Isaià

Toko faha-33

1 Lozanao , ry ilay tsy norobaina nefa mandroba sy ry ilay tsy nofitahina nefa mamitaka. Rehefa mitsahatra mandrava ianao, dia mba horavana koa; ary rehefa mitsahatra mamitaka, dia mba hofitahina koa.

2 TOMPO o, iantrao izahay fa manantena Anao. Aoka Ianao no ho herinay isa-maraina sady ho mpamonjy anay amin'ny androm-pahoriana!

3 Mandositra ny vahoaka isan-tokony, rehefa mandre ny firotsahanao an-tsehatra; miparitaka ny hafa firenena, vantany vao miseho ny fahambonianao.

4 Miavosa toa fiavosam-balala ny remby; ary toa firohotr'andiam-balala no hirohotana mankeo aminy.

5 Manerinerina tokoa ny TOMPO, satria mitoetra any ambony any Izy. Nofenoiny rariny sy hitsiny aoTsiona.

6 Hiaina am-pahatokiana ianao, ry vahoakan'ny TOMPO. Ny fahendrena amam-pahalalana no harem-pamonjena ho anao; ary ny fanajana ny TOMPO no raki-tsarobidy ho anao.

7 Indreo ny mponin'i Ariela fa miantsoantso eny an-dalambe, satria ny iraka mpanambara fiadanana dia niveri-maina mitomany mafy.

8 Foana tanteraka ny arabe, tsy misy mpandeha intsony eny an-dalana. Nivadihan'ilay firenena mpanjakazaka ny fifanekena natao taminy; nolaviny ny vavolombelon'izany, ary tsy nasiany hasina ny olona.

9 Misaona ny tany ka milofika, menatra ny tendrombohitr'i Libano ka malazo, nanjary tany hay ny lemak'i Sarona, ringitra i Basana sy i Karmela.

10 "Ankehitriny, hoy ny TOMPO, no hirotsaka an-tsehatra Aho; ankehitriny no hitraka Aho ary haneho ny fahalehibiazako.

11 Toy ny torontoronina vilona ianareo, ka miteraka mololo; koa ny fofonaiko no tahaka ny afo izay handevona anareo.

12 Ny firenen-kafa kosa hataon'ny afo lasa lavenon-tsokay; ho toy ny kirihitra tsilo voatomboka no handripahan'ny afo azy.

13 Ianareo lavitra, mihainoa izay nataoko; ianareo akaiky, fantaro ny heriko."

14 Raiki-tahotra ny mpanota ao Tsiona, mangovitra ireo mpihatsaravelatsihy: "Iza amintsika, hoy izy, no hahajanona eo anilan'izao afo mandevona izao? Iza amintsika no hahatanty an'izao afo tsy misy farany izao?"

15 -Izay mandeha araka ny rariny ka miteny tsy misy olakolaka, izay manda ny tombontsoa azo an-keriny sy manakifika ny tanany tsy handray tsolotra, izay manampin-tsofina tsy hihaino ny teny mampirisika hamono olona, izay manakimpy ny masony mba tsy hijery ny

16 Izany olona izany no honina eny amin'ny toerana avo tsy hay anihina; ny harambato mafy no ho fialofany, homena hanina sahaza azy izy ary hiantohana rano hosotroiny.

17 Ny masonao no hijery ny mpanjaka ao anatin'ny famirapiratany, ary koa hahita ny tany araka ny velarany faran'izay midadasika;

18 hahatsiaro ilay natahoranao ianao ka ho velom-panontaniana hoe: "Nankaiza ary ilay mpanisa sy mpanamarina ny hetra? Nankaiza ilay mpanao fisafoana eny amin'ny tilikambo?"

19 Tsy ho hitanao intsony ilay firenena misetrasetra sy mampiasa fiteny tsy fantatra sady miboredika tsy misy ahazoana azy.

20 Ndeha topazonao maso i Tsiona, fankalazantsika ny fety firavoravoana, dia ho hitanao i Jerosalema, fonenana tony tokoa toy ny lay tsy hahorona intsony, ka ny tsimatra aminy tsy hongotana ary ny kofehiny tsy hovahana intsony.

21 Eo no hanehoan'ny TOMPO ny fahalehibiazany amintsika. Ho faritra hisy renirano sy ony be velarana izany, kanefa tsy handehanan'ny sambo mpiady na hivezivezen'ny sambo vaventy.

22 Ny TOMPO no ho mpitarika antsika, izy no ho mpanao lalana ho antsika; ny TOMPO no ho mpanjakantsika sy ho mpamonjy antsika.

23 Efa mivaha ny tadin-tsambonao, ka tsy mahatana ny andry intsony ary tsy ahazoana mampiakatra famantarana. Amin'izay no hifampizarana ny zavatra betsaka nobaboina, ka na ny mandringa aza dia hahazo anjara.

24 Tsy hisy intsony amin'ny mponin'i Jerosalema hiteniteny hoe: "Marary aho! " Ny vahoaka mitoetra ao amin'io tanana io dia ho voavela heloka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0551