Isaià
Toko faha-64
1 Ho toy ny afo mampirehitra kitay rantsan-kazo na mampangotraka rano anie Ianao; ka ho fantatry ny fahavalonao ny lazanao ary hangovitra eo anatrehanao ny firenen-kafa,2 rehefa nanao zava-mahatahotra izay tsy nampoizinay akory Ianao. Eny, hidina tokoa Ianao, Tompo o, ka hihorohoro eo anatrehanao ny tendrombohitra.
3 Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola henon'ny olona na ren'ny sofiny na hitan'ny masony izay Andriamanitra hafa noho Ianao nahavita izany tamin'izay matoky Azy.
4 Mitsena izay mifaly hanao ny marina Ianao, dia izay mihevitra hanaraka ny sori-dalanao; koa raha tezitra Ianao, dia satria nanota izahay. Nefa ho voavonjy ihany izahay, rehefa ho voakosokao tanteraka ny otanay.
5 Samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-dra ny asa soa rehetra mba vitanay. Paohin'ny helokay izahay rehetra toy ny ravin-kazo maina paohin'ny tadio.
6 Tsy nisy niantso ny anaranao intsony na nahatsiaro hifikitra aminao, satria nanda ny hijery anay Ianao ary namela anay ho andevozin'ny helokay.
7 Na dia izany aza anefa, TOMPO o, Ianao no Rainay; tanimanga izahay, fa Ianao no mpanefy ary asan'ny tananao izahay rehetra.
8 TOMPO o, aza vinitra loatra aminay ary aza tsarovana hatrany ny helokay; mba tsinjovy re izahay vahoakanao rehetra.
9 Tonga aolo ireo tanananao masina, tonga taniefitra i Tsiona ary tonga lao i Jerosalema.
10 Ny tempoly masina sady mamirapiratra izay nanaovan'ny razanay hira fiderana Anao dia kilan'ny afo, ary ny zava-drehetra maminay indrindra dia rava avokoa.
11 Eo anoloan'ireo fahavoazana rehetra ireo, dia tsy hiraika aminay ve Ianao, TOMPO o? Mbola hangina ihany ve Ianao ka hampahory anay mafy loatra?