiverina amiko izy ary hositrana.
11 Tamin'izay dia nanontany aho hoe:-Mandra-pahoviana anefa,Tompo o? Dia namaly Izy hoe:-Mandra-pahasimba ny tanana ka tsy hisy mponina intsony, mandra-paharava ny trano ka tsy hisy olona tavela ary mandra-pahalao tokoa ny tany.
12 Eny, halefan'ny TOMPO any lavitra any ny mponina ka ho betsaka ny saha hilaozana eo amin'io tany io.
13 Raha misy ampahafolon-tany tsy tratry ny loza aza, dia mbola hodorana amin'ny afo ihany koa izany; saingy ho tahaka ny hazo terebinta na ny oaka izay mamela fototra ihany na voakapa aza. Kanefa avy amin'izany fototra tavela izany no hisian'ny taranaka masina indray.