Isaià
Toko faha-13
1 Hafatra momba an'i Babilona araka ny fahitan'i Isaia, zanakalahin'i Amotsa.2 Hoy ny TOMPO hoe: "Manangana faneva eo an-tendrombohitra mangadihady. Ampandreneso amin'ny koka lava ireo mpiady. Hofahofay tanana izy mba hiditra amin'ny vavahadin'ny miaramila manolo-tena.
3 Izaho mihitsy no mibaiko ireo voatokana ho Ahy Izaho koa no niantso ireo mpiady mahery, dia ireo faly handresy ho voninahitro mba hanehoana ny fahatezerako."
4 Henoy izany horakoraka any an-tendrombohitra fa toy ny feon'ny vahoaka marobe. Henoy izany fitabatabana ataon'ny fanjakana sy firenena maro tafavory: ny TOMPOn'izao rehetra izao no misafo ny andian-tafika hiady.
5 Tonga avy any an-tany lavitra ireo, avy any am-paravodilanitra any ho enti-mandrava manontolo io tany io: ny TOMPO sy ireo fitaovan'ny fahatezerany izany.
6 Manaova kiakiakam-pisaonana, satria akaiky ny andron'ny TOMPO; toy ny loza tsy hay tohaina no firongany avy amin'Andriamanitra Tsitoha.
7 Noho izany dia hiraviravy tanana ny besinimaro ary ho ketraka ny fon'ny olona rehetra.
8 Ho very hevitra tokoa izy noho ny fanaintainana sy ny fahoriana mahazo azy ka hiolanolana toy ny vehivavy hiteraka. Talanjona izy mifampijery ka mivaloarika ny tarehiny.
9 Indro avy ny andron'ny TOMPO, andro ombam-pahatezerana tsy azo ivalozana sy isehoam-pahavinirana mirehitra, ka hahatonga izany tany izany ho hay sady handringanana ny mpanota tsy ho ao intsony.
10 Ny kintana eny an-danitra, na ny telonohorefy aza, dia tsy hampamirapiratra ny fahazavany intsony; vao miposaka ny masoandro dia ho maizina, ary ny volana tsy handefa ny tarany intsony.
11 Hoy ny TOMPO hoe: "Hirotsaka an-tsehatra Aho hamaly ny faharatsian'izao tontolo izao sy ny heloka vitan'ny olon-dratsy. Hatsahatro ny fireharehan'ny mpiavonavona ary haetriko ny rehaky ny mpanao didy jadona.
12 Hataoko mahalana ny olombelona ka ho saro-tadiavina noho ny volamena madio, mahalana ka ho saro-tadiavina noho ny volamena avy any Ofira aza."
13 Ny lanitra dia hihozongozona ary ny tany hihovitrovitra eo amin'ny toerany noho ny fahatezeran'ny TOMPOn'izao rehetra izao, dia amin'ny andro hirehetan'ny fahavinirany.
14 Amin'izany ny olona ho tahaka ny gazela hazaina na ho tahaka ny ondry aman'osy tsy misy mpiandry, ka samy ho lasa any amin'ny fireneny avy sy handositra any amin'ny taniny avy.
15 Izay rehetra ho hita ao Babilona dia ho gorobaky ny tsipika, ary izay rehetra ho tratra ao dia hovonoina ho faty amin'ny sabatra.
16 Hotorotoroina eo imasony ny zanany madinika ary horobaina ny tranony sady hosavihina ny vadiny.
17 Hoy ny TOMPO hoe: "Indro hampirisihiko hamely azy ny Medianina izay tsy tia volafotsy sady tsy mankamamy volamena.
18 Haringany amin'ny tsipikany ny tanora, tsy hamindrany fo ny zaza vao teraka, ary tsy hiantrany akory ny ankizy."
19 I Babilona, izay ravaky ny fanjakana sady tabiha sy reharehan'ny Babilonianina, dia ho ravan'Andriamanitra tahaka an'i Sodoma sy i Gomora.
20 Tsy honenana intsony i Babilona ary tsy hisy mponina mandrakizay. Tsy hanorin-day ao ny mpifindrafindra lasy ary tsy hampandry ondry ao ny mpiandry ondry.
21 Sakadia no hiorim-ponenana ao ary vorondolo no hameno ny tranony. Vorombe no hanao akany ao ary osidia no hifalihavanja ao.
22 Ny fosa no hinaonaona ao an-tranobeny, ary ny amboadia no honina ao an-dapany. Akaiky ho tonga ny oran'i Babilona; ary tsy hisy hataka andro intsony ho azy.