Isaià
Toko faha-30
1 Lozanareo zanaka maditra, hoy ny teny hentitry ny TOMPO! Manao tetikasa ianareo, nefa tsy avy amiko ireny; manao fifanekena, nefa tsy araka ny Fanahiko. Heloka ampiana heloka izany.2 Tsy manontany Ahy akory ianareo nefa mandeha midina any Ejipta mba hitady fiarovana amin'ny Farao sy fialofana eo ambany alok'i Ejipta.
3 Hivadika ho henatra ho anareo izany fiarovan'ny Farao izany, ary ho fahafaham-barakanareo ny fialofana eo ambany alok'i Ejipta,
4 na dia efa any Tsohana aza ny lehibenareo ary tonga hatrany Hanesy ny masoivohonareo.
5 Izy rehetra samy ho diso fanantenana amin'io firenena izay tsy hahasoa azy io, firenena tsy hahavonjy na hahasoa azy akory, fa handiso fanantenana sy hitondra latsa aza.
6 Hafatra momba ny biby mivesatra entana any Negeba. Faritra mampahory sy mampitebiteby sady misy liona masiaka mierona ary koa menarana sy dragona manidina no indro vakivakin'ny olona ka itondrany harena sy zava-tsoa eny an-damosin'ny boriky sy eny ambony trafon'ny rameva hankany amin'ny firenena tsy mahasoa azy akory.
7 Tsinontsinona sy zava-poana ny famonjen'i Ejipta; koa izany no iantsoako azy hoe: "Ilay be rehaka tsy mahavita na inona na inona".
8 Hoy kosa ny TOMPO tamin'i Isaia: "Ankehitriny, ndeha soraty amin'ny fafana izany eo anatrehan'ny mponin'i Jerosalema, ka ataovy raki-tsoratra ho vavolombelona haharitra hatrany amin'ny andro hoavy.
9 Fa vahoaka maditra izy ireo, zanaka mandainga, tsy mety mihaino ny fampianaran'ny TOMPO.
10 Hoy izy amin'ireo mpahita hoe: "Aza manam-pahitana ianareo"; ary amin'ireo mpaminany hoe: "Aza maminany zava-marina aminay, fa izay mahafaly anay ihany no lazao. Maminania nofinofy aminay.
11 Mivilia lalana ianareo ary miala amin'izay voasoritra; atsaharo ny miteny eo anatrehanay an'ilay Masin'i Israely".
12 Koa izao no lazain'ilay Masin'i Israely: "Satria lavinareo izany teniko izany fa aleonareo mitoky amin'ny tsikombakomba sy miantehitra amin'ny hafetsifetsena,
13 dia ho toy ny triatra amin'ny manda no haterak'izany heloka izany aminareo: miseho aloha ny mivohitra, ary tampotampoka eo dia mirodana.
14 Lasa potipotika ilay manda toy ny vilanin'ny mpanefy tanimanga, izay voadona ka montsamontsana: tsy hahitana intsony na dia silany iray mba hangalana vainafo ao am-patanana hanovozan-drano ao an-kamory. "
15 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY, dia ilay Masin'i Israely: Ho voavonjy ianareo, raha miverina amiko sady milamina; hahery ianareo, raha tony sy matoky Ahy. Kanefa tsy mety ianareo,
16 fa mamaly hoe: "Tsia, fa hiriotra izahay, hiriotra mitaingin-tsoavaly izahay. "Koa hitaingin-tsoavaly tokoa ianareo, saingy hitsoaka handositra. Hoy koa ianareo hoe: "Haingam-pandeha ny kalesy hitaingenanay. "Eny, kanefa ireo mpanenjika anareo dia vao mainka ho haingam-pandeha kokoa.
17 Fahavalo iray monja no mandrahona, dia hampandositra ny arivo aminareo; ary raha misy dimy aminy no mandrahona dia handositra avokoa ianareo rehetra. Ka singantsingany no sisa ho velona aminareo, tahaka ny famantarana eny an-tampon-tendrombohitrana tahaka ny faneva tavela eny amin'ny havoana.
