Isaià
Toko faha-11
1 Misy rantsana misandrahaka avy amin'ny fototr'i Jisay; misy solofo mipoitra avy amin'ny fakany.2 Ny Fanahin'ny TOMPO no mitoetra eo aminy, dia Fanahy manome fahendrena sy fahaiza-manavaka; Fanahy mahay mamolavola sy manatanteraka, Fanahy ahalalana sy anajana ny TOMPO;
3 ary io no hanoro azy ny fanajana ny TOMPO. Tsy hitsara araka ny ivelany fotsiny izy na hanapaka araka izay ren'ny sofiny,
4 fa hitsara ny malahelo ara-drariny ary hamoaka didy araka ny hitsiny ho an'ny mahantra eo amin'ny tany. Ny teniny no toy ny tsorakazo hikapohany ny tany ary ny fofonain'ny vavany no hamonoany ny olon-dratsy.
5 Ny rariny no ho fisikinany ary ny toetra hentitra no ho fehikibony.
6 Koa ny amboadia hiara-mipetraka amin'ny zanak'ondry, ny leoparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy; ny zanak'omby sy ny liona tanora hiara-mihinana ka zazalahy kely no hitarika azy.
7 Ny ombivavy sy ny orsa vavy hiara-miraoka; ary ny zanak'izy ireo hiara-matory. Hihinam-bilona toy ny omby ny liona.
8 Ny zaza mbola minono hilalao eo an-davaky ny bibilava; ary ny zaza misara-nono hanatsofoka ny tanany ao an-davaky ny menarana.
9 Tsy hisy hanimba na handratra manerana ny tendrombohitra masina, satria ny fahalalana ny TOMPO no hanenika izany tany izany tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina.
10 Amin'izany andro izany ny solofon'i Jisay dia hatsangana ho fanevan'ny firenena rehetra; ka hitady azy ny firenen-kafa , ary hanjary be voninahitra ny fonenany.
11 Amin'izany andro izany ny TOMPO dia haninjitra ny tanany indray mba hanavotra izay sisa velona amin'ny vahoakany, dia izay sisa velona avy any Asiria, avy any Ejipta ambany sy ambony ary avy any Etiopia, avy any Helama sy Babilonia ary avy any Hamatana avy amin'ireo tany amoron-dranomasina.
12 Hanangana faneva ny TOMPO mba hahafantaran'ny hafa firenenafa hamory ireo sesitany tamin'i Israely Izy ary hanangona ireo niely patrana tamin'i Joda avy any amin'ny vazan-tany efatra.
13 Hitsahatra ny fialonan'i Efraima ary ho foana ny fankahalan'i Joda: i Efraima tsy hialona an'i Joda intsony ary i Joda tsy hankahala an'i Efraima intsony.
14 Dia hiara-kirohotra hiankandrefana eny amin'ny havoan'ny Filistinina izy roa tonta ary handeha hiantsinanana handroba ny foko any an-taniefitra, ka hanitatra ny fahefany amin'i Edoma sy i Moaba ary hametraka ny Hamonita ho eo ambany fifehezany.
15 Handritra ny helo-dranomasin'i Ejipta ny TOMPO; haninji-tanana handrahona ny ony Eofrata Izy, ka ny rivo-mahery avy aminy no hizarany azy hisampantsampana ho sakeli-drano fito izay ho azo diavin-tongotra tsy miala kapa.
16 Hisy lalana ho an'ny sisa velona amin'ny vahoakany, dia izay sisa velona avy any Asiria, tahaka izay niseho fahiny tamin'iIsraely fony izy niakatra avy tany Ejipta.