Isaià
Toko faha-8
1 Ary hoy ny TOMPO tamiko:-Mandraisa takela-tanimanga iray lehibe, dia soraty araka ny fanaon'ny olona izao: "Ho an'i Mahera-Salala-Hasy-Baza" na hoe "Ho an'i Faingana hamabo-Dodona handroba."2 Nasehoko tamin'ny vavolombelona roa mahatoky izany, dia tamin'i Oria mpisorona sy i Zakaria zanakalahin'i Jeberekia.
3 Dia nankao amin'ny mpaminanivavy vadiko aho, ka nitoe-jaza izy ary niteraka zazalahy. Koa niteny tamiko ny TOMPO hoe:-I Mahera-Salala-Hasy-Baza no ataovy anarany.
4 Fa raha tsy mbola mahay miantso Dada sy Neny akory io zaza io, dia ho entina eo anatrehan'ny mpanjakan'i Asiria ny haren'i Damasy sy ny remby voababo tao Samaria.
5 Mbola nanafatra ahy indray ny TOMPO ka nanao hoe:
6 -Ity vahoaka ity dia manao tsinontsinona ny ranon'i Siloa izay misononoka mora; ka kivy izy manoloana an'i Retsina sy manoloana ilay zanakalahin'i Remalia.
7 Noho izany, hakariko hamely ity vahoaka ity ny ranon'i Eofrata, izay rano be sady manonja, dia ny mpanjakan'i Asiria sy ny heriny manontolo. Hiala amin'ny lalany ny ony Eofrata ka hihoatra ny morony rehetra,
8 hibosesika any Joda sady hanafotra azy, ary hiakatra hatreny am-bozony. Eny, hihanaka lavitra amin'ny sisiny roa i Eofrata ka hanenika ny velaran'ny taninao, ry Himanoela.
9 Mangovita ianareo, ry firenena, ka mihorohoroa fatratra! Aoka hanongilan-tsofina ianareo, ry faritra rehetra any lavitra any: hirongo fiadiana tokoa ianareo, nefa hihorohoro fatratra; eny, hirongo fiadiana tokoa ianareo, nefa hihorohoro fatratra.
10 Manaova fikasana fa ho rava izany, manaova lahateny aman-karajia fa tsy hisy ho tanteraka akory ireny, satria Andriamanitra no miaraka aminay.
11 Fony nihazona ahy ny TOMPO ka nampitandrina ahy tsy hanahaka ny toetoetran'ity vahoaka ity, dia niteny tamiko toy izao:
12 Aza ataonareo hoe fikomiana avokoa izay lazain'ity vahoaka ity ho fikomiana, ary aza matahotra na mangovitra akory amin'izay zavatra atahorany.
13 Ny TOMPOn'izao rehetra izao ihany no aoka hoekenareo ho masina! Izy no hatahoranareo sy hangovitanareo.
14 Toeramasina tsy azo zimbazimbaina ny TOMPO, ka ho vato mahasolafaka sy vatolampy mampianjera Izy, ho an'ny fanjakana roa eto Israely; ary maro no hianjera eo ka ho lavo sy ho mongomongo.
15 Ho harato sy fandrika ny Tompo ho an'ny mponina ao Jerosalema; ary maro no ho voafandrika eo ka tsy ho afa-mitsoaka.
16 Fonosy izany hafatra izany, ry Isaia, ary asio tombokase ny fampianarana ho eo anivon'ireo mpianatro ihany.
17 Hiandry ny TOMPO aho satria manafin-tava amin'ny taranak'i Jakoba Izy izao, kanefa manantena Azy aho.
18 Ny tenako sy ny zaza izay nomen'ny TOMPO ahy dia natao famantarana sy fambara mialoha ho an'i Israely avy amin'ny TOMPOn'izao rehetra izao, dia Ilay monina ao an-tendrombohitraTsiona.
19 Misy milaza hoe: "Anontanionareo ny avelon'ny maty izay mibitsibitsika sy misaosao eo am-pilazana ny ho avy. Ara-dalana raha manontany izay heveriny ho andriamanitra ny vahoaka iray; ara-dalana raha manontany ny maty izy mba ho fanasoavana ny velona."
20 Izao kosa no havalinareo izany: "Ao amin'ny fampianarana sy ny hafatry ny TOMPO ihany no tsy maintsy hiverenana."Fa izay tsy miteny araka izany baiko izany dia tsy hiposahan'ny taratry ny maraina.
21 Handalo ao amin'io tany io ny olona, izay efa vizana sy noana. Noho ny hanoanana dia hisafoaka izy ka hanozona ny mpanjakany sy ilay Andriamaniny. Hiandrandra ny lanitra izy
22 ary hiondrika hijery ny tany, ka indro fahoriana sy haizina no hitany, haizim-pito mampitebiteby sy alina tsy misy mangirana.
23 Kanefa tsy hisy haizina intsony eo amin'ny toerana izay efa nozoim-pahoriana. Nataon'ny Tompo afa-baraka fahiny ny tanin'i Zebolona sy i Naftaly; fa aty aoriana kosa dia homeny voninahitra ny lalana manamorona ny ranomasina,sy ny faritra eny am-pita atsinanan'i Jordana ary koa i Galilea onenan'ny hafa firenena.