Isaià
Toko faha-48
1 Henoy izao, ry firenen'i Jakoba, dia ianareo izay mitonon-tena ho Israely sy taranaka nipoitra avy tamin'i Joda, ianareo izay mianiana amin'ny anaran'ny TOMPO ka miantso ny anaran'Andriamanitr'i Israely nefa tsy araka ny fahamarinana sy ny fahitsiana.2 Eny, ianareo izay mitonon-tena ho avy amin'ny tanana masina ka miankina amin'Andriamanitr'i Israely Izay "TOMPOn'izao rehetra izao" no anarany, henoy ary izao teniko izao:
3 Efa hatry ny ela no nanambarako ny zava-niseho voalohany ; Izaho no nampanantena ireny sy nampandre azy anareo. Tampoka no nihetsehako, dia tonga tokoa ireny.
4 Saingy fantatro fa maditra ianareo; miridiridy toy ny hoza-by ny hatokareo ary mafy toy ny halimo ny handrinareo.
5 Koa nambarako anareo hatry ny ela ireny zavatra ireny ary nampandrenesiko anareo talohan'ny nisehoany, sao lazainareo hoe: "Ny sampinay no nanao ireny; ny andriamanitray sarisokitra hazo na sarivongana halimo no nanome baiko toy izany."
6 Efa renareo izay nambarako mialohaka hitanareo fa tanteraka avokoa;moa tsy hotantarainareo ve izany? Manomboka androany ary dia hampandre anareo zava-baovao Aho, dia zavatra nafenina mbola tsy fantatrareo.
7 Vao izao ankehitriny izao fa tsy hatry ny ela no namoronako ireo zava-baovao ireo, Talohan'ny androany dia tsy mbola renareo izany sao ho lazainareo hoe: "Efa fantatray izany!"
8 Ianareo koa moa tsy nihaino sady tsy te hahalala no tsy nanokatra sofina hatry ny ela; Fantatro fa mpamadika hatrany ianareo sady nantsoina hoe mpikomy hatrany am-bohoka.
9 Fa satria Andriamanitra Aho, dia notoneko ny fahatezerako ary ho fitandroako ny voninahitro, dia nanda tsy handringana anareo Aho.
10 Indro nosedraiko ianareo, nefa tsy tamin'ny afo toy ny fanao amin'ny volafotsy; fa tamin'ny memin'ny fahoriana no nandiovako anareo.
11 Noho ny amiko no nanaovako izany, eny, noho ny amiko ihany, satria tsy zakako velively ny hanalam-baraka ny anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa.
12 Hoy ny TOMPO hoe: "Ry firenen'i Jakoba, ry vahoaka Israely izay nantsoiko, henoy Aho: Izaho no Ilay tsy miova, Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany.
13 Eny, ny tanako no nametraka ny fanorenan'ny tany; ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra. Raha antsoiko ireo, dia miara-miseho avokoa.
14 Mivoria ka mihainoa ianareo rehetra: Ilay tiako no hanatanteraka izay sitrapoko amin'i Babilona sy amin'ny taranaky ny Kaldeanina. Kanefa iza taminareo moa no nanambara izany? Tsy misy.
15 Izaho, eny, Izaho no niteny; Izaho mihitsy no niantso azy ka nanao izay hahatongavany sy hampahomby izay hataony.
16 Manatona Ahy ianareo ka henoy izao: Efa hatrany am-boalohany no nitenenako an-karihary; ary teo Aho hatramin'ny vaninandro izay nisehoan'izany zavatra izany." (Ankehitriny dia Ilay Tompo ANDRIANANAHARY mihitsy no naniraka ahy sy nanome ahy ny Fanahiny.)
17 Ry firenen'i Jakoba, ny TOMPO mpanavotra anao, Ilay Masin'i Israely dia miteny aminao hoe: "Izaho TOMPO Andriamanitrao no mampianatra anao izay mahasoa anao sy mitarika anao amin'ny lalana tokony halehanao.
18 Raha mba nihaino tsara ny didiko manko ianao, dia ho nikoriana toy ny ony ny fiadananao; ary ho toy ny onjan-dranomasina no fiavin'ny fanafahana anao!
19 Ny taranaka haloaky ny kibonao ho marobe toy ny fasika eny amoron-dranomasina; tsy ho tapaka na ho foana eo anatrehako ny anarany. "
20 Mivoaha avy ao Babilona , mandosira avy ao Kaldea! Amin'ny horakora-pifaliana no anambarao izao vaovao mahafaly izao, hatrany amin'ny faran'ny tany; torio ary aelezo izany, ka lazao hoe: "Ny TOMPO no nanavotra ny firenen'i Jakoba mpanompony!"
21 Tsy nangetaheta ireo olony tamin'ny nitondrany azy tany an-taniefitra. Nampiboiboika rano ho azy avy tamin'ny vatolampy Izy: eny, novakiny ny vatolampy ka nandriaka ny rano.
22 Tsy misy fiadanana ho an'ny olon-dratsy, hoy ny TOMPO.