Isaià
Toko faha-15
1 Hafatra momba an'i Moaba. Indray alina monja dia rava tsy nisy niangana ny tanana Hara-Moaba, indray alina monja dia rava tsy nisy niangana ny tanana Kira-Moaba.2 Ny mponin'i Dibona dia miakatra eny amin'ny toeram-pivavahany mba hitomany. Any Nebao sy Medeba no idradradradran'i Moaba. Voaharatra avokoa ny loha rehetra ary voaala ny volombava rehetra.
3 Eny an-dalambe dia lamba fisaonana no itafian'ny besinimaro, eny an-tampon-trano sy eny an-kianja eny no idradradradran'izy rehetra sady irotsahan'ny ranomasony.
4 Miantso vonjy ny any Hesbona sy Elehaleka re hatrany Jahatsa ny feony; izany no mampilofika an'i Moaba sy mahakivy ny fanahiny.
5 Mitaraina ny foko noho ny amin'i Moaba: tonga hatrany Tsohara sy Heglata-Selisia ny mpandositra. Mitomany ny olona mianika ny fiakaran'i Lohita ary midradradradra mamoy fo eny an-dalana ho any Horonaima.
6 Nanjary ritra ny ranon'i Nimrima , maina ny vilona, nalazo ny zava-maniry, ary tsy nisy ahi-maitso intsony.
7 Ireo harena vitsivitsy hany sisa voatahiry dia nentin'ireo Moabita nitsoaka any am-pitan'ny lohasahan-driakan'ny Hazo malahelo.
8 Antsoantsom-pitarainana no heno manodidina ny faritanin'i Moaba; hatrany Eglaima sy hatrany Beera-Elima aza no andrenesana ny fidradradradrany.
9 Feno ra ny rano mandalo ao Dibona, fa hoy ny TOMPO hoe: "Eny, hitondra loza vaovao ao Dibona Aho, dia liona hamely izay afa-nandositra tao Moaba, sy izay sisa velona amin'izany tany izany."