Isaià

Toko faha-45

1 Izao no lazain'ny TOMPO amin'ilay nohosorany , dia i Kirosa: "Tohanako ianao mba handresy ny firenen-kafa sy hanaisotra ny fahefan'ny mpanjaka ka hivoha eo anatrehanao ireo vavahadin'ny tanana nihidy.

2 Izaho mihitsy no handeha eo anoloanao mba handravona ny mikitoantoana sy hanamontsana ny varavarana halimo ary hanapatapaka ny hidy vy.

3 Homeko anao ny raki-tsoany napetrany tao amin'ny toerana maizina sy ny harena nafeniny tao amin'ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no TOMPO Izay miantso anao amin'ny anaranao; Izaho no Andriamanitr'i Israely.

4 Noho ny fitiavako ny firenen'i Jakoba mpanompoko sy ny vahoaka Israely voafidiko no niantsoako anao tamin'ny anaranao; ary nomeko izany laza izany ianao, na dia tsy mahalala Ahy akory aza.

5 Izaho no TOMPO fa tsy misy hafa; tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho. Nampisikiniko hery ianao hiasa na dia tsy mahalala Ahy akory aza,

6 mba hahafantarana eran-tany hatrany atsinanana ka hatrany andrefana fa ankoatra ny tenako dia zava-poana. Izaho no TOMPO fa tsy misy hafa.

7 Izaho no mamorona ny mazava sy mahary ny maizina. Izaho no manome fahasambarana sy mahary ny loza. Izaho TOMPO no manao izany rehetra izany.

8 Aoka ny lanitra handrotsaka ando avy any ambony ary aoka ny rahona handatsaka rariny! Aoka hisokatra ny tany hampivelatra ny famonjena sy hampitsimoka ny fahamarinana! Izaho TOMPO no nahary io lehilahy io.

9 Lozan'izay sahy manome tsiny ny mpanao azy, kanefa ny tenany dia siny tanimanga toy ny siny tanimanga rehetra ihany! Ny tanimanga ve hanontany ny mpanefy azy hoe:"Inona ity ataonao?"na ny asa vitany hanao aminy hoe: "Tsy mahay ianao !"

10 Lozan'izay sahy milaza amin'ny rainy hoe: "Inona ity naterakao?" na sahy miteny amin'ny reniny hoe: "Inona ity naloaky ny kibonao?"

11 Izao kosa no lazain'ny TOMPO, dia ilay Masin'i Israely sady mpamorona azy: "Izaho ve no anontanianareo ny amin'ireo zanako sy homenareo baiko ny amin'izay tokony hataoko?

12 Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona monina eo amboniny. Izaho no nanenjana ny lanitra tamin'ny tanako sy mibaiko ny planeta aman-kintana rehetra.

13 Izaho koa no nampipoitra io lehilahy io mba hitondra fanafahana ary Izaho no hanitsy ny lalany rehetra. Izy no hanangana indray an'i Jerosalema tananako sy handefa ny oloko izay babo, nefa tsy hampandoa vola na tamby, hoy Aho TOMPOn'izao rehetra izao."

14 Izao, ry vahoaka Israely, no lazain'ny TOMPO aminao: Ny vokatry ny asan'ny Ejiptianina, ny tombom-barotry ny Etiopianina sy ny an'ireo olona ranjanana avy any Seba dia handalo ao aminao avokoa, ka ho lasanao. Voafatotra ireny olona ireny no hanaraka anao ary hiankohoka handady eo anatrehanao sady hivavabavaka hifona aminao hoe: "Ato aminao tokoa tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy irery."

15 Kanefa marina fa Andriamanitra miafina Ianao, ry Andriamanitr'i Israely sady mpamonjy o!

16 Indro ny mpanamboatra sarivongan-tsampy fa ho indray menatra sy ho afa-baraka; mandeha mitanondrika izy rehetra.

17 Ianareo kosa, ry vahoaka Israely,dia nandray famonjena mandrakizay avy amin'ny TOMPO. Tsy ho menatra na ho afa-baraka na oviana na oviana ianareo.

18 Ny TOMPO no nahary ny lanitra, Izy no Andriamanitra namorona ny tany ka namolavola sy nanamafy azy, nefa tsy nahary azy ho foana fa nanao azy mba honenana. Io Tompo io dia indro milaza hoe: "Izaho no TOMPO, ary tsy misy hafa."

19 An-karihary no nitenenako fa tsy tao amin'ny toerana maizimaizina; tsy nampirisihiko ny taranak'i Jakoba hitady Ahy eo amin'ny toeram-poana. TOMPO Aho, ka ny marina nolazaiko ary ny mahitsy no ambarako!

20 Ianareo firenen-kafa sisa tavela, avia ka mivoria, manatona miaraka. Tsy mahalala na inona na inona akory ireo manandratra ny sampy hazo voasokitra, sy mivavaka amin'izay andriamanitra tsy mahavonjy.

21 Manaova fanambarana, ary ento ny porofo, manaova fikaonan-doha miaraka ianareo! Iza no nampahalala hatry ny ela izay mitranga ankehitriny? Iza no nanambara izany mialoha? Moa tsy Izaho TOMPO va? Koa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho no hany Andriamanitra marina sy mamonjy.

22 Mitodiha aty amiko, dia ho voavonjy ianareo, ry olona amin'ny vazan-tany rehetra; satria Izaho no Andriamanitra fa tsy misy hafa.

23 Nianiana tamin'ny tenako Aho, sady marina izay teny aloaky ny vavako ka tsy misy ivadihako: Izaho no handohalihan'ny olona rehetra ary hianianan'ny fiteny rehetra hoe:

24 Ao amin'ny TOMPO irery no ahitana hery sy fahamarinana!"Izay rehetra nifanohitra tamiko dia hankany amiko sady ho menatra.

25 Fa ny taranak'i Israely rehetra kosa dia Izaho TOMPO no hahazoany rariny sy hataony fireharehana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0777