Isaià

Toko faha-3

1 Fa indro ny TOMPO ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao manaisotra amin'i Jerosalema sy amin'i Joda ny andry aman-tohana isan-karazany iankinany: dia ny mofo sy ny rano izay tohan'aina,

2 ny miaramila voafantina sy ny miaramila tsotra, ny mpitsara sy ny mpaminany, ny mpimasy mbamin'ny loholona,

3 ny manamboninahitra sy ny olo-manan-kaja, ny mpanolotsaina mbamin'ny manampahaizana, ary ireo havanana amin'ny fanaovana vorika.

4 Ka hoy ny TOMPO hoe:"Ankizy no ho tendreko ho lehibeny ka hitondra azy araka ny haitraitrany."

5 Dia hifanjevo izy samy mpiray firenena; hifampisompatra ny olona ka hifamely, ny tanora hirehareha amin'ny antitra, ary ny olon-tsotra hanohitra ny olo-manan-kaja.

6 Hisy lehilahy hisambotra ny rahalahiny izay iray tarika aminy ihany ka hiangavy azy hoe:"Ianao no manam-pitafiana , koa aoka ho mpifehy anay; raiso ny andraikitrao amin'izao fahavoazana izao."

7 Fa hamaly izy amin'izay andro izay hoe:"Tsy afaka hanao na inona na inona ho anareo aho, tsy misy mofo na fitafiana ao an-tranoko, koa aza ataonareo mpifehy vahoaka aho."

8 Eny, lavo i Jerosalema ary potraka i Joda; ka na ny tenin'ny olona na ny asany dia samy manohitra ny TOMPO sy mihantsy ny voninahiny eo imaso.

9 Ny endrika asehony dia efa miampanga azy; manota an-karihary toy ny mponin'i Sodoma izy fa tsy mba miafinafina intsony. Indrisy! Anomana ny loza ho an'ny tenany izany.

10 Sambatra ny olo-marina fa hahita soa izy, ka ny vokatry ny asany no hohaniny.

11 Lozan'ny ratsy fanahy kosa fa hiharam-pahavoazana izy, satria araka izay nataony ihany no zavatra hafitsoka aminy!

12 Ry vahoakako o, hoy ny TOMPO, olona mpanjakazaka anao no mampahory anao ary olona tsy miraharaha anao no manapaka anao; ry vahoakako o, ireo mpitondra anao no nampivily anao ka lalan-tsiizy no nitondrany anao.

13 Vonona hifandahatra ny TOMPO, ka mipetraka hitsara ny vahoakany.

14 Hampandaloviny fitsarana ireo loholona sy lehiben'ny vahoakany: "Ianareo no nanimba ny voaloboka ; ary izay nalainareo tamin'ny mahantra no namenoanareo ny tranonareo.

15 Ahoana moa no ahazoanareo mampahory ny vahoakako sy manosihosy ny fahamendrehan'ny mahantra? Izany no teny hentitra avy amikoTompo ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao."

16 Hoy koa ny TOMPO hoe:"Miandranandrana ery ny andriambavilanitr'i Tsiona, mianjonanjona aoka izany rehefa mamindra, mianjola fijery sady mitsingintsingim-pandeha, mampikorintsana ny haba amin'ny hato-tongony."

17 Noho izany, dia hataon'ny TOMPO voaharatra ny tampon-dohan'ireo andriambavilanitra ireo sady hataony mangadihady ny handriny.

18 Amin'izany andro izany, dia hoesorin'ny TOMPO ny haingo rehetra fampiasan'ny andriambavilanitr'i Tsiona, izany hoe: ny haban-tongotra sy ny fehiloha ary ny firavaka misarim-bolan-tsinana;

19 ny kavina jejo sy ny rojo ary ny voaly;

20 ny satroka diadema sy ny rojo miolanolana, ny fehikibo mirandrana sy ny vakana fanefitra ary ny firavaka mampanambina;

21 ny peratra sy ny kavin'orona;

22 ny akanjo fitondra mianjaika sy ny akanjo misy saron-doha ary koa ny fehitenda sy ny poketra;

23 ny fitaratra sy ny akanjo somizo manify ary ny samboady sy ny lamba fisalobonana.

24 Ny fofona manitra ho soloana fofo-maimbo, ny fehikibo marevaka ho soloana tady tsotra, ny randrana tsara voatra ho soloana loha sola ny fitafiana mihaja ho soloana lamba fisaonana. Eny, ny bika soa ho soloana tombokavy mahamenatra.

25 Ry Jerosalema o, ho fatin-tsabatra ny lehilahy ao aminao, ary ho faty an'ady ny miaramilanao.

26 Koa hitomany sy hitoloko ny iray tanana, ho toy ny vehivavy very fananana mitorevaka amin'ny tany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0568