Isaià

Toko faha-17

1 Hafatra momba an'i Damasy. Hitsahatra tsy ho tanana intsony i Damasy , fa ho tonga korontam-bato sisa.

2 Ho lao mandrakizay mandrakizay ireo tanana manodidina azy, ka ho tonga fitobian'ny ondry aman'osy ary handry am-pilaminana ao ireny, fa tsy hisy mpanelingelina azy.

3 Tsy hisy manda fiarovana intsony any Efraima ; tsy hisy fanjakana intsony koa any Damasy, ary izay sisa tavela amin'ny Sirianina dia tsy hisy lanjany noho ny Israelita. Izany no teny hentitry ny TOMPOn'izao rehetra izao.

4 Amin'izany andro izany dia hihena ny lanjan'ny taranak'i Jakoba ary ny hatavezany hanjary fahiazana.

5 Ho tahaka ny amoriana ny vary amin'ny fararano sy anangonana ny salohim-bary eo an-trotroana izany; eny, ho tahaka ny anangonana salohim-bary ao amin'ny lohasahan'ny Refaita izany,

6 ka tsy hisy amin'ny taranak'i Jakoba afa-tsy sombintsombiny sisa ho tsimponina. Ary ho tahaka ny fanintsanana voan'oliva izany, ka voany roa na telo no sisa eny an-tendrony, efatra na dimy eny amin'ny rantsany mahavokatra. Izany no teny hentitry ny TOMPO, Andriamanitr'i Israely.

7 Amin'izany andro izany, dia hitodika amin'Ilay Mpahary azy ny olona ary hanandratra ny masony ho amin'ilay Masin'i Israely.

8 Tsy hitodika any amin'ny alitara namboariny intsony izy ary tsy hijery ireo sampy nataon'ny tanany, na ny tsatokazo fanajana an'i Asera na ny fandoroana vovo-javamanitra.

9 Amin'izany andro izany, dia hilaozana ireo tanana mimandan'i Israely, tahaka ny nandaozana ny tananan'ny Hivita sy ny Amorita fahiny tamin'ny nahatongavan'ny Israelita; ka taniefitra mampalahelo no ho hany tavela.

10 Nohadinoinao, ry Israely, ilay Andriamanitra mpamonjy anao ary tsy notsarovanao ilay vatolampy fiarovanao; ka namboly zavatra faingam-paniry ho an'ny sampy ianao sy namafy masomboly ho an'ny andriamani-tsiizy.

11 Tamin'ny andro nambolenao azy dia hitanao nitombo ny voly; ary vao maraina iny ihany, dia hitanao nitsimoka ny voa. Kanjo tonga ny andron'ny loza ka nanjavona ny vokatra ary tsy ahitam-panafana intsony ny aretina.

12 Andray izany firodorodon'ny vahoaka maro be toy ny fikotrokotroky ny ranomasina misafoaka! Andray izato fitrenan'ireo firenena, tahaka ny fidoboky ny onja mahery!

13 Ny fitrenan'ireo firenena dia toy ny fitrenan'ny ranomasimbe. Nefa rahonan'ny Tompo izy ireny ka lasa mandositra lavitra, toy ny akofa paohin'ny rivotra eny an-tendrombohitra sy tahaka ny vonin-javatra atambolimbolin'ny tadio.

14 Vao takariva dia injao ny horohoro, tsy maraina akory dia efa foana izany. Toy izany no hanjo izay nandroba antsika sy ho anjaran'izay namabo antsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.059