Isaià

Toko faha-9

1 Ny vahoaka mandeha ao anatin'ny haizina dia hahita hazavana lehibe; ary ny olona mipetraka ao amin'ny tany izay tandindomin'ny fahafatesana dia hiposahan'ny hazavana.

2 Nohamaroinao ny fifaliany ary nampitomboinao ny firavoravoany. Miravoravo eo anatrehanao izy tahaka ny iravoravoana amin'ny fararano sy anaovana antsoantsom-pifaliana rehefa injay mizara babo ny olona.

3 Fa ny ziogam-pamoretana nanindry ny vahoakanao, ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny, ny kibay namelezan'ny mpampiasa azy dia samy hopotehinao avokoa toy ny tamin'ny andro nampandosiranao ny Midianita.

4 Fa ny kiraro rehetra entim-pahavalo ka mikatrokatroka mampihozongozon-tany ary ny fitafiana rehetra voahorona mihosin-dra dia samy hodorana avokoa holevon'ny afo.

5 Satria misy zaza teraka ho antsika, zazalahy no omena antsika; eny an-tsorony ny mari-piandrianany, ary ny anaram-boninahiny dia hatao hoe: Mpitondra mahay, Andriamanitra mahery, Ray mandrakizay, Andriana mitondra ny fiadanana.

6 Hanao izay hanitarana ny fahefany izy ary hampisy fiadanana tsy misy fetra. Ny seza fiandrianan'i Davida no hipetrahany ary ny fanjakany no ho feheziny ka haoriny sy ho hamafisiny amin'ny rariny sy ny hitsiny, hatramin'izao ka ho mandrakizay. Izany no hotanterahin'ny TOMPOn'izao rehetra izao, vokatry ny firedaredam-pitiavany

7 Namoaka didim-pitsarana ny TOMPO ho fanoherana ny taranak'i Jakoba, ka ny fanjakan'i Israely no niharan'izany.

8 Samy mahalala izany avokoa ny mpiray firenena rehetra, dia ny fanjakan'i Efraima manontolo sy ny mponina ao Samaria. Fa tamin'avonavona sy fireharehana no nitenenan'izy ireny hoe:

9 Rindrina biriky no nirodana fa rindrim-bato kosa no hatsanganay. Tsivalan-kazo aviavy no nadaboka fa tsivalan-kazo sedera kosa no hasolonay azy.

10 Kanjo nomen'ny TOMPO tombon-dahiny ny fahavalon'i Israely, dia i Retsina izany; eny, notairiny tokoa ireo fahavalony,

11 dia ny Sirianina teo anoloany ary ny Filistinina tao an-damosiny, ka nandrapaka an'i Israely indraim-bava. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia mbola tsy afaka ny fahatezeran'ny TOMPO fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.

12 Dia toy izany no nikapohan'Andriamanitra ny vahoakany; kanefa tsy niverina tamin'Andriamanitra ihany izy, tsy notadiaviny ny TOMPOn'izao rehetra izao.

13 Koa tanatin'ny indray andro monja no namongoran'ny TOMPO an'i Israely, na ny any an-tampony na ny any am-potony, na ny sampandrofia na ny volotara.

14 Fa ny loholona sy ny manankaja no tampony, ary ny mpaminany mampianatra lainga no fotony.

15 Ny mpitarika ity firenena ity dia tsy nanao afa-tsy ny nampivaona azy, ka izay rehetra notarihiny dia nandeha tamin'ny lalan-tsiizy avokoa.

16 Noho izany, dia tsy hiantran'ny TOMPO ireo tanorany ary tsy hamindrany fo ireo kamboty sy mpitondra tenany. Fa olona tsy mahatoky sady mpanao ratsy izy rehetra ary ny vavany samy miteny hadalana avokoa. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia tsy mbola afaka ny fahatezeran'ny Tompo fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.

17 Eny, midedadeda tokoa ny faharatsiana toy ny afo mandoro ny tsilo sy ny songosongo sady mandrehitra ny kirihitr'ala ka mampisavoana ny setroka mitambolina.

18 Tezitra mafy ny TOMPOn'izao rehetra izao, ka dia mirehitra izany tany izany ary toy ny levon'ny afo ny vahoakany. Tsy misy olona miantra ny namany:

19 andidiana ny eo an-kavanana nefa mbola noana ihany ny tena, ihinanana ny eo an-kavia nefa mbola tsy voky ihany. Samy mihinana ny havany avokoa izy:

20 ny fokon'i Manase mihinana ny fokon'i Efraima, ny an'i Efraima kosa mihinana ny an'i Manase, ary izy roa tonta no indray mamely ny fokon'i Joda. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia mbola tsy afaka ny fahatezeran'ny TOMPO fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0549