Isaià
Toko faha-20
1 Tamin'izay no taona nanirahan'i Sargona mpanjakan'i Asiria ilay jeneralin'ny tafiny hanafika an'i Asdoda; dia namely ny tanana izy ka nahazo azy.2 Telo taona talohan'izany kosa dia nampitondra teny an'i Isaia zanakalahin'i Amotsa ny TOMPO hoe: "Mandehana, vahao ny lamba gony eny an-tsikinanao ary esory ny kapa eny an-tongotrao. "Dia nataon'i Isaia izany, ka nandeha tsy nitafy lamba sy tsy nikiraro izy.
3 Ary io taona nahazoan'ny Asirianina an'i Asdoda io, no nilazan'ny TOMPO taminy hoe: "Efa ho telo taona izao no nandehandehanan'i Isaia mpanompoko, tsy nitafy lamba sy tsy nikiraro, mba ho famantarana sy marika ny amin'ny hamelezana an'i Ejipta sy i Etiopia.
4 Fa tahaka izany no hitondran'ny mpanjakan'i Asiria ny Ejiptianina ho sambo-belona sy ny Etiopianina ho babo na antitra na tanora. Handeha tsy mitafy sy tsy mikiraro koa izy ireo. Mitanjaka ny feny ka henatra moa izao ny an'ny Ejiptianina!
5 Dia ho kivy sy ho diso fanantenana ireo Israelita ireo, izay nanantena an'i Etiopiana nihambo tamin'ny fanampian'i Ejipta."
6 Amin'izany andro izany, dia hiteny ireo mponina amoron-tsiraka hoe: "Jereo ity manjo ny firenena nantenaintsika hialofana sy hitadiavam-bonjy ary hahafaka antsika manoloana ny mpanjakan'i Asiria! Ka aiza indray izao no handosirantsika?"