Isaià

Toko faha-41

1 Ry mponina any amin'ny nosy lavitra, mangina ka henoy Aho, hoy ny TOMPO. Ary ianareo firenena, misikina herim-po. Misehoa aloha vao miteny ary andeha isika hiara-kiatrika fitsarana.

2 Tsy Izaho ve no nampipoitra ilay Mpanafaka avy any atsinanana any, ka niantso azy hanainga ny diany, sy nampilavo lefona ny firenena teo anatrehany ary nampilefitra ireo mpanjaka? Nataon'ny sabany lasa vovoka ireny ary naelin'ny zana-tsipikany toy ny akofa entin'ny rivotra.

3 Nanenjika ireny izy, ka tsy nandia tany akory no namakivaky soamantsara ny laharany.

4 Tsy izaho ve no nanao sy nahatanteraka izany sady niantso ny taranaka hatrany am-piandohana? Izaho no TOMPO teo am-piandohana ary Izaho ihany no ho Izy any am-piafarana.

5 Nahita izany ka raiki-tahotra ny mponina any amin'ny nosy lavitra; manatona amin-kovitra sy tonga koa ny avy any am-paran'ny tany.

6 Misy lehilahy mifanampy amin'ny asa ka mifampiteny hoe: "Mahereza !"

7 Ny mpanefy vy mampahery ny mpanefy firavaka; ary ny mpandama amin'ny tantanana kosa mampirisika ny mpively amin'ny riandriana sady loa-bolana ny amin'ny solohoto hoe: "Tsara ity!" Dia homboany amin'ny fantsika ny sampy mba tsy hihozongozona.

8 Ianao kosa, ry Israely mpanompoko, firenen'i Jakoba izay nofidiko, taranak'i Abrahama sakaizako ,

9 ianao izay nalaiko avy tany am-paran'ny tany sady nantsoiko avy amin'ny faritra lavitra indrindra, ianao no itenenako hoe: "Mpanompoko ianao; Izaho no nifidy anao ka tsy manary anao."

10 Aza matahotra ianao fa miaraka aminao Aho, aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao. Mampahery anao Aho ary mamonjy anao tokoa; ny tanan-kavanako manafaka no anohanako anao.

11 Indro ho menatra sy ho afa-baraka izay rehetra naneso anao. Hanjary tsinontsinona sy ho levona ny mpanohitra anao.

12 Hotadiavinao ireo mpisetrasetra anao fa tsy ho hitanao; hanjary tsinontsinona sy zava-poana ireo mpiady aminao.

13 Satria Izaho no TOMPO Andriamanitrao, Izay mitantana anao amin'ny tanan-kavananao sady mamerimberina aminao hoe: "Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao."

14 Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Aza matahotra ianao, ry vahoaka Israely, firenen'i Jakoba, lazaina hoe mora vonoina toa kankana. Izaho TOMPO mihitsy no tonga hamonjy anao, Izaho ilay Masin'i Israely no mpanavotra anao.

15 Indro ianao hataoko toy ny hersa vaovao izay misy nifiny maranitra ; ka ho samatsamahinao ny tendrombohitra ary hataonao lasa akofa ny havoana.

16 Hokororohinao ho entin'ny rivotra izy sy haelin'ny tadio; fa ianao kosa dia Izaho TOMPO no hifalianao ary Izaho ilay Masin'i Israely no hireharehanao.

17 Mitady rano ny mahantra sy ny malahelo nefa tsy mahita mihitsy, ka mainan'ny hetaheta ny lelany. Izaho Tompo kosa hihaino azy; Izaho Andriamanitr'i Israely tsy mba handao azy.

18 Hampiboiboika renirano eny amin'ny havoana mangadihady Aho ary koa loharano eny an-dohasaha, ka hanova ny taniefitra ho farihy ary ny tany karakaina ho mpamoaka rano.

19 Hataoko mitsiry hazo sedera sy mimoza ary rotra sy oliva any an-taniefitra; hasiako kipreso sy hazo kesika ary kirihitr'ala any an-tany hay.

20 Amin'izay dia ho hitan'ny olona sy ho fantany, ary ho tsapany sy ho takany fa Izaho TOMPO, ilay Masin'iIsraely, no namboatra sy nahary izany fanovana izany.

21 Ianareo andriamanitry ny firenen-kafa, alaharo ny kabarinareo, arosoy ny porofonareo, hoy ny TOMPO mpanjakan'i Jakoba.

22 Manatona hanazava aminay ny zava-hitranga. Lazao ny zava-niseho voalohany mba hifantohan'ny fandinihanay; na ambarao kosa izay ho avy, dia ho fantatray izay hiafarany.

23 Eny, ambarao anay ny zavatra hoavy dia hoekenay fa andriamanitra tokoa ianareo. Manaova soa na manaova ratsy mba hiarahanay mahita sy mijery.

24 Kanjo indro fa tsinontsinona ianareo, zava-poana ny asa ataonareo; ka izay nifidy anareo ho andriamanitra dia maharikoriko toa anareo.

25 Avy any avaratra no napoitrako ity lehilahy anankiray, ka dia tonga tokoa izy; avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro no hanononana ny anarany. Dia hanosihosy ny mpitondra toy ny fanosy fotaka izy, na toy ny fanaon'ny mpanefy mihosihosy tanimanga.

26 Iza ary no nanambara izany hatrany am-piandohana mba hoekenay fa mitombina? Ary iza no nanambara izany mialoha hilazanay hoe: "Marina ny azy"? Tsy nisy nanambara izany ianareo, tsy nisy nandrenesam-peo akory; tsy nisy mihitsy nandre ny teninareo.

27 Fa Izaho no voalohany nilaza izany tamin'i Tsiona ka naniraka mpitondra vaovao mahafaly ho an'i Jerosalema.

28 Nijery foana Aho fa tsy nahita olona: tamin'ireo andriamani-tsiizy ireo dia tsy misy mpanolotsaina na iray aza; tsy misy azoko nanontaniana mba hanome valin-teny Ahy.

29 Tsinontsinona ny andriamani-tsiizy rehetra, zava-poana ny zavatra ataony, tsio-drivotra miserana ny sampiny sady zavatra tsy misy fotony!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0565