Isaià
Toko faha-42
1 Indro ny mpanompoko izay tohanako, ilay voafidiko sady ankasitrahiko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko mba hamoahany ny lamina ara-drariny ho an'ny firenena.2 Tsy hiantsoantso izy na hampiaka-peo sady tsy hanao kabary eny an-dalambe.
3 Tsy hotapahiny ny volotara folaka, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; fa hamoaka ny lamina ara-drariny tokoa izy.
4 Tsy ho reraka na ho kivy izy mandra-panoriny ny lamina ara-drariny amin'ny tany fa hiandry dia hiandry ny lalanany ireo mponina any amin'ny nosy.
5 Izao no tenin'ny TOMPO Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy hidadasika, Izay namelatra ny tany mbamin'ny zava-maniry vokariny, Izay manome fofonaina ho an'ny olona eo aminy sy fanahy ho an'ny mponina miriaria ao ; eny, izao no tenin'ny TOMPO Andriamanitra amin'ilay mpanompo voafidiny:
6 "Izaho TOMPO no niantso anao araka ny fahamarinana ka nitantana anao. Izaho no niaro anao ka nanendry anao ho antoky ny fanekem-pihavanako amin'ny olona ary koa ho fahazavan'ireo firenena.
7 Dia hampahiratra ny mason'ny jamba ianao, hamoaka ny gadra avy ao am-ponja, eny, hamoaka ireo mipetraka anaty haizina hialany amin'ny trano nihazonana azy."
8 Izaho no TOMPO, izany no anarako ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa ary ny fiderana Ahy tsy avelako ho an'ny sampy.
9 Indro efa lasa iny ny zava-niseho voalohany; koa zava-baovao indray no ambarako aminareo. Ary hampahafantariko anareo izany, na dia mbola tsy miseho aza.
10 Mihirahira vaovao ho an'ny TOMPO; midera Azy avy any am-paran'ny tany ianareo mpivezivezy eny an-dranomasina sy ianareo mponina any amin'ny nosy.
11 Aoka hanandra-peo ny tanana any an-taniefitra sy ny any an-toby fonenan'ny Kedarita ! Aoka hihoby ny mponina any amin'ny Harambato; avy any an-tampon-tendrombohitra any no aoka hanaovany hiram-pifaliana!
12 Hanome voninahitra ny TOMPO anie ireny; ary aoka hitory ny fiderana Azy ny mponina any amin'ny nosy lavitra!
13 Mandroso toy ny miaramila maherifo ny TOMPO ary vonona toy ny mpiantafika zatra ady. Miantsoantso manao hiakan'ady Izy; ka maneho hery hihantsiana an'ireo fahavalony.
14 Efa hatry ny ela Aho no nangina, ka tsy nanao na inona na inona, hoy ny TOMPO. Fa izao kosa Aho mitaraina toy ny vehivavy miteraka izay sempotsempotra sady tsy avy miaina.
15 Hovolosako ny tendrombohitra sy ny havoana, ka hataoko maina ny ahi-maitso rehetra ao aminy; hovako ho tany hay ny ony ary hataoko maina ny farihy.
16 Ny jamba hampandehaniko amin'ny lalana tsy mbola fantany; sakeli-dalana tsy mbola hainy no hitarihako azy ireo. Hovako ho mazava ny haizina eo anatrehany ary ho mahitsy ny lala-miolakolaka. Hotanterahiko ireo fikasako ireo fa tsy hisy havelako velively.
17 Aoka hianotra amin-kenatra tokoa ianareo mitoky amin'ny sampy sady milaza amin'ny sarivongana hoe: "Ianareo no andriamanitray. "
18 Ianareo marenina, aoka handre; ary ianareo jamba, mahirata mba hahita.
19 Iza moa no jamba raha tsy ny mpanompoko? Ary iza no marenina tahaka ny iraka izay irahiko? Eny, iza no jamba tahaka ny mpitondrateniko, ary marenina tahaka ny mpanompoko?
20 Betsaka ny zavatra hitany nefa tsy nisy tadidiny;manongilan-tsofina hihaino izy, nefa tsy misy zavatra reny.
21 Fa sitraky ny TOMPO ho fandresen'ny fahamarinany ny haneho fa lehibe sy heni-boninahitra ny lalanany,
22 ka indro ity vahoaka fa voaroba sy voasambotra: naiditra am-ponja avokoa izy rehetra ary nahiboka an-tranomaizina. Voaroba nefa tsy nisy namonjy, voasambotra nefa tsy nisy nanao hoe: "Avereno!"
23 Iza aminareo no hanongilan-tsofina handre izao teny izao ka ho mailo hihaino azy amin'ny ho avy?
24 Iza no nanolotra ny firenen'i Jakoba tamin'ny mpisambotra? Iza no nanolotra ny vahoaka Israely tamin'ny mpandroba? Moa ve tsy ny TOMPO Izay nanotantsika? Satria ny vahoaka Israely tsy nety handeha tamin'ny lalana nosoritany, ary tsy nihaino ny lalanany.
25 Koa nazeran'ny TOMPO tamin'ny vahoaka Israely ny fahatezerany mirehitra sy ny ady mangotraka. Nandoro ny faritra manodidina an'i Israely izany, saingy tsy fantany velively; nandoro tao anatiny mihitsy aza izany, nefa tsy nahoany akory.