Isaià
Toko faha-65
1 Dia hoy ny TOMPO hoe: Efa vonona hamaly Aho saingy tsy nisy nanontany; efa niandry Aho, saingy tsy nisy nitady fanampiana tamiko; koa firenena izay tsy niantso Ahy akory no nanambarako hoe: " Inty Aho! Inty Aho !"2 Nanolo-tanana hatrany Aho tamina vahoaka mpikomy, dia olona manaraka ny lalan-dratsiny sady mirona amin'ny saim-pantany.
3 Vahoaka mampahatezitra Ahy mandrakariva izany; sady eo imasoko no anaovany sorona eny an-tanimboly sy andoroany zava-manitra mifangaro eny amin'ny alitara tanimanga ho fanajana ny andriamani-kafa.
4 Mipetraka any am-pasana izy ireny na misitrika any an-dava-bato amin'ny alina, sady mihinana hena kisoa ary manisy ron-kena maloto ao an-doviany.
5 Ka hoy ireo amin'izay ifanenany: "Mihatakataha lavitra, aza mikasika ahy fandrao mahafaty anareo ny fahamasinako." Ireny fomban-tsampy isan-karazany ireny dia toy ny setroka mampirongatra ny hatezerako sy toy ny afo mampirehidrehitra azy isan'andro.
6 Indro voasoratra eto anatrehako avokoa ireny, koa tsy hangina Aho raha tsy voavaliko ny nataony, ary hovaliako mitafotafo mihitsy aza;
7 ka indray hatsingeriko aminy, hoy Aho, ny heloka vitany sy ny heloky ny razany. Satria ireto koa efa nandoro zava-manitra mifangaro ho an'ny sampy teny an-tendrombohitra sy nihantsy Ahy teny amin'ny havoana; ka dia ho fatra mitafotafo mihitsy no hasetriko ny fitondrantenany fahiny!
8 Izao no lazain'ny TOMPO: Rehefa ahitana sampaho mamy eo amin'ny rantsam-boaloboka iray dia ataon'ny olona hoe: "Aza simbana izany, fa misy fitahiana hahazoan-divay tsara eo aminy"; ho tahaka izany koa no hataoko amin'ny mpanompoko mba tsy ho simbako izy rehetra.
9 Homeko taranaka ny firenen'i Jakoba sy ny fokon'i Joda. Ireny no ho tompon'ny tendrombohitro: ireo voafidiko no ho tompony, ireo mpanompoko no honina eo.
10 Ho an'ny vahoakako izay nitady Ahy dia hanjary saha fiandrasana ondry i Sarona, ary hanjary valan'omby ny lohasaha Hakora.
11 Ianareo izay nandao Ahy TOMPO kosa ka nanadino ny mankeny an-tendrombohitro masina, ianareo izay nandroso sakafo ho an' i Gada sady nanatitra divay voaharoharo ho an'i Meny ,
12 dia hatolotro ho voan'ny sabatra ianareo ka haringana avokoa eo am-pandohalehana, satria nantsoiko ianareo fa tsy namaly ary nitenenako fa tsy nihaino. Izay ratsy eo imasoko no nataonareo, ary izay tsy sitrako no nofidinareo.
13 Koa hoy Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY hoe: Indro ny mpanompoko hihinana, fa ianareo kosa ho mosarena; indro ny mpanompoko hisotro fa ianareo kosa ho main-ketaheta; indro ny mpanompoko hifaly, fa ianareo kosa ho menatra.
14 Indro ny mpanompoko hihorakora-pifaliana noho ny hasambarana ao am-pony, fa ianareo kosa hiantsoantso noho ny alahelom-po sy hikiakiaka noho ny fanahy torotoro.
15 Eo amin'ny olom-boafidiko dia hatao ohatra ny anaranareo amin'ny fomba fanozonana toy izao: "Hovonoin'ny Tompo ANDRIANANAHARY tahaka an-dRanona na Ranona anie ianao! "Ho fanasoavana ny mpanompoko kosa dia anarana hafa no hotononina aminy.
16 Fa izay hifampirary fitahiana eto amin'ity tany ity, dia hifanao izany ao amin'Andriamanitra hany mahatoky; izay hianiana eto amin'ity tany ity, dia hanao izany ao amin'Andriamanitra hany mahatoky. Hoy kosa ny TOMPO hoe: Eny, ireo fahoriana taloha dia ho hadinoina sy ho voakosoka tanteraka tsy ho eo imasoko.
17 Fa indro Aho mahary habakabaka vaovao sy tany vaovao ka tsy ho tsarovana intsony ny habakabaka sy tany taloha na ho mby ao an-tsaina akory aza.
18 Fa mifalia sy miravoravoa hatrany ianareo ny amin'ny zavatra izay hoariko: dia i Jerosalema heni-karavoana ary ny vahoakany heni-kafaliana.
19 Izaho koa hiravo amin'i Jerosalema sy hifaly amin'ny vahoakako. Fa tsy ho re ao Jerosalema intsony na ny tomany na ny kiakiakam-pitarainana.
20 Tsy hisy ao intsony ny zaza minono izay ho faty anatin'ny andro vitsivitsy na ny antitra tsy hahatapitra ny androny; fa ho maty tanora izay maty zato taona, ary heverina ho olona voaozona izay tsy mahatratra zato taona.
21 Hanao trano ny vahoakako, ka hitoerany tokoa izany; hamboly voaloboka izy ka hihinana tokoa ny vokany.
22 Tsy hanao trano hitoeran'ny hafa intsony izy na hamboly zavatra hohanin'ny olon-kafa; fa ho tahaka ny andro hiainan'ny hazo ny andro hiainan'ny vahoakako, ary ny olom-boafidiko hanaram-po amin'ny vokatry ny asa vitany.
23 Tsy hisasatra foana intsony izy na hitera-jaza ho fatin'ny loza tampoka; fa fianakaviana izay notahiko izy, na ny tenany na ny zanany naterany.
24 Mbola tsy miantso akory izy, dia efa hamaly azy Aho; ary mbola tsy tapi-miteny izy, dia efa azoko ny tiany ho lazaina.
25 Hiara-miraoka ahitra ny amboadia sy ny zanak'ondry; ny liona hihinam-bilona toy ny omby, ary ny menarana kosa dia vovoka no ho fihinany. Tsy hisy fanaovan-dratsy intsony, hoy AHO, na fanimban-javatra intsony, manerana ny tendrombohitro masina !