Isaià
Toko faha-4
1 Amin'izany andro izany, dia vehivavy fito no indray hihazona lehilahy iray ka hanao hoe:"Tsy hiantohanao na sakafo na fitafiana izahay, fa aoka izahay mba hahazo mitondra ny anaranao, ka afaho amin'ny fahafaham-barakanay."2 Amin'izany andro izany, izay ampanirin'ny TOMPO eo amin'ny tany dia ho tabihasy ho voninahitra ho an'izay sisa velona teo amin'i Israely, ka izay vokatry ny tany no ho mariky ny fiandrianany sy reharehany.
3 Koa izay sisa tafajanona tao Jerosalema na izay sisa velona tao Tsiona dia hantsoina hoe "voatokana ho an'ny TOMPO": ireo rehetra ireo no voasoratry ny TOMPO mba ho velona ao Jerosalema.
4 Hisy Fanahy fahamarinana sy fanadiovana hitsoka; koa rehefa voadion'ny TOMPO ho afaka amin'ny lotony ireo andriambavilanitr'i Tsiona, ary voasasan'ny TOMPO ho afaka amin'ny ra nalatsaka tao aminy i Jerosalema,
5 dia hisy rahona matevina amin'ny antoandro sy afo mazava midedadeda amin'ny alina ho tonga eo ambonin'ny tendrombohitr'i Tsiona manontolo sy amin'ny olona vory ao. Eny ambonin'ireo rehetra ireo kosa ny voninahitry ny TOMPO mba ho fiarovana,
6 ho toy ny trano tomboka hanalokaloka amin'ny hainandro ary hialofana sy hierena amin'ny tafio-drivotra sy ny ranonorana.