Isaià
Toko faha-47
1 Midina ambany ka mipetraha amin'ny vovoka, ry vahoaka mponin'i Babilona, hoy ny TOMPO; mipetraha amin'ny tany, ry renivohitry ny Kaldeanina fa tsy misy sezafiandrianana ho anao intsony, satria ianao tsy hantsoina intsony hoe: "Babilona tsara tarehy" na "Babilona mirenty".2 Maka vato fikoseham-bary ka mitotoa koba. Asehoy ny randranao, akaro ny morontongotr'akanjonao, asehoy ny ranjonao, hahazoanao mita ny renirano.
3 Aoka hiseho ny fitanjahanao ary ho hita izay mahamenatra anao. Hanao valifaty tokoa Aho ka tsy misy mahasakana Ahy ,
4 hoy Ilay Mpanavotra anay. Ny TOMPOn'izao rehetra izao no anarany, dia Ilay Masin'i Israely.
5 Mipetraha mangina ianao ary misitriha any amin'ny maizina, ry renivohitry ny Kaldeanina, satria ianao tsy hantsoina intsony hoe: "Tompovavin'ny fanjakana maro".
6 Tezitra mafy tamin'ny vahoakako Aho, ka navelako hotevatevaina ilay anjara fananako. Natolotro teo an-tananao izy, kanefa tsy mba namindranao fo fa nampitondrainao zioga mavesatra hatramin'ny beantitra aza.
7 Nihambo haharitra mandrakizay ianao ka ho tompovavin'izao tontolo izao hatrany, fa tsy noeritreretinao akory izay niseho ary tsy noheverinao akory izay hoavy aoriana.
8 Ry tanana tia fahafinaretana sady mipetraka tsy manana ahiahy, ianao miteny anakampo hoe: "Izaho dia tsy manan-tsahala! Tsy ho mpitondratena mihitsy aho ary tsy ho faty anaka na oviana naoviana. "Fa ankehitriny henoinao kosa izao:
9 Amin'ny indray andro monja dia hihatra tampoka aminao ireto loza roa ireto: ho faty zanaka ianao sady hanjary mpitondratena. Eny, hihatra aminao avokoa ireo, na dia maro aza ny ody fampiasanao ary na dia zavontany aza ny fankatovanao.
10 Natoky ireo ody ratsy fanefitrao ianao, ka nanao hoe: "Tsy misy mahita ahy. "Nefa ny fahendrena sy ny fahalalana nihamboanao hananana ihany no nampivadika atidoha anao, ka nampiteny anao anakampo hoe: "Izaho dia tsy manan-tsahala!"
11 Koa indro hihatra aminao ny loza izay tsy hainao avily hidify anao; indro hiantonta aminao ny fahavoazana izay tsy azonao iarovan-tena; eny, hihatra tampoka aminao ny faharavana, dia faharavana izay tsy ampoizinao.
12 Tohizo ihany ary ny fitokavanao sy ny ody maro fampiasanao izay efa niezahanao hatry ny fahatanoranao; angamba hahazoanao tombontsoa izany na koa hampitahoranao izay mananontanona anao.
13 Vizana manontany ireo mpanandro ianao. Aoka hiseho sy ho avy hamonjy anao ireo mpamariparitra ny lanitra sy ireo mpandinindinika ny kintana ka mampahafantatra isaky ny tsinam-bolana izay zavatra tsy maintsy ho tonga aminao!
14 Ho toy ny mololo no hanjo ireo mpanandro ireo: ho main'ny afo izy ka tsy hahavonjy tena ho afaka amin'ny herin'izany lelafo izany; fa tsy ho vainafo kely hanendasa-mofo izany na ho fatan'afo tsotra natao hamindroana!
15 Izany, ry Babilona, no hanjo ireo mpimasinao izay efa nisasaranao nanontaniana hatry ny fony ianao mbola tanora. Samy handeha amin'izay halehany izy, fa tsy hisy na dia iray aza hahavonjy anao.