Isaià

Toko faha-62

1 Tsy hangina aho noho ny fitiavako anao, ry Tsiona o, ary tsy hitsaha-miteny aho noho ny fitiavako anao, ry Jerosalema, mandra-piposaky ny fanafahana anao ho tahaka ny masoandro mamiratra, ary mandra-pibaliaky ny famonjena anao ho tahaka ny fanilo mirehitra.

2 Ny firenen-kafa hahita ny fanafahan'ny TOMPO anao ary ny mpanjaka rehetra hahita ny voninahitrao; anarana vaovao no hiantsoana anao, dia izay ho tononin'ny vavan'ny TOMPO.

3 Eo an-tanan'ny TOMPO Andriamanitrao dia ho tonga satroboninahitra mamirapiratra sy hanjary diademan'ny mpanjaka ianao.

4 Ianao tsy hatao intsony hoe " ilay tanana nafoy" ary ny taninao tsy hatao intsony hoe " ilay tany lao"; fa ianao dia hantsoina hoe " ilay sitraky ny TOMPO", ary ny taninao hatao hoe "ilay vady ampakarina. "Satria ho sitraky ny Tompo ianao ary ny taninao hanana vady mpampakatra.

5 Tahaka ny tovolahy mampakatra virijiny ho vady, dia hampakatra anao toy izany koa ilay Mpanorina anao, ry Jerosalema; ary tahaka ny fifalian'ny mpampakatra amin'ny tovovavy ampakariny no hifalian'ilay Andriamanitrao aminao.

6 Ry Jerosalema o, efa nametrahako mpiambina eny ambonin'ny mandanao eny, ka tsy mahazo mangina ireo na andro na alina: "Ianareo izay mampahatsiaro ny TOMPO, aza mitsaha-manao izany ianareo!

7 Aza avela hitsahatra Izy mandra-panarenany azy indray ka hametrahany an'i Jerosalema ho voninahitra manerana ny tany."

8 Dia nataon'ny TOMPO izao fianianana izao: "Araka ny hery amam-pahefana feno ananako, dia mianiana aminao Aho, ry vahoakako, fa tsy hamela ny vary novolenao ho sakafon'ny fahavalonao intsony, ary tsy hamela ny divay nisasaranao hosotroin'ny vahiny intsony;

9 fa izay mijinja ny vary ihany no hihinana azy ka hidera Ahy TOMPO, ary izay nioty ny voaloboka ihany no hisotro ny divay eo an-kianjan'ny tempoliko."

10 Ry mponin'i Jerosalema, mivoaha tao an-tanana, mivoaha amin'ny vavahady, anokafy lalana ny vahoaka mody, ataovy mitovy tantana ny arabe ka esory ny vato eo aminy ary atsangano ny faneva hanaingana ireo firenena.

11 Injay nisy baiko nampitain'ny TOMPO hatrany amin'ny faran'ny tany! Koa lazao amin'ny olona ao Tsiona hoe: "Indro tonga ny Mpamonjinareo, indro entiny miaraka aminy ny karama azony ary eo anoloany ny valin-kasasarany."

12 Ny besinimaro, na ianareo na iretsy, dia hantsoina hoe " ilay vahoaka masina", " ireo olona navotan'ny TOMPO "; ary ianao, ry Jerosalema, dia hatao hoe: " ilay irina", " ilay tanana tsy foy."

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0561