Isaià

Toko faha-28

1 Lozan'i Samaria, tanana izay satroboninahitra sady reharehan'ny mpidoroka ao Efraima! Ery an-tendron'ny lohasaha lonaka izy, ka ny haingony marevaka dia voninkazo mihamalazo eny an-dohan'ireo lehilahy mamon-divay.

2 Indro misy hery lehibe alefan'ny TOMPO ka toy ny oram-baratra manavandra izany, toy ny rambon-danitra mpandrava, toy ny oram-be mandriaka mahatondra-drano: indray mipaoka monja no androdanan'ny Tompo ny tanana manontolo hitrosina amin'ny tany.

3 Dia ho voahitsakitsaka am-paladia ilay tanana miendrika satroboninahitra, sady reharehan'ny mpidoroka ao Efraima.

4 Ho voahitsakitsaka am-paladia ny voninkazo mihamalazo izay haingony marevaka tery an-tendron'ny lohasaha lonaka. I Samaria dia ho tahaka ny voan'aviavy masaka alohan'ny fahavaratra, ka izay mahita azy dia hioty ary hitelina azy indraim-bava.

5 Amin'izany andro izany dia ny TOMPOn'izao rehetra izao mihitsy no hanjary satroboninahitra marevaka, fehiloha sy haingon'ireo sisa velona amin'ny vahoakany.

6 Izy no hanome fahaiza-mitsara an'izay mipetraka hitsara ary koa hanome herimpo an'ireo mpanosika ny fahavalo manafika eo anoloan'ny vavahady.

7 Ireto koa misy miraingiraingy noho ny divay ary mivembena noho ny toaka: dia ny mpisorona sy ny mpaminany izay miraingiraingy noho ny toaka sy mivembena azon'ny divay.Mivembena azon'ny toaka ireo, miraingiraingy noho ny fahitana, ka misafotofoto mamoaka didim-pitsarana:

8 Feno loa ny ny latabatra rehetra misy azy, ka efa tsy misy toerana madio intsony.

9 Dia velom-panontaniana izy hoe: Iza no tian'iny Isaia iny hampianarina sy hanazavana ny fanambarana azony? Ankizy vao notazana ve sa zazakely vao nisara-nono?"

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0558