Isaià

Toko faha-16

1 Avy ao Sela any an-taniefitra no alefaso ny ondrilahin'ilay mpifehy ny tany ho any amin'ny tendrombohitraTsiona.

2 Ireo vehivavin'i Moaba dia very hevitra eo am-pitana ao Arnona toy ny vorona mivezivezy voaroaka tao amin'ny akaniny.

3 Nangataka tamin'i Jerosalema ny Moabita hoe: "Manaova fivoriana ary manapaha hevitra. Izao antoandro be izao ny fiarovanao dia ataovy mihanaka aminay toy ny ampielezan'ny alina ny haizina; ka afeno ireo olona voaroaka ary aza aseho ireo mandositra avy aty aminay.

4 Avelao hitoetra ao aminao izay voaroaka ary aoka ho fierena ho azy ianao eo anoloan'ny mpandringana azy! Fa rehefa hitsahatra ny famoretana sy ny fandringanana ary tsy hisy amin'ny tany intsony ny mpampahory,

5 dia ny fitiavana nasehonao no hanorenana mafy ilay sezafiandrianana ho an'ny taranak'i Davida; hisy mpitsara hipetraka eo sady hombam-pahamarinana ka hitandro ny rariny sy ho fatra-pandala ny hitsiny."

6 Efa renay ny avonavon'i Moaba izay mpiavonavona mihoa-pampana; efa renay ny fireharehany sy ny fizahozahoany ary ny vava tafahoatra sy ny rediredim-poana ataony.

7 Nefa ankehitriny dia midradradradra ny amin'i Moaba ny Moabita. Eny, samy mitaraina izy rehetra ny amin'ny ampempam-boalobok'i Kira-Heresa , ka mitoloko fa tena voa mafy.

8 Simba ny zaridaina ao Hesbona sy ny voly voaloboka ao Sibma, kanefa ny divainy no nahamamo ny andrian'ireo firenena. Nitatra hatrany Jahizera izany voly voaloboka izany, ka nisandrahaka hatrany an-taniefitra; ary ny sampany nandadilady hatrany ampitan'ny Ranomasina Maty.

9 Koa izany no itomaniako ny voly voaloboka any Sibma miaraka amin'ny mponin'i Jahizera. Hataoko kotsan'ny ranomasoko ianareo, ry Hesbona sy Elehale, fa niharan'ny akoran'ady ny fiotazanareo sy ny fijinjanareo:

10 Nitsahatra ny koranam-pifaliana avy eny amin'ny saha famokaram-boankazo; ary tsy re intsony ny horakora-pihobiana eny amin'ny tanimboaloboka; sady tsy misy mpanosihosy voaloboka intsony ao amin'ny toeram-pamiazan-boaloboka no tsy ahitan-divay ao anaty barika, fa efa nitsahatra ny akoram-pifaliana.

11 Mitaraina toy ny feon-dokanga ny foko noho ny amin'i Moaba; eny, mitaraina ny ato anatiko noho ny amin'i Kira-Heresa.

12 Hita ho sasa-poana tokoa i Moaba miakatra eny amin'ny toeram-panasinany sy miditra ao amin'ny tempoliny mba hitalaho amin'ny sampiny, nefa tsy nisy vokany izany.

13 Izany ary no teny nataon'ny TOMPO fahiny momba an'i Moaba.

14 Fa ankehitriny dia hoy ny TOMPO hoe: "Raha afaka telo taona androany, na ny olo-mangan'i Moaba na ny sarambabem-bahoaka ny dia samy ho tsinontsinona. Izay sisa tavela aminy dia vitsy kely tsy misy lanjany akory."

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0572