Isaià

Toko faha-18

1 Lozanao, ry tany misy ireo lakana manana elatra izay manara-morona ny onin'i Etiopia!

2 Irahinao ny masoivoho izay mandeha lakan-jozoro eny ambonin'ny ranon'i Neily.-Miverena ianareo, ry iraka faingam-pandeha, any amin'ireo olona ranjanana sy malandilandy, any amin'ilay firenena atahorana hatreto ka hatrany am-paran'ny tany, any amin'ilay firenena matanjaka izay manosihosy ny fahavalony. Miverena any amin'ny taninareo izay vakivakin'ny ony maro.

3 Ianareo rehetra mponina amin'izao tontolo izao ka mipetraka eto ambonin'ny tany, mijere rehefa atsangana eny an-tendrombohitra ny faneva famantarana, mihainoa raha vao maneno ny anjomara.

4 Fa izao no nolazain'ny TOMPO tamiko: "Avy ety amin'ny fonenako ambony ety no andinihako izay miseho, ka tsy mihontsona mihitsy Aho toy ny hafanana migaingaina apariakan'ny masoandro sy toy ny raho-manify amin'ny fotoam-pijinjana."

5 Fa alohan'ny fotoam-pijinjana, rehefa tapitra namelana avokoa ny valoboka ary rehefa tonga voa sy mihamasaka ny voniny, dia horantsanana amin'ny hety ny rantsany, ary hotapahina ny sakeliny sy ny raviny.

6 Izany rehetra izany dia hilaozana ho an'ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ny bibidia eny ambonin'ny tany; ao no handany fahavaratra ny vorona mpihaza ary handany ririnina ny bibidia rehetra.

7 Amin'izany fotoana izany dia hanolotra fanomezana ho an'ny TOMPOn'izao rehetra izao ireo olona ranjanana sy malandilandy, dia ilay firenena atahorana hatreto ka hatrany am-paran'ny tany, ilay firenena matanjaka izay manosihosy ny fahavalony sady vakivakin'ny ony maro ny taniny. Any an-tendrombohitra Tsiona izay hitoeran'ny TOMPOn'izao rehetra izao no hanolorany izany fanomezana izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0562