Isaià
Toko faha-34
1 Manatona handre, ry firenen-kafa, ary mihainoa, ry vahoaka isan-tokony. Aoka handre ny tany sy izay rehetra mameno azy; aoka handre izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy!2 Tezitra amin'ny firenen-kafa rehetra ny TOMPO sady misafoaka amin'ny tafiny manontolo; nasainy naringana ireny ka natolony hovonoina.
3 Izay voavono dia hariam-potsiny ka hamofona maimbo ny fatiny; ary handriaka ra ny tendrombohitra.
4 Ny andian-tafiky ny kintana dia ho potika hiraraka avokoa; hihorona toy ny horonan-taratasy ny habakabaka; ary toy ny fihintsan'ny ravim-boaloboka maina na toy ny fihintsan'ny ravin'aviavy malazo no hihintsanan'ny planeta aman-kintana.
5 Eny ana habakabaka ilay sabatry ny TOMPO no mandihindihy toa mamo, ka indro miantonta hamely an'i Edoma , dia ilay firenena voatendry haringana mba ho famaizan'ny TOMPO azy.
6 Feno ra ilay sabatry ny TOMPO sady mihosina menaka, dia ran'ny zanak'ondry sy osilahy ary koa menaka avy amin'ny fonom-boany; satria misy sorona ataon'ny TOMPO ao Botsera ary fandringanana goavana ao amin'ny tany Edoma.
7 Voaripaka miaraka amin'ireo koa ny ombimanga mbamin'ny vantotr'omby sy ny ombilahy ka vonton-dra ny tanin'ny Edomita ary mihosi-menaka ny vovo-taniny.
8 Eny, andron'ny valifaty izany ho an'ny TOMPO sady taona famaliana ho an'Ilay mpiaro an'i Tsiona.
9 Hanjary toy ny dity ny ranon-driakan'i Edoma, hiova ho solifara ny vovo-taniny. Hanjary sahan-dity mirehitra io tany io;
10 ka tsy ho faty na andro na alina izany, ary hiakatra tsy an-kijanona ny setroka ; hijanona ho tany hay hatrany hatrany i Edoma ary tsy hisy handalo eo intsony mandrakizay.
11 Ho kianjan'ny tararaka sy ny sokina izy ary honenan'ny vorondolo sy ny goaika. Hohenjanin'ny Tompo eo aminy ny famolaina fandravana sy ny pilao fandrodanana.
12 Tsy hisy andriana intsony hifidy mpanjaka sady ho foana avokoa ny filohany rehetra.
13 Haniry tsilo ny lapan'ny mpanjaka; ary songosongo sy voaroy no hanenika ny trano fiarovany. Ho fonenan'ny amboadia sy sehatry ny vorombe ireo,
14 ho fihaonan'ny bibidia sy ny kary; any no hifampitaona ireo osidia, any no hiato sy hiala sasatra ny lilita mpandehandeha amin'ny alina.
15 Any koa no hanao lavaka ny bibilava ka hametraka ny atodiny sy hikotrika azy ary hanara-maso ny fahafoizany. Any koa no hivondronan'ny papango samy araka ny andiany avy.
16 Raha mitady ao amin'ny bokin'ny TOMPO ianareo, dia ho afaka hamaky izao teny izao: Tsy misy tsy ao ireo biby ireo na iray aza, ary tsy misy sahirana mitady ny andiany satria ny baikon'ny Tompo no nandidy izany ary ny Fanahiny no nanangona azy.
17 Antsapaka no nanendreny ny anjaran'ny tsirairay, noraisiny ny famolaina hizarana ny tany ho azy; ireo no ho tompony hatrany hatrany ka honina ao hatramin'ny taranaka mifandimby.