Isaià
Toko faha-32
1 Indro hisy mpanjaka iray hanjaka araka ny rariny; ary ny mpanapaka hanapaka araka ny hitsiny.2 Samy toy ny fierena amin'ny tafio-drivotra izy samy toy ny fialofana amin'ny oram-baratra, samy toy ny sakeli-drano amin'ny tany karankaina ary toy ny aloky ny harambato amin'ny tany ngazana.
3 Tsy hikimpy intsony ny mason'ny mahiratra ary hihaino tsara ny sofin'ny mandre.
4 Ny olona dodona dia handinika mba hahalala; ary ireo bada lela dia hiteny mazava sy mailamailaka.
5 Ny adala tsy hatao intsony hoe olona manan-toe-tsaina ambony; ary ny fangoloka tsy ho lazaina hoe olona malala-tanana.
6 Ny adala miteny hadalana hatrany, ary ny fony manomana heloka; dia manatanteraka izany tahaka ny tsy mpivavaka izy ary koa miteny ratsy ny TOMPO. Avelany hitofezaka ny noana ary tsy ampisotroiny rano ny mangetaheta.
7 Ny fangoloka kosa manana fitaovana ratsy, mamorona teti-dratsy hamelezana ny malahelo amin'ny filazana zavatra hosoka rehefa mitaky ny hitsiny ny mahantra.
8 Fa ny olona manan-toe-tsaina ambony no afaka hihevitra tanjona ambony sady tsy hirotsaka an-tsehatra afa-tsy ho an'ny tanjona ambony.
9 Ry andriambavilanitra mitoredretra, mitsangana hihaino ahy; ry tovovavy tsy rototra, tandremo izay hambarako!
10 Afaka herintaona mahery kely eo, dia ho raiki-tahotra ianareo tsy rototra satria hamono antoka ny fiotazam-boaloboka ary tsy hisy vokatra hangonina intsony.
11 Mangovita ianareo mitoredretra; matahora ianareo tsy rototra. Esory avokoa ny fitafianareo, ka lamba fisaonana no isikino.
12 Aoka handondon-tratra ianareo; malahelova amin'ny saha mahafinaritra sy amin'ny voaloboka mahavokatra;
13 malahelova amin'ny tanin'ny vahoakako izay rakotry ny kirihitra tsilo; eny, malahelova tokoa ianareo; ny amin'ny korana fanao isan-trano eto amin'ity tanana revon-danonana ity.
14 Nilaozana ny lapan'ny mpanjaka, nangina ilay tanana naresaka; ny faritr'i Hofela sy ny tilikambo fitiliana dia nanjary toera-malalaka lalandava izay fikarenjen'ny borikidia sy firaofan'ny andiam-biby fiompy.
15 Indray andro any, dia hatosaka ny Fanahy avy amin'ny Tompo ao ambony; ka hanjary saha mahavokatra ny taniefitra ary ny saha mahavokatra hanana ny lanjan'ny ala.
16 Honina any amin'ny taniefitra ny rariny ary hanjaka ao amin'ny saha mahavokatra ny hitsiny.
17 Fiadanana no ho vokatry ny hitsiny; ary filaminana sy fandriampahalemana no haterany hatrany hatrany.
18 Ny vahoakako hitoetra ao amin'ny faritra miadana, ao amin'ny fonenana misy fandriampahalemana sy ao amin'ny fialan-tsasatra feno fitoniana.
19 Amin'izay kosa ho ripaka ny ala noho ny havandra ary harodana hilamaka tokoa ny tanana.
20 Kanefa ho sambatra ianareo afaka mamafy eny amoron-drano na aiza na aiza sady mamela ny omby sy ny boriky hiriaria!