Isaià

Toko faha-21

1 Hafatra momba ny taniefitra amoron-dranomasina. Tahaka ny tadio mamakivaky an'i Negeba no fiavin'ny fahavalo avy any an-taniefitra, avy any amin'ny tany anankiray mahatahotra.

2 -Misy fahitana mahatsiravina naseho tamiko ny amin'izany. Lasa mpamadika fatra-pamadika sy mpandrava fatra-pandrava tokoa ny firenena sakaiza fahiny. "Miakara hanafika, ry Helamita; ataovy fahirano ny tanana, ry Medianina, fa hatsahatro ny fampihorohoroan

3 Izany no nahafeno fanaintainana ny tehezako manontolo. Nahatsiaro naharary aho toy ny fahararin'ny vehivavy mihetsi-jaza; taitra mafy aho nony nandre izany, raiki-tahotra aho nony nahita.

4 Very hevitra aho ary nangovitra noho ny tahotra; nandrasako ny hariva hampangatsiatsiaka ahy, kanjo nivadika ho fampihorohoroana ahy izany.

5 Naroso ny sakafo, navelatra ny lambanana,dia nihinana sy nisotro ny olona. Kanjo vetivety teo nisy niantso hoe: "Mitsangana, ry mpitari-tafika, hosory menaka ny ampinga!"

6 Fa izao tokoa no nolazain'ny TOMPO tamiko: "Ndeha mametraka mpitily ianao, ka aoka io no hanambara izay hitany!

7 Raha kalesy tarihin-tsoavaly no tazany na koa boriky na rameva manao andiany, dia tokony ho mailo izy, eny, tokony ho mailo tsara."

8 Teo dia niantso ilay mpitily nanao hoe: "Teo amin'ny toeram-piambenako, tompoko, no nijanonako tontolo andro, ary teo amin'ny toeram-pitiliako no nijoroako nandritra ny alina.

9 Ka indro ery tamy ny lehilahy iray mitaingin-kalesy tarihin-tsoavaly sady niloa-bava niteny hoe: Rava, rava i Babilona! Torotoro miraraka amin'ny tany avokoa ny sarivongan'ny andriamaniny rehetra !"

10 Ry fireneko, izay voavely toy ny vary eo am-pamoloana, izany no reko tamin'ny TOMPOn'izao rehetra izao, dia ilay Andriamanitr'i Israely, ka ampahafantariko anareo. 11. Hafatra momba an'i Doma. Nisy niantso ahy avy ao Sehira hoe: "Ry mpiambina o, toy inona alina moa izao? Ry mpiambina o, toy inona alina moa izao?"

12 Dia namaly ny mpiambina hoe: "Tonga ny maraina nefa mbola alina ihany! Raha mbola te hanontany ianareo, dia miverena indray. "

13 Hafatra miloha teny hoe "Eo an-tany lava volo". Any an-kirihitr'ala, eo an-tany lava volo, no aoka handrianareo amin'ny alina, ry andian'olona avy any Dedana!

14 Ianareo mponin'ny faritr'i Tema , ndeha tsenao ireo mangetaheta ka itondray rano, ndeha atreho ireo mpandositra ka omeo hanina.

15 Fa nandositra teo anoloan'ny sabatra ireny, teo anoloan'ny sabatra tsy nitsitsitsitsy sy teo anoloan'ny tsipika nihenjana ary teo anoloan'ny ady mahery vaika.

16 Fa izao no voalazan'ny TOMPO tamiko: "Amin'ny herintaona toy izao anio izao, dia ho levona avokoa ny voninahitr'i Kedara.

17 Ho vitsy kely sisa no tavela amin'ireo mpandefa tsipika sy ireo miaramila voafantin'i Kedara. " Izany no tenin'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0545