Isaià
Toko faha-46
1 Nihareraka i Bela, niletsy i Nebao. Napetraka teo ambony biby mpitondra entana ny sarivongan'ireo andriamanitr'i Babilona ireo; izay filanja tamin'ny laharam-pihobiana dia toy ny enta-mifatratra no fitondra azy, ka mavesatra amin'ireto biby efa reraka.2 Niletsy sy nihareraka ireo andriamanitra ka tsy afa-mamonjy ny sarivongany intsony: na dia ny tenany aza lasan-ko babo.
3 Mihainoa Ahy TOMPO, ry taranak'i Jakoba, dia ianareo rehetra sisa velona amin'ny taranak'i Israely, ianareo izay nokarakaraiko hatrany am-bohoka sy notrotroiko raha vao teraka.
4 Tsy hiova Aho, na dia mandra-pahantitrareo aza; hanohana anareo Aho mandra-pahafotsin'ny volonareo. Izaho no nanao anareo sy nitrotroanareo hatrany; eny, Izaho no hanohana anareo sy hamonjy anareo.
5 Iza moa no ampitovinareo amiko ary hanoharanareo Ahy? Iza no hampifandanjanareo amiko ka hahitana fifanahafana aminay?
6 Misy olona mandanilany foana ny volany; mandanja volamena sy volafotsy amin'ny mizana izy, dia manarama olona mpanefy firavaka mba hamboatra ireny ho andriamanitra izay hivavahany sady hiankohofany tokoa.
7 Izy ireo ihany no mibata ny andriamaniny sy mitondra azy eny an-tsoroka sady mametraka azy eo amin'ny toerany, dia mijanona eo iny fa tsy mahahetsika. Raha iantsoana vonjy izy, dia tsy mamaly sady tsy mahavonjy amin'ny fahoriana.
8 Ry mpikomy, izao no tsarovy ka ento manovo hery indray ary diniho tsara ao am-ponareo.
9 Tsarovy ny zavatra taloha teo am-piandohanareo: Eny, Izaho no Andriamanitra ka tsy misy hafa. Izaho no Andriamanitra; ka zava-poana avokoana inona na inona ampitahaina amiko.
10 Efa hatrany am-piandohana no nilazako ny zavatra hitranga aty aoriana; ary efa hatry ny ela be no nilazako ny zavatra tsy mbola niseho. Hoy Aho hoe: "Ny fikasako, dia ho tanteraka hatrany; ary izay rehetra sitrako dia hataoko."
11 Toy ny vorona mpihaza avy any atsinanana, avy any an-tany lavitra any, no niantsoako ilay lehilahy izay hanatanteraka ny fikasako. Fikasana noteneniko izany sady hotanterahiko, fikasana novolavolaiko sady hotontosaiko.
12 Mihainoa Ahy ianareo, ry olona mafy fo izay mihevi-tena ho lavitra ny fanafahana:
13 Hampanatoniko ny fanafahako fa tsy ho lavitra intsony. Tsy hitaraiky intsony ny famonjena, fa Izaho no hanome azy ao Tsiona; eny, zavatra mamirapiratra no homeko an'i Israely.