Isaià

Toko faha-55

1 He! Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin'ny rano omeko! Na dia tsy manam-bola aza ianareo, avia maka sakafo, dia mihinana fa tsy ialam-bola izany ; avia maka divay na ronono, fa tsy vidina izany.

2 Nahoana ianareo no mandany vola amin'izay sakafo tsy tena mahavoky? Nahoana ianareo no misahirana amin'ny zavatra tsy mahafa-po? Henoy tsara Aho, dia hihinan-javatra matsiro ianareo ary ho finaritra amin'ny sakafo mafilotra.

3 Mankanesa aty amiko ianareo, ka manongilana sofina; henoy Aho, dia ho velombelona indray ny tenanareo. Hanaovako fanekem-pihavanana mandrakizay ianareo ka homeko ny fitahianana mpanantenaiko an'i Davida:

4 Indro izy fa nataoko vavolombelon'ny fahefako eo amin'ny foko isan-tokony sady ho mpitarika sy mpibaiko ny hafa firenena.

5 Ary ianao koa, ry Israely, dia hiantso ny firenena hafa izay tsy fantatrao; ary firenen-kafa tsy mahalala anao akory no hirohotra hanatona anao, satria ny TOMPO Andriamanitrao, Ilay Masin'i Israely, no nanome anao izany voninahitra izany.

6 Tadiavo ny TOMPO, dieny mbola manaiky ho hita, antsoy Izy, dieny mbola akaiky anareo.

7 Aoka ny olon-dratsy handao ny fanaony, ary ny mpanao ratsy hahafoy ny heviny. Aoka hiverina amin'ny TOMPO ireny fa hamindra fo aminy Izy. Aoka hiverina amin'Andriamanitsika ireny fa hihoa-pampana ny famelan-keloka homeny azy.

8 Teny hentitry ny TOMPO izao: "Ny hevitro tsy hevitrareo ary ny lalanareo tsy mba lalako.

9 Tahaka ny haavon'ny lanitra amin'ny tany no haavon'ny lalako amin'ny lalanareo sy haavon'ny hevitro amin'ny hevitrareo.

10 Ny ranonorana sy oram-panala milatsaka avy any an-danitra dia tsy miverina any raha tsy efa mahavonto ny tany sy mahalonaka azy ary mampahavokatra azy ka mampahazo masomboly hafafy sy hanin-kohanina ;

11 dia ho tahaka izany koa ny teny aloaky ny vavako: tsy hiveri-maina foana aty amiko izy, raha tsy efa nahatanteraka izay sitrako sy nahatratra ny tanjona nanirahako azy.

12 Fa amim-pifaliana no hialanareo eto Babilona ary amim-piadanana no hampodina anareo. Ny tendrombohitra sy ny havoana dia hihorakora-pifaliana rehefa mandalo ianareo, ary ny hazo rehetra any an-tsaha hiteha-tanana.

13 Ny hazo kipreso no haniry ho solon'ny tsilo, ary ny rotra no haniry ho solon'ny amiana. Ho voninahitra ho an'ny TOMPO izany, ka ho famantarana tsy ho kosehina na oviana na oviana ny amin'izay nataony ho anareo."

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0576