Isaià
Toko faha-56
1 Izao no lazain'ny TOMPO: "Tandremo ny rariny ka manaova ny marina, satria akaiky ho tonga ny famonjeko ary efa hiharihary ny fanafahako.2 Sambatra ny olona manatanteraka izay lazaiko sy mifikitra mafy amin'izany, ka mitandrina ny sabata fa tsy manimbazimba azy, ary mitandrina ny tanany tsy hanao ratsy."
3 Aoka ny hafa firenena efa miraiki-po amin'ny TOMPO tsy hanao anakampo hoe: "Hoesorin'ny TOMPO tokoa aho tsy ho anisan'ny vahoakany. "Ary aoka ny eonoka tsy hanao anakampo hoe: "Indro efa hazo maina aho."
4 Satria izao no lazain'ny TOMPO: "Ny eonoka mitandrina ny sabatako ka mifidy ny hanao izay sitrako sy mifikitra mafy amin'ny fanekempihavanako,
5 dia hanokanako takela-bato misy ny anarany eo amin'ny rindrin'ny tempoliko. Izany no tsara kokoa ho azy noho ny zanakalahy sy zanakavavy maro. Hampitoeriko eo mandrakizay ny anarany ka tsy hisy na inona na inona hahakosoka azy."
6 Ho an'ny hafa firenena miraiki-po amin'ny TOMPO mba hanao fanompoam-pivavahana aminy sady tia Azy ary tonga mpanompony dia izao no teny hentitra ataon'ny TOMPO aminy: "Raha mitandrina ny sabata izy ka tsy manimbazimba azy sy mifikitra mafy amin'ny fanekem-pihavanako,
7 dia ho entiko eo an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-trano fivavahana amiko; ny sorona isan-karazany hatolony dia hankasitrahiko eo ambonin'ny alitarako; satria ny tranoko hatao hoe: 'Trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra'.
8 Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY, Ilay nanangona ny vahoaka Israely tafaely, dia mbola manao teny hentitra hoe: 'Efa nanangona Aho, nefa mbola hanangona hafa koa'. "
9 Ianareo bibidia rehetra any an-tsaha sy ianareo bibidia rehetra any an'ala, avia hanao fihinanam-be!
10 Jamba avokoa ireo mpiahy ny vahoaka Israely ka samy tsy mahalala na inona na inona. Alika moana izy rehetra ka tsy mahavovo, fa manonofy fotsiny sy mitsotsotra satria ny matory no tiany.
11 Alika tendan-kanina koa ireo ka tsy mahalala voky na oviana na oviana, nefa dia lazaina hoe mpiandry! Tsy mahay mandinika akory ireo fa samy manaraka ny lalany avy ary samy mikendry ny tombontsoany avy.
12 Avia ianareo, hoy izy fa haka divay isika ary hiboboka fisotro mahery! Ho toraka ny androany ihany koa ny rahampitso, fa mbola be dia be ny sisa ho sotroina.