Isaià

Toko voalohany

1 Fanambaran'i Isaia, zanakalahin'i Amotsa, ny amin'i Joda sy i Jerosalema. Nanafaran'ny TOMPO azy izany, tamin'ny andron'i Hozia sy i Jotama ary i Ahaza sy i Hezekia mpanjakan'i Joda.

2 Mihainoa, ry lanitra, ary mandrenesa, ry tany, satria ny TOMPO no miteny hoe: "Efa nitaiza sy nahalehibe zanaka Aho; kanjo nikomy tamiko izy.

3 Ny omby mahalala ny Tompony manana azy, ary ny boriky mahalala ny fihinanam-bilona izay famahanan'ny tompony azy. Fa i Israely tsy te hahalala na inona na inona; eny, ny vahoakako tsy mba mahafantatra."

4 Loza! firenena mpanota ianao, ry Joda; vahoaka mivesatra heloka ianareo,solofon'ny mpanao ratsy, taranaka lomorina! Nilaozanareo ny TOMPO, nataonareo tsinontsinona ilay Masin'i Israely, fa niamboho Azy ianareo.

5 Aiza indray ary no tianareo hikapohana anareo no mbola mikiry amin'ny ditranareo ihany ianareo? Efa feno ratra avokoa ny loha, ary marary ny fo manontolo.

6 Hatreo am-paladia ka hatrany an-tampon-doha dia tsy misy tsy marary: ratra, dian-kapoka, fery vao, tsy mbola nisy nanadio na namehy na nanisy diloilo.

7 Efa lao ny taninareo, kilan'ny afo ny tanananareo; ny tany novolenareo aza dia ny vahiny no nihinana ny vokany teo anatrehanareo, ka efa lao tokoa izany tahaka ny faharavan'i Sodoma.

8 I Jerosalema irery sisa no hany tafajoro, toy ny tranotomboka ao anaty tanimboaloboka, sy toy ny kitranotrano rantsan-kazo ao anaty tanimbolin-kokombra, ary toy ny tanana efa atao fahirano.

9 Raha tsy navelan'ny TOMPOn'izao rehetra izao hisy olona vitsivitsy velona aina tamintsika, dia ho efa tonga tahaka an'i Sodoma sy ho nitovy tamin'i Gomora isika.

10 Mihainoa ny tenin'ny TOMPO, ry mpitondra lomorina tahaka an'i Sodoma; mandrenesa ny lalanan'ilay Andriamanitsika, ry vahoaka ratsy toetra tahaka an'i Gomora:

11 "Hataoko inona moa, hoy ny TOMPO, ireo sorona marobe atolotrareo? Efa mankaleo Ahy mihitsy ny ondrilahy atao sorona dorana manontolo sy ny jaboran-janak'omby nafahy. Tsy ankasitrahiko intsony na ny ran'ombilahy na ny ran'ny zanak'ondry na ny ran'osilahy.

12 Ianareo izay tonga hiseho eto anatrehako, moa Izaho ve no nangataka anareo hanitsakitsaka ny kianjan'ny tempoliko?

13 Atsaharo ny mitondra fanatitra fa tsy ilaina akory; maharikoriko Ahy ny eton'ny soronareo; atsaharo ny fankalazana ny tsinam-bolana sy ny sabata ary ny fetim-piangonana. Tsy zakako ny fanompoam-pivavahana mifangaro heloka.

14 Halako ny fankalazanareo ny tsinam-bolana sy ny fombam-pivavahanareo manetriketrika; toy ny enta-mavesatra amiko ireny ka sasatry ny mitondra azy Aho.

15 Raha manandra-tanana hivavaka ianareo dia hitampi-maso tsy hijery Aho. Na manao vavaka maro aza ianareo, dia tsy hihaino akory Aho, satria feno ra ny tananareo.

16 Koa misasa ary midiova ianareo; esory tsy ho hitako intsony ny asa ratsy fanaonareo, atsaharo ny manao ratsy.

17 Mianara hanao ny tsara, tadiavo ny rariny, avoty izay voan'ny tsindry hazo lena, ento ara-drariny ny kamboty, tsarao ny adin'ny mpitondratena.

18 Avia fa hifandahatra isika, hoy ny TOMPO. Na dia mena midorehitra aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala; na dia mangatrakatraka tahaka ny jaky aza ireny, dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy."

19 Raha manaiky ianareo ka mankato, dia hihinana ny vokatra tsara avy amin'ny tany.

20 Fa raha manda kosa ianareo ka mikomy, dia ny sabatra no handripaka anareo." Izany no nambaran'ny TOMPO.

21 Ahoana no nahatonga janga ity tanana nahatoky ? Feno rariny anefa tao taloha sady nitoeran'ny fahamarinana; fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao.

22 Toa volafotsy nanjary tain-drendrika ary toa divay voatapo-drano ianao, ry Jerosalema.

23 Mpikomy ireo mpanapaka anao, sady mpiray tsikombakomba amin'ny mpangalatra. Samy tia tsolotra izy rehetra, ary mpandray kolikoly avokoa. Ny kamboty tsy entiny ara-drariny ary ny adin'ny mpitondratena tsy tsarainy.

24 Noho izany ny TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao, Ilay Maherin'i Israely, dia manao teny hentitra hoe: "Loza! hiala vonkina amin'ny mpanohitra Ahy Aho, ary hamaly faty amin'ireo fahavaloko!

25 Ry Jerosalema, hahita raharaha amiko ianao: hodioviko amin'ny afo ianao mba hialan'ny tain-drendrikao ary ho esoriko ny lotom-pirakao rehetra.

26 Haveriko amin'ny laoniny ny mpitsaranao ho tahaka ny mpitsara taloha, ary koa ny mpanolotsainao ho tahaka ny tamin'ny androfahiny. Amin'izay ianao dia hantsoina hoe "Renivohi-pahamarinana" sy "Tanana mahatoky."

27 Ho voavonjy i Tsiona rehefa mitandro ny rariny; ary ho voavonjy ireo mponiny niala tamin'ny toe-dratsy rehefa mampihatra ny fahamarinana.

28 Fa ny mpikomy sy ny mpanota kosa dia hiara-potika, ary izay mahafoy ny TOMPO dia ho levona.

29 Tena ho diso fanantenana ianareo ny amin'ireo hazo terebinta izay nolalainareo; eny, ho menatra ianareo ny amin'ireo toerana nofidinareo hanaovana ny fombafomban-tsampy.

30 Fa ho tahaka ireo hazo terebinta mihintsan-dravina ianareo sy ho tahaka ireo toerana tsy misy rano.

31 Ho toy ny vohavoha ny lehilahy mahery ary ho toy ny kilalaon'afo ny asany; hodorana miaraka izy roa tonta ka tsy misy hamono ny afo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0562