Isaià

Toko faha-23

1 Hafatra momba an'i Tiro. "Midradradradra mafy ianareo, ry sambon'i Tarsisy o, satria rava ny serananareo. "Fony izy tonga avy any amin'ny nosy Siprano nandrenesany izany vaovao izany.

2 Aoka tsy hahateny tsy hahavolana ianareo mponina amoron-tsiraka,dia ianareo mpandranto ao Tsidona izay mandefa iraka hamakivaky ny ranomasim-be.

3 Izay afafy eny amoron'i Neily dia i Tsidona no mioty azy; izy no mandray ny tombombarotr'ireo firenena.

4 Koa fahavoazana moa izato manjo anao, ry Tsidona, tanana mimanda eo amoron-dranomasina! Fa hoy indrindra ny ranomasina hoe: "Laviko ny hihetsi-jaza na hiteraka, laviko ny hitaiza zazalahy na hanabe tovovavy."

5 Raha mandre izany i Ejipta, dia hihoron-koditra tahaka ny hampihoron-koditra azy koa noho izay efa hanjo an'i Tiro.

6 "Ndeha mamaky ranomasina hatrany Tarsisy ka manaova antsoantsom-pitarainana, ianareo mponina amoron-tsiraka.

7 Dia ity tokoa ve ilay tananareo izay naresaka dia naresaka fahiny, sy efa niorina hatry ny ela ary nandeha nanjana-tany hatrany lavitra any ?"

8 Iza no nanapa-kevitra hamely an'i Tiro izay mpizara satroboninahi-panjakana? Ny mpandrantony dia tahaka ny printsy ary ny mpandraharahany anisan'ireo olona nohajaina tety an-tany, ka iza no nanapa-kevitra hamely an'i Tiro?

9 -Ny TOMPOn'izao rehetra izao no nanapa-kevitra hanao izany mba hanetrena ny fireharehanao amin'izay rehetra mpitady voninahitra sy hanaovana tsinontsinona ireo rehetra nohajaina tety an-tany.

10 Voleo ny taninao, ry Tiro, ka ataovy toy ny eny amoron'i Neily, satria tsy hisy seranana intsony ho an'ny sambon'i Tarsisy.

11 Efa naninji-tanana ny TOMPO, mba handrahonana ny ranomasina, efa nampangorohoro ny fanjakana maro Izy, ary efa nanome baiko handravana ireo tanana mimanda teo amin'ny Kanahanita.

12 Fa hoy ny TOMPO hoe: "Tsy afaka hiravoravo intsony ianareo mponina ao Tsidona fa afa-baraka toy ny virijiny naolana. Na hiainga aza ianareo ka hiampita hatrany amin'ny nosy Sipra, dia tsy hanam-pitsaharana any akory.

13 Mba jereo ange ity tanin'i Sipra! Tsy misy intsony ny maha firenena azy. Nataon'ny Asirianina tobim-pamaharana eo anivon-dranomasina io nosy io, ary nananganany tilikambo fitiliana sy nanorenany tanana mimanda; kanefa lasa korontam-bato miavovona ireny.

14 Midradradradra mafy ianareo, ry sambon'i Tarsisy o, satria rava ny fialofanareo."

15 Amin'izany andro izany, dia hohadinoina mandritra ny fitopolo taona i Tiro, izany hoe mandritra ny andro iainan'ny mpanjaka iray. Rehefa afaka fitopolo taona, dia hihatra amin'i Tiro izay nolazain'ny tonon-kira momba ny mpivarotena hoe:

16 Raiso ny lokanganao ka tetezo ny tanana, ry kala janga hadino. Mitendre tsara ianao ka mahereza mivazovazo mba hahatsiarovana anao.

17 Rehefa afaka fitopolo taona, dia hirotsaka an-tsehatra ao Tiro ny TOMPO. Hiverina hanao ny fanaony indray izy ka haka tombony mihoa-pampana amin'ny firenena rehetra eran-tany.

18 Nefa ny tombombarony sy ny vola azony dia hatokana ho an'ny TOMPO. Tsy hangonina ireny na ho tahirizina fa hatao sakafo hamokisana ireo mitoetra eo anatrehan'ny TOMPO, sady hividianana fitafiana mendrika ho azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0596