Isaià
Toko faha-35
1 Aoka hiravoravo ny taniefitra sy ny tany karankaina! Aoka hifaly ny tany ngazana ka hamony voninkazo meva toy ny lisy.2 Aoka ho rakotra voninkazo izy ka hitotorebika sy handihy ary hihorakora-pifaliana! Satria nomen'ny TOMPO azy ny voninahitr'i Libano mbamin'ny famirapiratan'ny tendrombohitra Karmela sy ny famirapiratan'ny lemak'i Sarona. Amin'izay no hahitana ny voninahitry ny TOMPO sy ny famirapiratan'ilay Andriamanitsika.
3 Ampaherezo ny tanana miraviravy ary hatanjaho ny lohalika malemy.
4 Lazao amin'izay kivy hoe: "Mahereza, aza matahotra; indro ny Andriamanitrareo tonga hitondra famaizana ka hanasazy ny fahavalonareo; Izy mihitsy no tonga hamonjy anareo."
5 Dia hahiratra ny mason'ny jamba ary handre ny sofin'ny marenina.
6 Hitsambikina toy ny diera ny mandringa, hiteny an-kafaliana ny lelan'ny moana , satria hiboiboika any an-taniefitra ny rano ary hisy ranon-driaka any amin'ny tany ngazana.
7 Ny tany karakaina hanjary farihy, ny tany mangentana hiboiboika loharano. Ary eo amin'ny toerana famitsahan'ny amboadia dia hanirian'ny volotara sy ny zozoro.
8 Any no hisy arabe voamboatra hantsoina hoe "lalana voatokana". Tsy hahazo handalo eo izay maloto ary tsy hitonantonana eo ny mpanompo sampy; fa ny Tompo dia hisava izany lalana izany, ho an'ny vahoakany ihany.
9 Tsy hahitana liona io lalana io sady tsy hiakaran'ny biby masiaka; tsy hisy ho hita eo ireny fa izay nafahan'ny Tompo no handeha eo.
10 Izany no lalana hiverenan'ireo navotan'ny TOMPO, ka hahatongavany ao Tsiona amin'ny fihobiana; haravoana mandrakizay no ho eny amin'ny endriny, hafaliana sy haravoana no hanenika azy fa handositra kosa ny alahelo aman-tsento.