Isaià
Toko faha-50
1 Izao no fanontaniana ataon'ny TOMPO: "Aiza izay taratasy fisaoram-bady manaporofo fa noroahiko i Jerosalema reninareo? Sa iza no nivarotako anareo ho andevo mba ho fanefana ny trosako aminy? Indro ny helokareo ihany no nivarotana anareo ary ny fikomianareo ihany no nandroahana an-dreninareo.2 Nahoana, fony tonga Aho, no tsy nahita olona; nahoana, fony niantso Aho, no tsy nisy namaly? Ny tanako ve no fohy loatra ka tsy mahavonjy? Sa Izaho no tsy manan-kery hoenti-manafaka? Indro mandrahona fotsiny Aho, dia maina ny ranomasinana manjary taniefitra ny ony. Amin'izay, noho ny tsy fisian'ny rano, dia matin-ketaheta ny trondro ka maimbo.
3 Azoko atao ihany koa ny mandrakotra mainty ny lanitra ka mampitafy azy lamba fisaonana.
4 Ny Tompo ANDRIANANAHARY no nampianatra ahy izay tokony ho lazaiko, mba hahaizako mamoaka teny hampahery ny reraka. Isa-maraina Izy dia manabe ahy hatrany hihaino araka izay tokony hataon'ny mpianatra.
5 Ny Tompo ANDRIANANAHARY no nanokatra ny sofiko, ka tsy manohitra Azy aho ary tsy mihemotra.
6 Ny lamosiko atolotro amin'ireo mpikapoka ahy, ary ny takolako amin'ireo mpanongo-bolom-bava. Ny tavako tsy nafeniko ho difin'ny fanevatevana sy ny fandrorana natao tamiko.
7 Ny Tompo ANDRIANANAHARY no hamonjy ahy, koa tsy resin'ny fanevatevana aho; ary nohamafisiko ho toy ny afovato ny tavako, satria fantatro fa tsy ho menatra Aho.
8 Eo akaikiko ny TOMPO, Ilay mpanamarina ahy. Iza no hiady amiko? Andeha isika hiara-miseho eo anoloan'ny mpitsara! Iza no ho mpanohitra ahy? Aoka izy hanatona hifanatrika amiko!
9 Eny, ny TOMPO ANDRIANANAHARY no hamonjy ahy, ka iza no hanameloka ahy ? Indro izy rehetra mpanohitra ahy fa hihasimba toy ny lamba mihatonta, toy ny lamba lanin'ny kalalao.
10 Iza aminareo no manaja ny TOMPO? Aoka izy hihaino ny feon'ny mpanompony! Raha misy mandeha amin'ny maizina tsy ahitam-pahazavana mihitsy, ao ka izy hitoky sy hiankina amin'ny TOMPO Andriamaniny!
11 Fa ny aminareo rehetra izay mandrehitra afo sy mirongo zana-tsipika mandoro, dia izao: ny afo natsanganareo ihany sy ny zana-tsipika narehitrareo no anjara omanin'ny TOMPO ho anareo. Ho faty amin'ny fahoriana mafy ianareo.