Isaià
Toko faha-26
1 Amin'izany andro izany, ao amin'ny tanin'i Joda dia hihirana izao hira izao: "Manan-tanana mafy isika. Manda roa sosona no nataon'ny TOMPO mba ho fiarovana azy.2 Vohay ireo vavahady hidiran'ny firenena mahatoky izay mitana ny fahamarinana.
3 Ny toe-tsainy tsy miovaova; ka omenao fiadanana hatrany izy satria matoky Anao, TOMPO o.
4 Matokia ny TOMPO hatrany hatrany ianareo, satria ny TOMPO no vatolampy mandrakizay.
5 Izy no nampietry ireo mpiteronterona sy nandrodana ny tanana sarotra iakarana; eny, nampidaboka azy tamin'ny tany Izy ka nampitrosona azy tamin'ny vovoka
6 mba ho hitsahin'ny mahantra sy ny malemy.
7 TOMPO o, toroanao lala-mahitsy ny olo-marina; ary tsy miolikolika ny lalana soritanao ho azy.
8 Eny, lalana atoron'ny didim-pitsaranao no anantenanay Anao, TOMPO o. Ny hanonona ny anaranao sy hahatsiaro Anao no hetahetam-ponay.
9 Maniry ny atrehinao aho amin'ny alina; eny, mitady Anao ny fanahiko ato anatiko. Rehefa ny didim-pitsaranao no ampiharinao amin'ny tany, dia hahay hitondra tena mahitsy ny mponina eran'izao tontolo izao.
10 Fa raha amindrana fo ny olon-dratsy, dia tsy hahatakatra ny fahamarinana, fa hamilivily ny rariny eto an-tany ka tsy hahita ny fiandrianan'ny TOMPO.
11 TOMPO o, manandra-tanana handrahona Ianao kanefa tsy ahoan'ireo olon-dratsy akory. Aoka ho menatra izy raha mahita ny zotomponao hiaro ny vahoakanao; eny, aoka handevona azy ny afo izay natokanao ho an'ny fahavalonao !
12 TOMPO o, Ianao no manome anay ny fiadanana ary Ianao koa no mahatomombana ho anay ny asa rehetra nataonay.
13 Ry TOMPO Andriamanitray o, tompo maro no efa notompoinay talohanao; nefa ny anaranao ihany no satrinay ho tsaroana.
14 Ny maty tsy ho velona intsony ary ny matoatoa tsy hitsangana koa; fa efa nirotsaka handringana azy Ianao ka nolevoninao mbamin'ny fahatsiarovana azy.
15 TOMPO o, nampitomboinao ny firenenay, ary izany no nahazoanao voninahitra; eny, nampitomboinao ny firenenay ka nitarinao halalaka avokoa ny sisin-taniny.
16 TOMPO o, fony azom-pahoriana izahay, dia nitady Anao tokoa; ary niantso vonjy taminao izahay, rehefa voaterin'ny famaizanao.
17 Toy ny vehivavy mihetsi-jaza hiteraka ka miolanolana sy mitaraina mafy, dia toy izany izahay teo anatrehanao, TOMPO o.
18 Izahay koa dia moa va tsy efa bevohoka sy efa nihetsi-jaza hiteraka, nefa tahaka ny zava-poana no naterakay. Tsy nahay nitondra fanafahana ho an'ny tany izahay, tsy nahay nitondra mponina vaovao ho an'izao tontolo izao.
19 Ho velona indray ireo maty ao aminao, ry fireneko, ary hitsangana ny fatiny. Hifoha sy hanao hobim-pifaliana ireo matory ao amin'ny vovo-tany, fa handefasan'ny Tompo andom-pahazavana ianao ka hateraky ny tany indray ireo nodimandry.
20 Ndeha miditra any an-tranonao, ry fireneko, ka hidio mafy ny varavarana; miere kely indray mipy maso monja ianao mandra-pisindan'ny fahatezeran'ny Tompo.
21 Fa indro ny TOMPO mivoaka ny fonenany mba hanadina ny mponina amin'ny tany momba ny heloka vitany. Hasehon'ny tany ireo ra notrohiny ary tsy hafeniny intsony ireo novonoina ho faty teo aminy.