Isaià

Toko faha-44

1 Fa ankehitriny kosa mihainoa, ry firenen'i Jakoba mpanompoko, ry vahoaka Israely izay nofidiko.

2 Izaho TOMPO izay mpanao anao, ka namorona anao hatrany am-bohoka sy manampy anao no indro milaza aminao hoe: Aza matahotra, ry firenen'i Jakoba mpanompoko ilay Jesorona izay nofidiko.

3 Fa hanosaka rano amin'izay mangetaheta Aho sy hampandriaka renirano amin'ny tany mangentana. Hatosako amin'ny zanakao ny Fanahiko ary amin'ny taranakao ny fitahiako.

4 Handrobona toy ny solofom-bolotara na toy ny hazo malahelo eny amoron-drano izy.

5 Ny anankiray hanao hoe: "An'ny TOMPO aho"; ny iray hafa te hitondra ny anaran'i Jakoba. Ny anankiray kosa dia eo amin'ny sandriny no hanoratany hoe: "Fananan'ny TOMPO" sady ny anaran'i Israely no hireharehany."

6 Izao no lazain'ny TOMPO dia ilay TOMPOn'izao rehetra izao sady Mpanjakan'i Israely sy Mpanavotra azy: "Izaho no voalohany ary Izaho no farany , ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.

7 Raha misy mihambo ho mitovy amiko, aoka izy hiteny sy handahatra momba izany! Ho hazavainy amiko hoe iza, hatry ny fahagola, no nampandre ny zavatra tsy maintsy tonga; ary hambarany amintsika koa ny zavatra ho avy.

8 Aza mangovitra na matahotra ianareo, ry vahoakako. Tsy Izaho ve no nampandre anareo ka nanambara izany taminareo hatry ny ela? Ianareo tokoa no vavolombeloko fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho. Eny, tsy misy vatolampy hafa, tsy misy fantatro na iray aza."

9 Zava-poana avokoa ny mpanao sarivongan-tsampy ary tsy mahasoa akory ny zavatra lalainy: Ny sarivongan-tsampy no vavolombelona ho azy, kanefa vavolombelona tsy mahita akory, ary tsy mahalala na inona na inona ka handiso fanantenana azy.

10 Iza no hanamboatra andriamani-tsiizy, handrendrika sarivongana tsy mahasoa akory?

11 Indreo ho menatra izay rehetra mpomba azy fa olombelona ihany no namboatra ireny! Avelao hivory sy hiseho izy rehetra, fa hatahotra sy ho safo-kenatra avokoa.

12 Ny mpanefy manapaka takela-by, dia mandefa azy ao anaty afo sy mamolavola azy amin'ny tantanana ka miasa amin'ny sandriny mahery; avy eo dia noana sy ketraka izy, tsy misotro rano ka reraka.

13 Ny mpandrafitra kosa mandrefy hazo amin'ny tady sy manamarika azy amin'ny tsaoka, manamboatra azy amin'ny vankona, manamarika azy amin'ny kompa ary manome azy endrik'olona, dia endrik'olona tsara tarehy izay hapetraka ao amin'ny tempoly anankiray.

14 Avahana ny hazo sedera ho kapaina, fidina ny hazo terebinta na oaka, dia avela ho lehibe any an'ala. Na ny hazo kesika volena koa, dia ny ranonorana no mampaniry azy.

15 Ireny no ampiasain'ny olona ho kitay ka angalany hamindroana na handrahoan-tsakafo. Ireny ihany koa no anaovany andriamanitra hiankohofany sy sarivongan-tsampy hivavahany.

16 Araka izany ny antsasaky ny vatan-kazo dia dorana amin'ny afo ka itonoany hena; manatsatsika hena ny olona ka voky, na mamindro koa izy ka manao hoe: "Andray! Mafana aho izany! Nahita afo aho!"

17 Ny antsasaky ny vatan-kazo kosa anamboarany andriamanitra ho sampiny. Dia izany no iondrehany sy iankohofany sady ivavahany ataony hoe: "Vonjeo aho fa ianao no andriamanitro."

18 Tsy mahalala na inona na inona sady tsy misaina ireny olona ireny, voatampina ny masony ka tsy mahita sady donto rahateo koa ny fony.

19 Tsy misy mieritreritra ao am-pony na mba mahalala handini-tena hoe: "Ny antsasak'ity vatan-kazo ity dia nodorako tamin'ny afo; ka ny vainafony no nanendasako mofo sy nanatsatsihako hena ho haniko. Ny antsasaky ny vatan-kazo kosa dia hanaovako sampy mamoafady, ka tapa-kazo no indro hiankohofako."

20 Mifikitra amin-javatra lasan-kolavenona ireny; ny fony voafitaka no nampivily azy. Tsy mahafaka azy ny andriamaniny, kanefa ny tenany koa tsy mahateny hoe: "Hay moa ka andriamani-tsiizy ity eto an-tanako ankavanana ity! "

21 Ry firenen'i Jakoba, ry vahoaka Israely, aoka ho tsarovanao izao: "Mpanompoko ianao! Izaho no namolavola anao hanompo Ahy. Tsy hohadinoiko ianao, ry vahoaka Israely!

22 Nofafako toy ny rahona ny fahadisoanao ary nolevoniko toy ny zavona ny fahotanao. Koa miverena amiko ianao fa efa navotako."

23 Miasa ny TOMPO ka mihobia, ry lanitra, ary miravoravoa, ry fanambanin'ny tany. Ataovy manako ny hoby, ry tendrombohitra mbamin'ny ala sy ny hazo rehetra ao, fa ny TOMPO efa nanavotra ny firenen'i Jakoba ary efa naneho voninahitra tamin'ny vahoaka Israely.

24 Ry vahoaka Israely, ny TOMPO Izay nanavotra anao, Ilay namorona anao hatrany am-bohoka, dia indro milaza aminao hoe: "Izaho TOMPO no nanao ny zavatra rehetra, Izaho irery ihany no nanenjana ny lanitra sy namelatra ny tany fa tsy nisy nanampy.

25 Koa hataoko tsy misy vokany ny famantarana vitan'ny mpimasy ary hataoko mirediredy ny mpisikidy; hataoko mianotra ny olon-kendry ka hody fahadalana ny fahalalany.

26 Fa homeko lanja ny ny tenin'ireo mpanompoko ary hataoko tanteraka ny fikasan'ireo irako. Ka hoy Aho amin'i Jerosalema:"Aoka honenana indray ianao"ary amin'ny tananan'i Joda hoe:"Aoka haorina indray ianareo ". Eny, hatsangako izay efa rava.

27 Hoy Aho amin'ny ranomasina lalimbe:"Aoka ho maina ianao, fa horitiko ny ranobenao".

28 Hoy Aho ny amin'i Kirosa:"Izy no mpiandry ondriko. Hotanterahiny izay sitrako rehetra, ka dia hanome baiko izy mba haorina indray i Jerosalema ary hamboarina indray ny tempoly ".

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0591