18 Na izany aza, mbola miandry fotoana ny TOMPO hahazoany miantra anareo, mbola hirotsaka an-tsehatra Izy hamindrafo aminareo, satria Andriamanitra mitandro ny marina ny TOMPO; sambatra izay rehetra miandry Azy.
19 Ary ianao, ry vahoakan'i Tsiona izay monina ao Jerosalema, tsy hitomany intsony ianao. Fa hiantra anao tokoa ny Tompo, raha vao mandre ny antsonao; eny, hamaly anao Izy raha vao mandre.
20 Homen'ny TOMPO anao ny mofo sy rano amin'ny andro ampahoriana sy amoretana anao; Izy tokoa no mpampianatra anao ka tsy hiafina aminao intsony, ary ny masonao mihitsy no hahita Azy.
21 Fa na handeha hiankavanana na hiankavia ianao, dia ho renao avy aoriana izao teny izao: "Ity no lalana ka araho".
22 Hoheverinao ho zava-maloto ny sampy voasokitra mifono volafotsy sy ny sarivongana voarakotra volamena, ka hatsipinao toy ny zava-maharikoriko ary hataonao hoe: "Miala amiko!"
23 Handrotsaka ranonorana ny TOMPO ho an'ny voa izay nafafinao any an-tsaha, ka ny sakafo hovokarin'ny tany dia sady ho betsaka no hatsiro. Amin'izany andro izany, ny biby fiompinao dia hiraoka amin'ny kijana midadasika.
24 Ny omby sy boriky miasa tany dia hihinana vilona voaisy sira sady voaparitaka amin'ny farango fikororohana.
25 Amin'ny andron'ilay fandringanana goavana, rehefa hianjera ireo tilikambo, dia samy hisy renirano mikoriana eny an-tendrombohitra manerinerina sy eny amin'ny havoana miteronterona.
26 Amin'ny andro hitsaboan'ny TOMPO ireo ratra nanjo ny vahoakany sy hanasitranany ny fery tamin'ny namelezana azy, ny fahazavan'ny volana dia ho tahaka ny an'ny masoandro, ary ny fahazavan'ny masoandro dia hamiratra ho impito heny raha oharina amin'ny hazavany isan'andro.
27 Indro ny tenan'ny TOMPO mihitsy no tonga avy any lavitra any, omban'ny fahatezerana mirehitra sady midonaka. Mipololotra fahavinirana ny molony, ka toy ny afo mandevona ny teniny.
28 Toy ny rano tondraka ny fofonainy ka manafotra hatreny an-bozona.Tonga ny TOMPO hanivana ny firenena amin'ny sivana fandravana, ary koa hanisy lamboridy amin'ny valanoranon'ny vahoaka.
29 Fa ianareo ao Jerosalema kosa hihira toy ny fanao amin'ny alina fankalazana ny fety ary hiravoravo am-po toy ny olona mandeha miaraka amin'ny feon-tsodina ho any an-tendrombohitry ny TOMPO, ilay Vatolampin'i Israely.
30 Hataon'ny TOMPO re tokoa ny feony heni-piandrianana ary hataony hita ny fiantraikan'ny tanany mamely, rehefa mirehitra ny fahatezerany eo anivon'ny firedaredan'ny lelafo mandevona ary ao anatin'ny ranonoram-baratra sy ny havandra vaventy mifafy.
31 Dia ho raiki-tahotra ny Asirianina, rehefa handre ny feon'ny TOMPO sady ho kapohiny amin'ny tsorakazo.
32 Ny kapoka isanisany hamelezan'ny TOMPO azy dia hiasa ho famaizana azy. Harahina amponga tapaka sy lokanga ary dihy koa ny hetsi-tanana hiadian'ny Tompo aminy.
33 Fa efa voaomana hatry ny ela ny fandoroana, ary ho an'ny mpanjaka ihany koa izany. Faritra boribory, malalaka sady lalina, no namoriana kitay betsaka handrehetana afo; ary dia ny fofonain'ny TOMPO, izay toy ny riakan-tsolifara miredareda, no hampirehitra izany toeram-pandoroana izany.