Isaià

Toko faha-58

1 Miantsoa mafy, fa aza atao malemy. Ataovy avo toy ny trompetra ny feonao. Vakio bantsilana amin'ny vahoakako ny fikomiany ary amin'ny taranak'i Jakoba ny fahotany.

2 Isan'andro isan'andro dia mitady Ahy izy ary maniry hahafantatra ny lalako, tahaka ny firenena iray manao ny marina ka tsy nanary ny fitsipik'ilay Andriamaniny. Ny fitsarana araka ny rariny no angatahiny amiko ary ny fanatrehako azy no zavatra iriny.

3 Kanefa manontany Ahy izy manao hoe: "Soa inona ho anay ny mifady hanina, raha tsy hitanao akory izany? Soa inona ho anay ny mampahory tena, raha tsy ahoanao akory izany? "Izao kosa no amaliako azy: Indro fa amin'ny andro ifadianareo hanina dia manenjika ny tombontsoanareo ihany ianareo ka manjakazaka amin'ny mpiasa rehetra eo aminareo.

4 Indro sady mifady hanina ianareo no mbola miady sy mifanditra ihany ary mamely totohondry mahery vaika. Tsy ny fifadianareo hanina tahaka izany no handrenesako ny feonareo any amin'ny avo.

5 Moa fifadian-kanina toy izany ve no tiako, amin'ny andro ampahorin'ny olona tena? Ny hampiondrika ny loha toy ny zozorosy ny hitafy lamba fisaonana ary ny hatory mihosin-davenona: izany ve no ataonareo hoe fifadian-kanina sy andro ankasitrahina eo amikoTOMPO?

6 Tsia, fa ny fifadian-kanina tiako dia izao: ny mamaha ny olona voafatotra tsy an-drariny, ny manaisotra ny zioga mitambesatra aminy, ny manafaka ireo ampahorina ka manapatapaka izay zioga rehetra mangeja azy.

7 Ny hizaranao ny haninao ho an'ny noana sy hampiantrano anao ireo mahantra mirenireny, ny hampitafinao izay hitanao fa miboridana ka tsy hampihirimbelona anao eo anatrehan'ny namanao.

8 Amin'izay dia hiposaka toy ny maraina ny fahazavanao ary ho tonga haingana ny fahasitrananao. Ny fanafahana anao no hialoha lalana anao, ary ny TOMPO mihitsy no ho vodilalanao.

9 Rehefa miantso ianao, dia hamaly anao ny TOMPO; rehefa mitady vonjy ianao, dia hovaliany hoe: "Inty Aho. "Raha foananao eo aminao ny ziogam-pamoretana mbamin'ny fanendrikendrehana sy ny fitenenan-dratsy,

10 raha zarainao ho an'ny noana ny haninao ka manome sakafo ireo sahirana ianao, dia hamirapiratra ao amin'ny haizina ny fahazavanao ary ho toy ny mitatao vovonana ny haizim-pitonao.

11 Hitari-dalana anao hatrany ny TOMPO; na dia ao amin'ny tany karakaina aza ianao, dia hovokisany hanina sy hampahatanjahiny. Hanjary mahate hijery toy ny saha vonton-drano ianao na toy ny loharano miboiboika tsy mety ritra.

12 Noho ny ezakao, dia haorina indray ireo zavatra rava fahiny ary hatsangana indray ny fanorenana izay efa nilaozana hatry ny elabe; ary ianao dia hantsoina hoe:"Vahoaka mpamboatra ny manda simba sy mpamelona ny lalankely efa maty mba ho tsara honenana ao an-tanana."

13 Hoy koa ny TOMPO hoe: "Raha atsahatrao ny fanosihosena ny sabata, ka tsy ny tombontsoanao no enjehinao amin'ny andro voatokana ho Ahy, raha ny sabata no lazainao hoe andro mahafinaritra, raha ny andro voatokana ho Ahy no lazainao hoe mendrika hohajaina, raha hajainao tokoa izany ka fadinao ny fanaonao na ny manenjika ny tombontsoanao na ny miteniteny foana,

14 dia ho tonga loharanom-pifaliana ho anao Aho. Izaho TOMPO no hitondra anao ho mpandresy eny an-tendron-kavoan'ilay tany ka hampanaram-po anao amin'ny lovan'i Jakoba razanao. Fa ny vavako no mampanantena izany."

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0962