Isaià
Toko faha-43
1 Ankehitriny kosa izao no lazain'ny TOMPO Izay nahary anao, ry firenen'i Jakoba sy namorona anao, ry vahoaka Israely: "Aza matahotra ianao, fa efa navotako; ny anaranao no efa niantsoako anao, ka Ahy ianao.2 Raha mamakivaky ny rano ianao, dia homba anao Aho; raha miampita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao ireny; raha mandeha eo anivon'ny afo ianao, dia tsy ho may akory fa tsy handoro anao ny lelafo.
3 Satria Izaho no TOMPO Andriamanitrao, ilay Masin'i Israely no mpamonjy anao. Nomeko hanavotana anao i Ejipta; ary nataoko solonao i Etiopia sy i Seba.
4 Satria sarobidy eo imasoko ianao, manan-danja amiko sady tiako. Koa nanome olona ho solonao Aho sy firenena maro ho takalon'ny ainao.
5 Aza matahotra fa momba anao Aho. Avy any atsinanana no hamerenako ny taranakao,avy any andrefana no hanangonako ireo olonao.
6 Hoy Aho amin'ny avaratra: "Omeo Ahy ireo", ary amin'ny atsimo: "Aza hazonina izy!" Avereno amiko ny zanako lahy avy any lavitra sy ny zanako vavy avy any am-paran'ny tany,
7 dia izay rehetra mitondra ny anarako sady noariko sy novolavolaiko mba hanome voninahitra Ahy.
8 Avoahy ny olona mana-maso nefa jamba, ary manan-tsofina nefa marenina.
9 Aoka hiangona ny firenena rehetra ary hivory ny olombelona! Iza amin'ireo andriamanitrareo no mahalaza aminay ny zava-nitranga? Aoka izy hanambara aminay ny zava-niseho voalohany. Aoka hasehony ny vavolombelony mba haneho ny fahamarinany; ary aoka ny vavolombelony hihaino azy ka hanamafy hoe: "Marina izany!"
10 Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Ianareo vahoakako no vavolombeloko, ianareo no mpanompoko izay nofidiko mba hahafantaranareo sy hitokianareo Ahy ary hahatakaranareo ny maha Izaho Ahy; talohako dia tsy nisy Andriamanitra ary tsy hisy handimby Ahy aoriako.
11 Izaho dia Izaho ihany no TOMPO, ka tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.
12 Izaho no nanambara sy nanome ny famonjena ka nampahafantatra izany rahateo, fa tsy nisy andriamani-kafa tao aminareo. Koa ianareo no vavolombeloko, hoy ny teny hentitra avy amikoTOMPO; ary Izaho no Andriamanitra.
13 Eny, hatrizay hatrizay dia izany no maha Izaho Ahy. Tsy misy maharombaka izay eo an-tanako, ary tsy misy mahaova izay ataoko.
14 Izao no lazain'ny TOMPO mpanavotra anareo, dia ilay Masin'i Israely: "Noho ny fitiavako anareo dia haniraka olona hankany Babilona Aho, mba hamaha ny hidy rehetra.
15 Izaho no TOMPO, ilay Masinareo, Mpahary an'i Israely sady mpanjakanareo."
16 Izao no lazain'ny TOMPO, ilay nanokatra lalana tany an-dranomasina sy nitari-dalana teo anivon'ny rano manonja,
17 Ilay nampamoaka ny kalesy sy ny soavaly ary ny miaramila sy ny andian-tafika mahery, dia indray lavo ireo ka tsy tafarina intsony, sempotra ka maty toy ny lahin-jiro milofika; eny, izao no lazain'ny TOMPO ankehitriny:
18 "Aza tsaroanareo intsony ny zava-niseho voalohany , aza itodihana intsony ny lasa.
19 Fa hanao zavatra vaovao Aho; ary ankehitriny efa mipoitra sahady izany, ka ho hainareo fantarina tokoa. Eny, hisava lalana any an-taniefitra Aho sady hampandriaka ony an-tany karakaina.
20 Dia hanome voninahitra Ahy ny bibidia mbamin'ny amboahaolo sy ny vorombe, satria manisy rano any an-taniefitra Aho sy nampandriaka ony an-tany karakaina mba hampisotroako ny vahoaka nofidiko,
1 dia ilay vahoaka noforoniko ho Ahy ka hitantara ny antony hiderany Ahy. "
22 Dia izao koa no lazain'ny TOMPO: "Tsy Izaho no nantsoinao, ry firenen'i Jakoba; ary efa sasatra tamiko aza ianao, ry vahoaka Israely.
23 Tsy ho Ahy no nitondranao zanak'ondry hatao sorona dorana manontolo, ary tsy ho fanomezam-boninahitra Ahy ny soronao. Tsy nampanompo anao tamin'ny fitakiana fanatitra Aho na nanasatra anao tamin'ny fitakiana vovo-javamanitra.
24 Tsy ho Ahy no namoizanao volafotsy mba hividianana veromanitra; ary tsy Izaho no novokisanao tamin'ny jaboran'ny soronao. Fa ianao no nampanompo Ahy tamin'ny fahotanao sy nanasatra Ahy tamin'ny helokao.
25 Kanefa Izaho dia Izaho mihitsy no mamela ny fahadisoanao noho ny amin'ny tenako ihany, ka tsy ho tsarovako intsony ny fahotanao.
26 Ampahatsiarovy Ahy hoe ny fanakiananao Ahy, dia avia hifandahatra momba izany isika; ka ianao no aoka hanao famisavisana mba hahitana ny mahamarina anao!
27 Ilay razanao voalohany efa nanota, ary ireo mpitondra teninao efa nikomy tamiko.
28 Koa dia nataoko afa-baraka ireo mpiandraikitra ny Toeramasina, natolotro haringana ny firenen'i Jakoba ary navelako ho latsaina ny vahoaka Israely.